dailynews | 12 Desambra, 2006 01:22
Misy mantsy aoka tsorina fa dia olona nianatra teolojia dia nahavita fianarana dia nitondra fiangonana….ampy ve izay? Sao dia olona mbola tsy zanak Atra ary tsy voahosotry ny Fanahy masina akory no mitondra fiangonana??? ….sao dia izany no mahatonga ny fiangonana sasany ho tsy mety mahita mihitsy ny voninahitr’Atra fa dia isaky ny miditra ao dia tahaka ny nidirana tao ihany no hivoahana ao, ny mpiangona miha reraka ihany ary tsy dia mino loatra intsony na tsy mino akory aza fa Atra io anie ka mbola manasitrana h@ izao, mbola mamaly vavaka, ary ny fitorian any filazantsara anie ka miompana @ fitondrana olona ho any andanitra fa tsy fitondrana olona ho ao ampiangonana….??? Jereo raha tsy miresaka mihitsy ny atao hoe famonjena ny mpitondra fivavahana ary tsy mba misy mihitsy ny hoe olona manolotena ary tsy resahina akory izany. ..sao dia na ny mpitondra ilay fiangoanna aza tsy nanolo tena akory? Fa raha nanolo tena ho an Atra izy dia ho niresaka bebe kokoa ny maha zava dehibe ny hitondrana olona ho any andanitra, hiresaka bebe kokoa ny famonjena ny fanahy ihany koa. Raha tsy miresaka izany ny mpitondra fiangonana misy anao dia andana manampy sakafo any ivelany hanatanjahana ny fanahinao @ alalan ny fianarana baiboly. Ary rehefa mantanjaka dia ento ambavaka ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana misy anao ary fohazo ihany koa ny olona ao.
Efa maty ny havako ary entiko ambavaka ny fanahiny mba ho any andanitra izy(doctrine ny purgatoire na ny afo fandiovana) . Tonga any andanitra tokoa ve izy eny fa na dia tsy nandray an I Jesoa taty ambonin ny tany aza? Misy lalana hafa ve?
Ny fandraisana an I Jesoa ihany ve no hahatongavana any andanitra? Ahoana ny finoana hafa ankoatra ny finoana kristiana?
Ny finoana hindoisma dia mino fa ny finoana rehetra rehefa tena arahina @ fo sy ny saina manontolo dia mitondra ny olona iray any @ Atra.
Saingy hatrany, raha mino ny baiboly ny olona iray ary mino fa ilay Atra I Abrahama sy Jakoba ary Isaka no namorona izao tontolo izao izay nametraka ny anaran I Jesoa ho ambon ny ny anarana rehetra dia tokony hahafantatra fa diso izany hoe ny religions rehetra izany dia mitondra ho any andanitra. Laingan ny devoly izany. Fa mampiasa olona na religions karazany maro izy hanodikodinana ny saina sy ny fo ary ny fanahin ny olona mba tsy hahita ny fahamarinana ny olona iray. Mitondra lalana hafa mihitsy izany ny religions hafa eto ankoatra an I Jesoa. Averina ihany fa Jesoa irery ihany no lalana sy fahamarianna ary fiainana ary tsy misy mankany @ Ray raha tsy @ alalany.( Jao 14:6)
Izany no tsy hitiavan ny olona ny kristiana satria hoe tsy mba mi compromettre mihitsy fa ny azy ihany no heveriny ho marina. Mitandrema fa @ izao andro farany izao dia betsaka no ho voarebirebin ny fampianarana tahaka izany. Tsy ni compromettre mihitsy I Jesoa fa nazava ny zavatra nolazainy fa Izy ihany no lalana hidirana any andanitra.
Na fampianarana inona izany mitory fitiavana (izay tsy misy maharatsy azy mihitsy), mitory fandriapahalemana, mitory fandeferana, mitory fomba fiainana andavanandro tena raitra mihitsy ary tsy misy maharatsy azy.. anefa rehefa tsy I Jesoa no andrandrainy fa anaran olonkafa, na anaran olonkafa miampy an I Jesoa dia ialao. I Jesoa dia tsy nizara ny voninahiny t@ olona na andriamanitra hafa( Isa 42:8). Izy irery ihany no lalana.
Tsy ny mahatsara fanahy na maha olompirenena tena hendry sy maha mendrik’haja eo @ mpiaramonina no hidirana any andanitra,( izay tsara mihitsy ary tokony hotohizana) fa rehefa tsy nandray an I Jesoa ihany koa izany olona izany dia tsy manana anjara @ fanjakan Atra izy.
Efa nateraka indray ny olona iray. Ary efa voasoratra ao @ bokin ny fiainana ny anarany. Tsy maintsy ho tonga any andanitra ve io olona io na inona na inona fiainany taorian izany?
Ny fahaterahana indray na ny fandraisana an I Jesoa no lalana hidirana any andanitra. Anefa kosa raha io olona izay efa nateraka indray io na kristiana io no NINIA niverindalana ary nanda ny famonjena indray dia voafafa ao @ bokin’ ny fiainana ny anarany. Mila maharesy izany izy, midika izany fa misy ny ady (fakampanahy, fiainana andavanadro sns..) mandrapahatonga any andanitra, fa mila kosa maharesy.
=>Apok 3:5 Izay maharesy dia tsy ho voafafa avy ao anaty boky ny fiainana intsony ny anarany.
Jereo ilay zanaka adala na dia efa zanaka tao antrano aza izy dia mbola nisafidy indray ny hanao ny fomba ratsy rehetra. Raha toa izy ka tsy niverina dia tany anaty fahafatesana tany ihany nandritra ny androm piainany manontolo ary maty tsy teo akaikin ny rainy. Ilay rainy dia niandry azy hiverina ary niandry foana. Azy ny safidy na hiverina izy na tsy hiverina. Koa raha toa ka tsy niverina izy na dia efa zanaka tao antrano aza dia very tany @ nalehany tany. Soa ihany anefa izy fa niverina. Io tantara io dia tahaka ny zanak Atra ihany izay niverindalana ihany. Na dia efa zanaka ao antrano aza satria lasa zaza natsangana noho ny fandraisana an I Jesoa Kristy, anefa dia lasa indray niala ny lalan ny famonjena ka maty tao anatin izany karazampiainana izany fa tsy niverina t@ ilay Rainy, dia maty izany izy tanaty fahafatesana tsy teo akaiky ny Rainy fa izay no safidiny, nanda ny famonjena izy.
Misy ihany koa ireo olona izay t@ vao nandray an I Jesoa dia niredareda ny fitiavany Azy, saingy nony nandeha ny andro sy ny volana sy ny fotoana dia tsy tahaka iny fitiavany ny Tompo t@ voalohany iny intsony ny fitiavany fa niha nangatsiaka( ary rehefa mangatsiaka dia aloan ny vavan ny Tompo Apok 3; 15). Mila miverina @ fitiavana voalohany izy raha tsy izany dia halan I Jesoa ny jirony.
Apok 2:4-5=> kanefa mananteny aminao Aho, satria efa niala t@ fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao t@ tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovanjironao hiala @ fitoerany raha tsy mibebaka ianao.
Nisy ireo izany efa nanala demonia t@ anaran ny Tompo anefa noalazainy Tompo hoe tsy fantatro akory ianao taty aoriana. Inona no mahatonga izany? (Matio 7:22)
Ny olona izay efa voasoratra any andanitra ihany no mahavoaka demonia izany hoe ny olona izay efa nanolo tena ihany ka lasa zanak Atra ary vosoratra any andanitra ny anarany fa tsy ny olona rehetra. Tadidio ilay tantara hoe aza faly hoy I Jesoa fa niala ny demonia izay nalanareo fa mifalia kosa fa voasoratra any andanitra ny anaranareo.( Lio 10: 20) Anefa naninona eto no nolazain I Jesoa fa tsy fantany akory ireo olona ireo? Ny antony dia tsy nanao intsony ny sitrapon Atra izy ireo (Matio 7:21) no sady tsy naharitra h@ farany t@ fiarahana t@ Tompo. Izay maharitra h@ farany no ho vonjena. (Mar 13:13)
Marina loatra ny tenin ny Tompo milaza fa tsy misy maharombaka izay eo ampelatanany. Saingy io olona io kosa ve nijanona teo ampelatanany sa nisafidy ny niala teo ka nandeha irery ary nisafidy ny tsy hiverina?
