dailynews | 08 Oktobra, 2007 02:48
Tao anaty restaurant ngeza tokoa izay miendrika fijerena baolina basikety ny tao anatiny. Misy seza avo ho an ny mpanotrona ny ankilany ary ny andaniny kosa dia toa babangaona ihany hafa tsy ilay comptoir fanankalozana vola etsy ampita. Ilay comptoir dia miendrika pilopitra fitorianteny ireny. Misy lamba miloko mena mandrakotra azy. Ny latabatra fihinanan ny mpanjifa moa dia tsaroako ho iray ihany ny hitako dia ilay teo ankaviako.
Izaho sy Tom namako moa t@ izany samy nanao somizy maitso mipetraka maka aina teo ambonin ilay seza tahaka ny fijerena baolina. Nipetraka teo alohanay ilay madama tompon ilay restaurant sy ny zananny vavy nanao thirt fotsy.
Tsitapitapitr izay dia nitsangana daholo ilay olona nisakafo eto ankaviako ary nilahatra teo alohanay fa hoe handoa vola hono. Voamariko fa tsy mbola vita ny sakafon ny ankabeazan izy ireo fa toa hoe maika angaha izy ireo ka mila mandeha amin izay. Nisy ranamana iray toa mbola feno “ fried rice”( karazana riz cantonnais) ny viliany ary mitady doggie bag hono izy( baoritra kely fanasiana sakafo tsy lany rehefa mankany amin ny restaurant mba ho entina mody atao sakafo rahampitso). Tsy nahita olona aho teo amin ny comptoir handray ny volany . Toa nitoditodika ihany ireo olona fa tsy nisy mpaka vola tetsy amin ny comptoir..hay iny ilay madama tompon ny resto nitsangana ka nanakalo ny volan ireo mpanjifa.
Tao anatin io building io ihany dia hitako I Luke sy Keith( olona fantatro) mipetraka amin ny banc iray. I luke nanao somizy manga antitra ary I keith somary lava volo ihany nanao akanjo maitso antitra. Nitomany toa nifokofoko I Luke fa tsy mora taminy ilay nanejika dahalo tany Afrika. Toa hoe saika namoy ny ainy mihitsy angaha izy. I Keith namany moa dia nanakapokapoka ny tanany teo amin ny lamosiny hampaherezana azy.
Nitantara izy ireo fa niaraka t@ Zo tany anaty ala tany izy ireo ary tena ady be ny tany fa haingana be mihitsy ireo dahalo. Toa naniditsidina tahaka ireny sifaka ireny hono izy ireo miala amin ny hazo iray mitsambikina amin ny manaraka. Moa ve tsy tahaka ilay ranamana tao amin ny film “Ambondrobe” ny fijery azy. Ka hoy aho hono tamin ny Keith hoe: “ie, sady raha haingana be tahaka izany izy ireo tonga dia tsy hitahita akory dia ny lohambasy no mitohoka eo amin ny lohanao”
T@ izahay nipetraka teo dia nandalo I Tiana niaraka t@ Prussian boyfriend-ny izany fa toa tsy nijanona niresaka taminay. Dia toa lasa ihany koa I keith sy Luke nony avy eo.
Nony avy niresaka tamin izy ireo aho dia niodina kely teo amin ny trano fitaratra misy ny sakafon ilay restaurant ary naka cinnamon toast ( karazana biskoty ) avy ao amin ilay fitaratra. Nanandrana kely fotsiny ihany aho dia nariako ilay izy fa toa nalebolebo loatra. Dia nahita fen ‘akoho indray aho dia noraisiko ilay izy, hay izy ity tsy fen akoho fa ovy nakotrika misaraka roa(baked potato). Lasa aho fa noana anefa tsy nahita izay hohanina.
Noy teny andalana aho dia nahita an Ilay madama tompon ny restaurant teo ivelan ny fiangoanana iray. Fotsy ny lokon ilay fiangoanana ary tena kely dia kely tokoa ny habeny. Misy soratra miloko manga tanora avy eo ivelany saingy tsy tandritandriko hoe inona ny lazainy. Io fiangonana kely io dia eo amin ny coin hifanenan ny lalana hiakatra any ankatso sy ny fidinan ny fiara avy any ambohijatovo mitsontsorika avy any amin I CNELA ho any ankatso.
Hitako ilay madama nisarika ilay zanany vavy avy ao ampiangonana sady nibedy sy nilelalela taminy fa tsy tokony hiditra ampiangoanan hono ity zanany fa izy tsinona Buddhist.
Hitako tsy lavitra ahy teo izy ireo ary nanakaiky aho niaraka tamin izany namako izany lava be izy, ary lava volo ary mivolontany ny somizy nanaovany teo ambonin ny pataloha jean. Kitjo hono io tovovavy io ( mialatsiny kitjo raha mamaky ity indry o). Nangalatra topy maso kely tao anatin io fiangonana io aho ary hitako I Zo, pataloha jean mainty sy tshirt fotsy misoratsoratra mainty, ilay tovolahy niady tamin ny dahalo iny nitendry aponga mandeha amin ny herin aratra tao amin ilay fiangonana. Nisy olona vitsivitsy nipetraka tetsy aoriana saingy tsy voadiniko hoe iza.
Hoy hono aho t@ Kitjo hoe: tato aho no niangona taloha saingy lavitra ny tranonay ilay izy dia nifindra aho.
Nony avy eo aho dia niakatra irery tamin ny lalana miakatra ho any amin ny CNELA iny. Nahita alika mivolontany izay aho niazakazaka nidina. Toa alika matavy ila ilay izy. Fa ny ilany ankavia dia normale tsara saingy ny ilany havananakosa dia lava be izany. Hay nony nanakaiky alika kely roa miara miazakazaka amin ilay alika volohany ilay avy eo ankavanana. Saingy be volo be izy ireo ka tsy hitako ny masony ka noheveriko ho alika iray ihany no mihazakazaka. ( tahaka ny coton de tulear ireny izy saingy mivolontany fotsiny). Nangetaheta ireo alika ka niakatra kely teo ambony teo izy ireo ary nisotro rano nivoaka avy eo amin ny trano fidiovana iray.
Taorian izay dia tadidiko aho nandalo kosa indray avy ao anaty tomobilina mandalo lalana iray izay moderina tokoa. Ny avy teo ankavanako dia toerana fangalana solitany izany ary misy trano maitso izany ny tafony fametrahana ny vokatra. Toa hoe ilay Prussian hitako nandalo niaraka t@ I Tiana tany amin ilay restaurant iny hono no tompony sa miasa ao. Ary nisy nilaza tamiko tena manao azy tokoa izy ao amin io orinasa io f a hoe “he works for free but he makes money” hono.
Dia niroso ihany ny diako sy J.. . Nahita roplanina kely miloko volomboasary aho tetsy ambony ankavanana, akaiky tokoa ny fahita azy satria hitako ilay olona ni piloter azy manao satroka mafy entina mankany amin ny toerana fanaovantrano na lalana ireny. Hoy aho t@ J..hoe: toa tsy mihetsika izany roplanina etsy ambony izany no sady ambany be. Dia hoy izy tamiko hoe: “of course, it is not a plane, it is a crane”( ilay machine any amin ny construction mampiakatra sy mampidina entana mavesatra ireny dia misy olona ao anatiny ao mamily azy) , hay izy ity tsy hitako ilay tendabe ilay machine fa ilay olona nitingitingina tetsy ambony tanaty masinina no hitako. Ilay tendabe n ilay masinina dia nafenin ilay lalana mifampidipiditra etsy ambony ( lalana moderina misy lalana mifampitaingina ireny).
Nitohy ihany ny dia ary tapaka ny tsinaiko fa nahita rangahy fotsy hoditra aho nampiditra ny hazo nentiny tao anaty tomobilina. Nampidiriny avy ao aoriana ilay hazo feno ravinkazo ka ny fakankazo etsy aoriana ary mivoha ny malle arriere, ary ny lohankazo hila hanafina ny tarehin ilay mitondra azy no sady mandeha moramora ihany ny tomobiliny no mila ho dify ao anaty ravinkazo izy. Hoy aho t@ J..tamin ny nahita azy hoe: “ that is a Christmas tree guy” sady nilaza taminy aho hoe ho tapaka izao ny tsinain ilay vehivavy mitaingina moto io raha mahita azy fa hafahafa be izy.
Nony hitako anefa ilay nitaingina moto dia vao may tapaka ny tsinaiko fa ilay lehilahy nitondra mitodika any aloha mazava ho azy saingy ilay vehivavy nentina kosa mitodika aty aoriana. Nihomehy mafy dia mafy aho nahita ilay mpitaingina moto no nisy nanaitra ny maraina hoe: ndry..ary inona ity mampihomehy anao????
(nofy 6 Oktobra hifoha 7 Oktobra)
dailynews | 08 Aprily, 2007 03:18
Raha tsy nitsangana hono Kristy Jesoa dia ho foana ny finoantsika
Marina loatra izany.
Efa nandray io Atra velona izay naharesy ny fahafatesana io ve ianao? Raiso Izy fa tsy hanenina mandrakizay ianao. Ary hilaza ihany koa fa hitako ny lalantsara ka hizorako
Fa izao, na inona na inona ihany koa efa maty eo amin ny fiainanao dia tadidio fa Atra velona sy nitsangana t@ maty io Atry ny kristiana io ary afaka manome aina izay heverinao fa fahafatesana ihany koa izy eo amin ny fiainanao. Aza kivy mahereza fa Atra mahery Izy.
Ento eo Aminy izay zavatra lazain ny devoly fa efa maty eo amin ny fiainanao ary tsy misy azo atao intsony, fa laingany izany.
Maty ve hono ny fidirambolanao ? maty ve hono ny fitiavanareo mivady? Maty ve hono ny fifandraisan ny RAD sy zanaka? Maty ve hono ny fahasalamano ary tsy misy azo atao intsony? Maty ve hono ny ….
Tolory eo ampelatanany izany ary lazao Azy fa Atra Mahery sy Atra velona Izy ary afaka mamelona indray izay zavatra lazain ny fahavalo fa maty eo amin ny fiainanao.
Mahereza mivavaka.
Raha maty ny fidirambolanao dia lazao ny devoly fa Jesoa no hinoanao satria Izy nilaza t@ malalany fa: Deo28:5=> ho tahiana ny haronao sy ny vilia fanaova mofonao( ny asanao raha adika tsotra be, mbola misy ny TA hafa)
Raha misy ny fahafatesan ny fifankatiavana eo amin ny mpivady dia aza mino ny devoly fa tsy misy azo atao intsony ny amin izany( na dia efa tsy ao antrano intsony aza izy no mipetraka) fa nasain ny Tompo hifankatia ny mpivady Kolosiana 3: 18-19. Koa raha nasainy nifankatia ny mpivady anefa tsy misy intsony izany dia mangataha indray ary fitiavana avy amin ilay Atry ny fitiavana hitiavanao ny vadinao indray ary hitiavan ny vadinao anao indray ary ataovy isanandro izany mandra pahazonao ny valimbavaka, tsarovy hatrany fa hoy ny Teniny, raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo hoy Izy dia hataoko izany, koa tsy sitrapon Atra ve ny hifankatiavan ny mpivady e?? izay hinoana fa aza ny situation izay tahaka ny marina amin izao fotoana izao anefa azo hovaina tsara rehefa entina ambavaka satria mahery ny vavaka ary rehefa mino ianoa dia ho hitanao ny voninahitr'Atra araka ny nolazain ny TA. Ary rehefa mivaly ny vavaka dia aza adino ny misaotra an Atra sy mangataka hatrany an Atra hitahy ny tokantranonao sy ny fanambadianao. Tadidio foana fa ny TA marina noho ny situation.
Ny olombelona amin izao fotoana izao dia malaina ny hivavaka ka raha misy ny situation tsy mety dia ny situation no hinoany kokoa noho ny herin ny vavaka koa dia aleony maka ny hevitra mora indrindra dia ny hoe efa tsy mety intsony io koa ny misaraka no mety sns…. Satria tsy hainy ny nofony ny mamelona ilay fitiavana dia heveriny fa izay no farany...tsia tsy farany izany raha entinao ambavaka io…fa Atra lehibe noho ny situation ny olombelona izy koa raha tsy haiko izany tsy azoko mesurer-na amin ny tsy fahaizako mihitsy Atra. Atra mahay manao ny zavatra rehetra Izy ary izay no mila hinoako. Afaka mamadika ambony ambany ny fiainanao Izy saingy miandry anao kosa hanokatra ny vavanao @ alalan ny vavaka; tahaka ny nolazainy t@ ilay jamba hoe: inona hoy Izy no tiako hatao aminao?
Mahereza kosa anefa mivavaka sy manao ny sitrapon Atra ary averina foana fa ny vavaky ny marina dia mahery indrindra hoy ny baiboly.
Maty ve ny fahasalamanao ary tsy misy azo atao intsony hoy ny dokotera? Mety marina tokoa izany raha hijery ny ara nofo fotsiny ihany. Fa izao ilay Atr’ I Jakoba sy Abrahama anie hono Atra Rafa( Eks 15) no anarany e. Izany hoe Atra mpanasitrana ary Jesoa ireo dian kapoka teo aminy hono no nanasitranana antsika. Noho izany dia afaka manao zavatra tys takatry ny saina Izy……
Velona Jesoa ary resy ny fahafatesana. Tonony sy tsofy rano ny fiainanao manokana @ anaran I Jesoa fa velona ao amin ny fidirambolanao Jesoa ary maty ny fahafatesana rehetra. Velona ao amin ny fanambadianao Jesoa ary maty izay mety ho endrika fahafatesana rehetra. Sns……mahereza ary manaova pasaka mamy be daholo.
Tsy sokola na akanjo vaovao sy sakafo mafilotra ihany ny andro pasaka na andro fialantsasatra any Antsirabe… fa zavatra sarobidy loatra ihany koa.
Hohano ny sokola sy anaovy ny akanjo vaovao dia mandehana manao fety any antsirabe… .. fa aza adino ihany koa fa andron I Jesoa io ary zava dehibe tokoa amin ny fiainan ny zanak ’olombelona rehetra.dailynews | 05 Aprily, 2007 01:50
dailynews | 10 Martsa, 2007 15:50
dailynews | 01 Martsa, 2007 00:48
Ny vavaka izay mazava ho azy fa resaka hifanaovana @ Atra dia zava dehibe indrindra eo amin ny fianana kristiana satria dia azo lazaina fa io no ain ny ny fianana kristiana iray noho ny fifaneraserany @ Atra. Ny kristiana mivavaka no zavatra atahoran ny devoly indrindra satria fantany fa ao anatin ny vavaka no hery ananan ny kristiana iray. Ary tsy mahagaga fa ny vavaka no zavatra attaquer-ny devoly voalohany indrindra hiala @ fianan ny kristiana iray aloha, ny fisehon ny fahalainana manao ny sitrapon Atra aty aoriana dia efa vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisian ny vavaka fotsiny ihany sisa. Ny fidirana ampiangonana sy ny maha membre amin ny antoko isankarazany ao ampiangonana dia tsy mampaninona azy mihitsy rehefa mbola atao routine, fa rehefa manomboka hivavaka sy hanao serieux izany zavatra izany ny olona iray no matahotra izy ary ataony izay hialan ilay olona amin io fa manembatsembana ny fanjakany izany satria ny olonmbavaka ihany no afaka ny hamotika ny asa ratsiny rehetra, sy afaka manova izay planina rehetra napetrany hamotehana ny fiainan ny olona iray noho ny vavaka izay ataony. Ny fiasan ny fivavaky ny marina hoy ny Tompo no mahery indrindra.
Saingy ny mila tsaroana dia tsy hoe fangatahana fotsiny ihany ny vavaka fa tafiditra ao ny fanomezamboninahitra an Atra, ny fifonana, ny fisaorana, ny fivavahana ho an ny hafa, ny fangatahana, ny fametrahana ny fiainana rehetra eo ampelatanan Atra…. ary ny famaranana ny vavaka @ alalan ny hoe “ @ anaran I Jesoa, amena”.
Tsy formule ihany koa ity vavaka izay zaraiko ity fa kosa mba hahafantarana kely hoe inona no mitranga anaty vavaka satria dia rehefa miresaka amin ny olona eny dia mahare foana hoe: fa inona kay no atao anaty vavaka e, tsy hitako mihitsy izay lazaina.
(tohiny)« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |