dailynews.blaogy

ilay cousine ko ( nofy faha 3)

dailynews | 27 Oktobra, 2006 16:34

Niaraka t@ fianakaviana lavitra sy nisakafo teo ambony latabatra aho ary tsaroako fa nisy ny resaka hoe fifidianan izay ho vadin I dadatoa? (hmm)  nisy ilay ramatoa iray izay hoe efa nisaraka taminy angaha, ary nisy ilay vehivavy iray iray hoe miaraka aminy izao.  Natao ary ny fifidianana ary tsaroako fa izaho dia nifidy ilay hoe efa nisaraka taminy satria iny no efa niaraka taminy ela h@ izay fa ity vaovao ity dia mpangalatra fitiavana fotsiny ihany.  Tadidiko  ary aho anisan ireo nanagatanana hifidy an I M.. satria izy no efa taaloha .  Nampihomehy fa tadidiko ihany ko ny tanan Ilay hoe dadatoa fa nitsangana ary hitako hono ny sandriny ary t@ izaho nijery izany dia tahaka ny nahita ny sandrin I Kevin Spacey tao amin ny film American beauty aho t@ izy nanontany ilay vehivavy iray iny hoe “do you like muscles?”

Vita ary ny fifidianana ary tsaroako fa ilay efa ela niaraka taminy no nandresy ary hoe iny izany no mahazo vadiny sy miray fandriana aminy. Dia tsaroako izahay fa niala teo amin ny latabatra ary nisy seza lavabe teo akaiky teo tahaka ireny seza any amin ny seranampiaramanidina ireny ary tsaroako nipetrapetraka teo izahay.

 

Tapaka ny hevitray ary fa handeha hijery sinema, Tadidiko t@ izay fa ny cousine ko izay mbola tsy manana zanaka dia niaraka t@ zazavavikely vazaha tokony ho eo amin ny roa taona eo, manao akanjo voninkazo mavo kely sy maitso kely ary hoe zanany hono izy io. Anefa dia ny reniny maintimainty tsara. Vazaha angaha ny dadany? 

Nony tonga tao amin ny fidirana anefa teo amin ilay sinema dia tadidiko fa efa nijery film sahady ireo niaraka tamiko sasany teo ami ny toerana fidirana sy fipetrapetrahana((lobby). Nipetraka t@ banc izay ry zareo teo anoloana television antintrantitra izay anefa dia ngeza tokoa ary nanasa ahy hipetraka. Hoy aho t@ izy ireo“eto ve no hijery cinema? Television ange io jerenareo io e, tsy aleoko mijery sinema any ambony!”

Tsy nisy nihetsika anefa ry zareo ka lasa aho niakatra tany ambony. Hitako ilay cousine ko sy ny zanany teo alohako teo ary niara niakatra izahay. Nony avy eo anefa dia hitako nipetraka teo amin ny ankavanana ny efitra hidirana ery ambony izy ireo ary nanasa ahy hipetraka , anefa ihany koa toa mbola nisy namako nipetraka tetsy ambany kelinay ka hoy aho hoe ho avy eny aho. Ary dia tsaroako fa tsy nandalo nihodidina ny seza intsony aho fa tonga dia nitsambikina avy teo amin ny seza ary tonga teo amin ny seza testy ambany nipetrahan izy ireo.

 

Tsaroako taorian io fa teny ambony terrasse indray izaho sy ilay cousine ko io ihany. Tahaka ny hoe eny ambonin ireo ny trano avo  ireny eo amin ny 5e etage eo angamba ilay trano ary izahay eny antendrony. Ny teo ambaninay dia toerana filalaovana baolina tsy haiko na kitra na inona fa tadidiko fa nisy ny harato. Ary nisy tomobilina fanapahambozaka tao anatin ilay toerana. Niasa tsara tokoa ilay tomobilina mpanapa bozaka saingy nisy faritra iray tsy nenty tapaka mihitsy ilay bozaka fa dia lava tokoa ary azo hiafenana mihitsy raha ny fijery azy. Niezaka ilay fiara fa e, e, e…hitako ary taorian izany fa nanidina ilay fiara, ary nanao izay zakany hanalana ilay bozaka fa tsy nety niala mihitsy ilay izy. Ny manodidina rehetra dia maitso mavana daholo, hafa tsy ilay bozaka izay tsy mety miala dia efa mavo tahaka ireny bozaka lava be maina ireny. Variana ihany koa aneaf aho nijery ilay fiara ka hoy aho hoe: “hay ve efa manidina izao ny tomobilina e.”

Dia varian teo izaho sy ilay cousine ko, tsitapitapitrizay anefa dia nitomany izy, nifokofoko. Tsaroako aho nijery azy tsara t@ izay, nanao pataloha mena sy ambony mainty izy ary ny volony dia nafatony .

Nanontaniako ny anton izay hitomaniany izy ary nilaza fa tsy mamaly ny tts ny intsony ilay malalany. Efa h@ desambra hoy izy izy no tsy nanoratra.  Tsaroako fa na dia vao omaly aza io nofy io dia tadidiko tanaty nofiko fa volana avrily izahay. Ka hoy aho taminy: efa volana avrily anie aky izao e, raha tsy namaly ny tts nao h@ desambra izy dia midika izany fa efa tsy te hiaraka aminao intsony izy izay. ……

avy aiza ka ho aiza? ( mbola nofy ihany)

dailynews | 19 Oktobra, 2006 17:03

Tao an efitra iray nisy ankizy vitsivitsy izay teo ampiandrasana ny RAD izy ireo ho tonga haka azy.  Ny rindrina teo aloha dia fitaratra fotsiny ihany hany ka nampazava tokoa ny tara masoandro izay tafiditra tao an’efitra.