Misy fomba hilazana azy maro. Nandray ny famonjena, nanolo tena ho an ny Tompo, converti, born again, nandray ny salvation, nandray ny salut, nandray ny famonjena, kristiana nibebaka, lasa zanak Atra, kristiana (ilay tena krsitiana araka ny baiboly fa tsy manaraka fombafomba fotsiny)
Ny teraka indray dia ny olona iray izay nateraky ny rano sy ny fanahy. Naterak Atra fa tsy nateraky ny nofo. ( Jao 1:13- Jao 3:5)
Vavaka tsotra nefa vavaka avy @ fo ary tononiko @ vava.
Rom 10: 9=> satria raha manaiky an I Jesoa Tompo @ vavanao ianao ary mino @ fonao fa Atra efa nanangana Azy t@ maty dia hovonjena ianao.
=> That if you confess with your mouth, Jesus is Lord, and believe that God raised Him from the dead, you will be saved.
Tsy haiko hoe maninona no tsy maintsy tononina @ vava fa raha izay no vosoratra dia ataovy, tsy sarotra angamba izany.
- Miaky fa mpanota ary mifona noho izany ary vonona ny hibebaka, izany hoe hiala @ ratsy fanaoko.( efa samy nanota daholo raha mbola olombelona ka tsy misy mendrika ny fanjakan Atra na iray aza fa mendrika fahafatesana daholo raha tsy teo Jesoa - Rom 6: 23, Rom 3:23)
- Miaky fa Jesoa dia maty sy nitsangana ka nisolo ahy t@ fahotako.
- Miaky fa manomboka androany ( tadidio ny daty) dia tsy izaho intsony no tompo ny fiainako fa I Jesoa, ary tsy izay tiako intsony no ataoko fa izay tiany.
- Manolotra ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko sy ny amiko rehetra ho an I Jesoa.
Farano @ anaran I Jesoa sy Amena ny vavaka.
Vavaka tsotra tokoa anefa dia vavaka manova ny eternite ny olona iray. Taloha izy nihazakazaka ho any @ afobe, izao kosa izy dia mizotra ho any andanitra.
Tsy hita maso izany saingy ny fotoana hanaovana izany vavaka izany no hahafaly ny anjely rehetra any andanitra ary hanoratany ny anaran ilay olona izay nanao fanapahankevitra tao @ bokin y fiainana. ( misy TA milaza io saingy tsy tadidiko hoe aiza)
Misy ny zaza taiza ary misy ny zanaka antrano izay zanaka ara biolojika.
Na samy tao antrano aza( tao ampiangonana) ny zaza taiza dia tsy handova raha tsy natsangana. Ny fotoana iray hanekeny ny fananganana azy ho tena zanaka no hanoratana ny anarany ao @ bokimpianakaviana. Ny fotoana iray ihany koa haneken ny olona iray an I Jesoa no hanoratana ny anarany ao @ bokin ny fiainana.
Ary rehefa lasa tena zanaka, vao afaka ny handova sy afaka ny hiantso malalaka hoe dada, aba Ray.
Tsy gaga ihany ve ianao indraindray mivavaka foana hoe Atra Ray o..mangataka aho ataovy izao ataovy izao sns..anefa tsy mety mivaly mihitsy ilay vavaka anefa Izy milaza fa mamaly vavaka?? Sao kosa ary io Atra natsoina hoe Ray io mbola tsy Rainao akory???
Tohiny manaraka dia ny hoe rehefa avy teraka indray inona no tokony hatao manaraka.
dailynews | 24 Novambra, 2006 02:52
Misy tokoa ny fiangonana izay mankasitraka io fomba fiainana io, ary tsy mahagaga izany satria efa aty @ andro farany isika. Tsy tokony hahavery hevitra ny kristiana izay mijoro anefa izany satria dia efa mazava be izao fa fampianarandiso ary tsy mifanaraka @ tenin Atra akory.
I Jesoa no lohan ny fiangonana donc Jesoa no jerena fa tsy ny mpitondra fiangonana na ny olona vitsivitsy izay nivadika t@ Atra ka namorona fiangonana izay mitovy fomba fihevitra amin izy ireo fa tsy mitovy fomba fihevitra amin ny soratra masina.Atra dia fitiavana ary mamindra fo tokoa, ary maro no manontany hoe fa maninona io ATra be famindram-po sy fitiavana io no mitsara sy mandringana( tahaka an I sodoma sy gomora, tahaka ny fisian ny afobe, tahaka ny resaka tondradrano sns…). Atryny fitiavana sy ny famindramo tokoa Izy, eny, saingy Izy ihany koa hoy ny soratra masina dia Atra MASINA sy MARINA. Ny fitiavany dia nasehony t@ nanomezany ny zanany lahy tokana ho faty hisolo ny fahotan ny olombelona. Fa raha kosa ny olombelona tsy manaiky izany fanomezany izany, tsy manaiky izany fitiavany izany noho ny fahotana tsy hifonana sy ny fahotana ankasitrahana isankarazany izay efa ampitandremany ombieny ombieny dia hianjera eo ambanin ny fitsaran Atra ny olona izay mandika izany noho ny maha masina sy marina Azy ihany koa.
Koa noho izany ny tolerance amin ny resaka homo dia tys azon ny kristiana iray atao noho ny maha masina an Atra.
Ny tolerance sy ny fitiavana dia mivavaka sy milaza izay diso ampitiavana ataony olona manana io fiainana io anefa kosa tsy milatsaka manaraka na mankasitraka izany fomba fiainana maloto eo anatrehan Atra izany.
dailynews | 22 Novambra, 2006 02:46
Nofiko fa tany Egypta aho. Niaraka t@ olona vitsivitsy tahaka ny mpitsangatsangana sa delegasiona angaha.
Tonga tany ambony rihan irony trano avo dia avo irony izahay , tany @ faha 40 ny rihana angamba. Niala teo @ ireo namako aho ary nijery ny teo ivelany avy amin ilay rindrina fitaratra. Nahatazana ny rehetra teny ampita aho t@ izany ary dia variana tokoa. Hitako fa nisy trano avo be ihany koa teo ampita ary tsaroako fa trano manao patte d’elephant ny endrik’ ilay izy( raha tsy diso aho toa misy trano tahaka izay eo anosy).
Hitako avy ety ambony fa nisy liona roa miloko varahina haingon tanana tetsy ambany. Raha jerena avy ety ambony avy eo @ nisy ahy ny haben ilay liona dia tahaka ny mitovy habe @ alika matory eo akaikiko kely eo. Anefa izany dia tena lavitra be ery ambany ery mihitsy… midika izany fa dia tena ngeza be tokoa ireo liona varahina roa no sady midadasika mameno ny tanana. Tahaka ny habeny ranon anosy angamba ny haben ilay liona iray.
Natopiko ihany koa ny masoko teo ankavanako ary ny lalana dia tahaka ireny @ digue ireny, misy rano etsy anila. Tadidiko fa miloko turquoise manopy maitso izany ny ilay rano.
Tetsy ambany kosa dia nisy olona namoaka biby buffalo maro be . Niakanjo mavo ilay rangahy ary nisatroka ihany koa. Tahak aireny akanjo fotsy ny miaramila rehefa manao fety ireny ny akanjony, misy bokotra efatra eo aloha. Nitana saina mena izy ary nisatroka mavo, moa va tsy tahaka ny satrok ireny mpanao majika ireny saingy mavo fotsiny ny lokony.
Nanokatra varavaran ilay trano mavo teo ankavanana izy ary nihazakazaka nivoaka ireo buffalo maro be. Ilay ranamana moa dia tahaka ireny torero ireny no fijery azy. Tsaroako fa ny iray t@ ireo buffalo dia nisy lefona nitsatoka teo amin ny lohany, mbola velona anefa izy ary nihazakazaka. Ireo buffalo namany kosa dia tsy voloina fa nalama dia nalama ny hodiny ary mainty manompy volondavenona ny hodiny, moa ve tsy tahaka ireny trondro tsy misy kirany ireny ( catfish indrindra indrindra).
Niala teo @ ilay rindrimpitaratra ary aho ary nandeha namonjy ireo namako tany anatiny. Indreo hitako fa nisy olona vitsivitsy niresaka teo . Nanatona ny rahavaviko aho satria teo ihany koa izy ary nipetraka teo akaikiny, ary tadidiko fa nahita vehivavy aho tetsy ampita nipetraka nanao zipo mavokely karokaro misy tsipika mainty manapaka, nanao solomaso ilay vehivavy ary tsaroako fa natevina tokoa izany solomasony izany. Dia hoy aho taminy: “ ianao angamba Malagasy o? toa tahaka ny Malagasy izany ianao.” Dia hoy ny navaliny hoe:” ie, malagasy aho ary miasa ato amin ny U.N (United Nations)
Nony tafavoaka tao ary aho dia nahita saka kely tany ivelany, mavo ny lokony; nandalo tao antsaiko t@ izay fa avo loatra ilay trano ary tsy tafiditra any anatiny izy na dia noana aza. Nalahelo ilay saka aho ka niantso azy: “ Miao, miao, miao ..” nihazakazaka hanantona ahy ilay saka anefa dia iny fa nisy kamiao ngeza be ( rigs) tokoa nanapaka. Mitovy amin ny lokon ilay rano ihany koa ny lokon ilay kamiao. Turquoise manopy maitso ihany koa Hitako fa nitsambikina teo @ par a choc ilay saka kely ka tsy naninona. Ouf….. nony avy eo dia hitako izy niala teo @ ilay par a choc ary nivadika testy anilan’ilay kamiao na dia mbola teo amin ilay kamiao ihany aza, ary nandehandeha teo…tsaroako anefa fa mbola nandeha ilay kamiao t@ izay.dailynews | 15 Novambra, 2006 00:58
Raha ny tantara n’i Sodoma sy Gomora dia efa nahitana sahady ny tsy fankasitrahan Atra ny resaka fifanambadiana na firaisan ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy, satria dia nofongariny tanteraka tokoa izany tanana izany noho ny fahotana mamoafady tao amin io tanana io. Manampy trotraka izany ihany koa ny teny izay voasoratra ao @ Romana 1: 26-27 “Izany no nanolonan’Atra azy ho amin ny filandratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ho amin ny izay tsy fanaony. Ary tahaka izany ihany koa ny lehilahy fa namela ny fanao t@ vehivavy izy ka maimay t@ fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany” ary raha jerena ny teny anglisy izay mbola manazava kokoa “ Because of this , God gave them over to shameful lusts. Even their women exchanged natural relations for unnatural ones. In the same way the men also abandoned natural relations with women and were inflamed with lust for one another. Men committed indecent acts with other men, and received in themselves the due penalty for their perversion”
Tsy ireo olona izay manao izany ihany fotsiny ihany koa anefa no tsy sitrak’Atra fa izay rehetra ihany koa mankasitraka izany. Midina Romana 1:32. “..dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen Atra fa izay manao izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa ny mankasitraka ny manao koa” adika indray “ Although they know God’s righteous decree that those who so such things deserve death, they not only continue to do these very things but also approve of those who practice them”
Ny amin io aloha izany dia tsy ampiako intsony hoe mety ve io karazana fitondrantena io sa tsy mety. Ny tenin Atra dia nahalaza azy.
Fa ny fanontaniana mipetraka tamiko dia hoe ahoana kosa ary ireo olona izay tsy nisafidy malalaka io lalampiainana io fa kosa efa teraka tao anatiny t@ izy mbola fahazaza ny fironana amin ny olona mitovy sexe aminy? Diso ary ve izy ireo? Tsy fanahy iniany anie.
Na dia fantatro tao ampoko aza fa fahotana ny manao izany na inona na inona no antony dia tsy haiko kosa ny valin’io fanontaniana eo ambony io. Ary nampanotany tena ahy hoe, mila voatsiary ve izany Atra no manontany zavatra avo loatra sy tsy takatra tahaka izany ho an ireo izay tsy manantsiny akory. Ahoana no maha fahotana azy raha toa ka efa natioraly anaty tena ilay izy?
Nieritreritra io fanontaniana io nandritra ny fotoana maro aho ary nihanazava tsikelikely tamiko ny valiny rehefa nivavaka aho hanokafan’Atra ny masoko momba an io.
Voalohany indrindra dia hoy Izy hoe “ Izy no Atra tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay”, koa raha tsy miova izy izany dia midika izany fa raha fahotana t@ 2000 taona lasa dia mbola fahotana izy androany. Dia mbola fahotana izany io na hiodinkavia aho na hiodinkavanana ary tsy afaka miady varotra hoe, tsy tokony fahotana intsony satria anie ny taona iainako izao efa moderina ary ny gazety, ny tele, ny horonantsary sy ny ankamaroan ny olon amanodidina ahy dia miaiky fa tsy maninona io fomba fiainana io fa tsy tokony hanao tery saina aho. Fa ny mila tadidiko dia hoy ny Tompo hoe Izy no tsy miova…., koa raha te hanaraka io Tompo io aho izany dia mila mitovy fijery aminy aho izany eo anatrehan io ihany koa , eny fa na dia ny manodidina rehetra mihitsy aza no manohitra izany. Mampahatsiahy ahy ny nolazain ny pasiteranay ahy,. Raha toa ianao hoy izy kristiana anefa ny fomba fijerinao mitovy amin ny fomba fijerin Izao tontolo izao ary tsy misy mahasamihafa azy mihitsy dia mila mandinintena ianao izay hoy izy fa misy zavatra hafahafa ao.
Faharoan izany dia nampahatsiahivin ny Tompo ahy ihany koa ilay teniko hoe tsy fanahy iniany anie e, dia misy ny teny ao amin ny Hosea 4:6 hoe “ Ringana ny oloko noho ny tsy fisian ny fahalalana”. Dia resy lahatra aho hoe, tena ny tsy fahalalana marina tokoa moa izany .
Fahatelon izany ihany koa dia nampatsiahivin ny Tompo ahy fa matoa Izy mitaky zavatra amiko hataoko, dia misy izany ny lalana ahazoako mivoaka io zavatra takiany io. Koa raha nitaky izy fa tsy masina ary fahotana ny resaka “homo” dia misy foana izany lalana ahazoana miala amin io toe piainana io na dia hoe heveriko hoe natoraly aza. Dia hoy aho hoe: “ ngeza loatra Tompo ilay lalana ???” dia hoy ny Tompo hoe: “raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo hoy Izy dia hataoko izany. Koa inona no sitrapon ny Tompo? ..koa hoy aho hoe..hmmm…raha sitrapon ny Tompo izany ny hialana amin ny toetra na fianana tahaka io na dia hoe efa tao anatin ny tena h@ mbola kely aza dia afaka alany izany ary afaka sitraniny. Tahaka ny aretina ihany, na dia teraka niaraka t@ aretina aza ny olona iray..dia tsy ho sitranina ve satria efa hoe teraka niaraka t@ io izy raha fantatra hoe tsy mety ilay izy??? Afaka sitranina izany saingy ilay olona mihitsy mila manaiky fa diso io fomba fiainana io ary mila manantona ny Tompo izy ary mitaraina ny hanasaitranana azy.
Tahaka ny aretina, Hoy ny Teny hoe “ Ny diankapoka taminy no nahasitranana antsika”( Isaiahy 53:5)..afaka manasitrana io izany ny Tompo matoa Izy nilaza fa tsy mety io. Dia na inona na inona fitranganjavatra dia afaka manao izany Izy raha nangataka ny olombelona hanao izany. Fa dia ny atao dia tsy ny mandeha irery kosa hialana amin’ilay fomba fiainana, satria dia mino aho fa tsy herin olombelona na saina tsy mahala amin izany. Raha matanja tsaina be ny olona iray ka hafa miala amin izany dia arahaba soa arahaba tsara. Saingy matetika ny tranga dia tsy izay satria dia mino ihany koa aho fa resaka fanahy maloto, izay hantsoindry zareo anglisy hoe “perverse spirit” ao antin ilay olona izay mila alana satria dia milentika hatrany amin ny maha izy azy any mihitsy. Koa mila miresaka amin ny pasiterany izany io olona io na ny mpiandry ao ampiangonany ary mitsotra hoe izao no manjo ahy sns…
Dia raha afohezina anaty teny fohy izany ny fahitako azy , dia afaka manasitrana io fomba fiainana io Atra matoa Izy nitaky izany. Misy ny lalana izay nomeny hivoahana na efa noheverina fa natioraly aza izy io, satria dia tahaka ny aretina ihany. Na tsy manantsiny aza ve izay tratran ny aretina dia avela eo fotsiny fa tsy ho tsaboina rehefa fantatra fa tsy mety ilay izy satria hoe efa natioraly teraka tanaty tena:??
Miala mahafantatra anefa ary mila miaky fa tsy mety io ary hanomboka hanaiky kosa ny Tompo hanao ny asany. Ary ny mahafaly dia hoy ny Tompo hoe: Ny zavatra rehetra dia hain Atra atao” Matio 19: 26. Raha tsy haiko sy tsy takatry ny saiko ny fomba hivoahana amin izany toe piainana tsy ankasitraha ny Tompo izany satria hoy aho hoe efa lalina be ilay fakany any anatin ilay olona, tsy tokony mesurer ko amin ny tsy fahaizako ny Tompo. Na tendrombohitra aza hoy izy azoko hafindra raha misy ny finoana. Koa na efa tahaka ny tendrobohitra be aza ny famakan io fomba fiainana maloto io anatin ny olona iray io dia
Mino aho izao fa misy ny lalana hivoahana amin izany ary tsy mila voatsiary Atra fa manome lalana hivoahana tsara raha ni exiger izany Izy.
Asa raha mazava ihany ny ambarako fa na tsy mazava aza dia ny Tenin Atra fotsiny alaina fa iny marina foana. Ny zavatra voalazako voafetra ihany.
dailynews | 14 Novambra, 2006 16:37
Voasoratra fa hiofo
II kor 3:11=> fa raha ny nihalevona aza (lalanan i mosesy io, lalana voasoratra t@ vato- vakio manontolo ny teny raha tsy mahazo) aza nisy voninahitra, maika fa ny mitoetra.
Ny fifanekena vaovao
Maharitra : II kor 3:11
Mitovy amin ny lalan’Atra:
I kor 9:21 (DIO)=> t@ ireo tsy mahalala ny lalan I mosesy dia nanao tahaka ireo mahalala io lalana io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin ny lalan Atra aho fa MANOA NY LALAN I KRISTY.
Mampiseho ny fitrakan olombelona (fa tsy fahalavoana)
Rom7: 6(DIO)=>ankehitriny kosa dia afaka amin ny lalana isika, fa maty tamin izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an Atra fa tsy fomba tranainy araka ny lalana voasoratra.
Rom 8:3-4 (DIO)=>satria izay vitan ny lalan I mosesy, noho ny lalana nolemen ny maha olona mpanota, dia nontontosain Atra. Voahelok Atra ny fahotana tao amin ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny zanany, izay naka ny endriky ny maha olombelona hanaisotra ny fahotana. Notontosain Atra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takin ny lalana amintsika, dia iska izay mizotra tsara tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.
Mifaka amin ny finoana
Gal 3:24 ( jereo etsy ambony ny soratra masina)
Rom 3:22 => (DIO) fa ny finoana niainanni JK no haneken Atra ny olombelona ho marina; ary mankamin ny mpino rehetra izany staria tsy misy fanavakavahana intsony.
Rom 5:1-2(DIO)=> noho ny finoana dia tonga olomasina eo anatrehan Atra isika sady efa mihavana amin Atra amin ny alalan I JK Tompontsika.
Voasoratra amin ny fon ‘olombelona (fa tsy vato)
Heb 8:10(DIO)=> fa izao no fanekempihavanana hatoko amin ny vahoaka israley rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo. Hataoko ao antsainy ny lalako, ary ho soratako ao ampony. Ary ho Atr ‘ireo aho ary izy ho vahoakako.
Voasoratra fa haharitra mandrakizay ny fanekena vaovao
II kor 3:11=>eny fa raha izay nihelina izay aza nisy voninahitra dia vao maika ho henimboninahitra kokoa izay maharitra mandrakizay
Ireo no anisan ny mahasamihafa ny lalana taloha izany sy ny fifanekena vaovao na ny lalan I Kristy. Koa raha mandray ny Tompo ny mpino iray dia vita ihany koa ny asa fanarahana ny lalana izay voasoratra tamin ny andron i Mosesy rehetra satria dia efa ao amin ny Tompo Jesoa izany ary kosa ilaina ny mandeha araka ny finoana izay tarihin ny Fanahiny Masina fa tsy tarihin ny fombafomba ivelany na fihezahana amin ny alalan ny fanajana lalana.
Rom 8:4=> notontosain Atra izany mba ho tanteraka amintsika ny zavatra rehetra takian ny lalana amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.
Gal 5:18=> fa raha tarihin ny Fanahy ianareo dia tsy ambanin ny lalana.
Rom 7:6 => fa ankehitriny dia efa afaka amin ny lalana isika satria maty ny amin izay nihazona antsika ka dia manompo amin ny havaozampanahy fa tsy amin ny fahefantsoratra.
Rom 6:14=> tsy hanakery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany lalana fa eo ambany ny fahefan ny fahasoavana.
Koa foana ary ve izany ny lalana sy ny didy folo satria nisy ny fanekena vaovao?
Nony tonga Jesoa dia nifarana ny lalan I mosesy izany hoe ilay fanekena taloha, koa ny mpino izany dia tsy voafatotry izany lalana izany intsony fa kosa eo ambanin ‘ ilay atao hoe fahasoavana indray. => Rom 10:4(DIO