Tsaroako fa nisy ankizy vistivitsy teo anilako, ary tsaroako fa anisan izy ireo  Isabella.

Nony nannontaniako anefa Isabella hoe iza no anaranao dia hoy izy tamiko hoe “ Annalla”. Nampakariko teo ampofoako izy ary ny zava tsaroako t@ izany dia niha navesatra  ny lanjany. Zipo mainty kely sy t-shirt fotsy no nanaovany. Hitako fa efa niha lehibe izy ary hitako fa nahazo taona kokoa noho  ny tamin ny hitako farany izy. Mihendrika ho zazavavy kely  eo amin ny faha -7 taonany  izy izao.

 

Tsaroako fa niandry ireo RAD ireo ankizy vitsivitsy ireo aho.  Tsapako fa fantatro daholo ireo olona ireo na dia tsy hitako aza ny endriky izy ireo hafa tsy Isabella. Hitako ireo RAD sasany izay efa tao anatin’ilay efitra miendrika aloka manga atitra ary ny sasany aloka mainty fa ny tarehin izy ireo dia tsy misy hitako. Ny zavatra tsaroako dia tahaka ireny manao akanjo manga fanaovan ny mpanamboatra tomobilina ireny izy ireo.

 

Tsitapitapitr izay dia tafavoaka teny ivelany aho ary nahita an I Sarah izay nizotra nanatona ahy. Toa niresaka kely angaha izahay. Tsaroako ihany koa fa tery ampita dia nahita an I Shironda aho. Nanao akanjo mivolotany sy mitsipika mena izy. . Nampitandrina ahy izy fa “ spy” ( mpitsikilo ) hono I Sarah. Hitany hono izy nisava ny toerana fametrahan ny tsirairay entana androany ( locker room)

 

Tsaroako ihany koa fa handeha hody aho sa handeha amin ny toerana iray izay efa fantatro tsara. Nitondra tomobilina 4x4 fotsy efa antitra izany aho. Tsaroako nilahatra teo anoloako hazo telo izay nanamarika fa teo no hiviliana any antrano. Saingy nony nivily aho dia tsaroako fa diso lalana na dia fantatro mazava tsara aza ireo hazo ireo. Ny trano izya hitako dia tsy ny nomerao ny tranoko izay tokony halehako fa nomerao hafa mihitsy, ary tsy izany hany fa numerao karazany roa no teo amin ilay trano, ny iray 416 ary ny iray 202. Hoy aho anakampo iza amin izy ireo ary no tena izy?

 

Taorian izay dia tsaroako fa niaraka indray kosa t@ anadahiko aho hitady ny tranoko. Ny nahavariana ahy dia tunnel daholo ny lalana rehetra naleha , tunnel fotsy antitra mitovy ami ny lokon ilay 4x4. Tsaroako fa dia nazava  tahaka ny fahazava ny masoandro tao amin ilay tunnel. Tahaka ny bus na train izany no nandehananay, ary ny lalana ihany koa dia toa sady lalana train no lalana tomobilina. Gaga aho fa nahita olona vitsivitsy handeha hiampita lalana ary hoy aho anakampo hoe hay tafiditra hatraty koa ny olona?

Niandry azy ireo hiampita ny anadahiko ary nilaza tamiko fa handeha ihany koa izy hanatsotsotra ny tongony fa reraka.

Nisy rano tanaty dobo izay lava no sady mahitsy zoro.  Ary nisy toy ny tetezana vita amin ny hazo kely nanapaka ilay dobo. Hoy ny andahiko hoe handeha hisoty eo ambonin io rano io hono izy fa tsy handalo ilay tetezana. Ary variana aho fa nony nisoty izy dia nipaika kely tamin ilay rano ny tongony ilany anefa tsy nistoboka tao anaty rano akory dia ny tongony ilany kosa nihezaka hijanona tetsy ampita, tsy tratrany anefa izany ka dia nianjera testy ambany izy.  Tsaroako fa mbola nisy rano ihany koa tetsy ambany ary tahaka ny dobo filomanosana ihany koa ilay izy ary marivo. Tsaroako fa taila fotsy antitra ny taila teo no sady misosa mandeha tahaka ny hoe renirano izany ny rano tao anatiny.

Gaga anefa aho fa hay ny akanjon ny vadiko no nanaovan ilay andahiko izay tsy tafihetsika tao anaty rano nony nianjera tao.

Toa safotra sa renoka natory ny fahitako azy. Hiondanany ny tanany ilany ary ny tongony ilany ihany koa dia miakatra anefa ny faladiany mipetraka aminny tany ihany. Tsy nahatsiaro tena izy t@ izay.

Ireo nofiko matory

dailynews | 14 Oktobra, 2006 22:32

Mihevitra aho ny hampiasa ity blaogy ity handrakitra an-tahiry ireo nofiko maro dia maro isankalina izay tsy mitsahatra.

koa mba tsy hanadinoana izany intsony dia ho raketiko eto manomboka izao ireo tantara. Mety tsy hazava na amin iza na amin iza ireo nofy satria tsy ny hitantara tantara no antony fa kosa hiraketana ireo nofiko nandalo.

Koa raha misy olona mamaky eto ka tsy mahazo izay dikany na mahita fa  tsy mitombonma ilay tantara dia aza gaga akory satria dia nofiko fotsiny ihany ireo no raketiko eto. Tsy azoko hovaina ary tsy azoko ampiana.

 

 (tohiny)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb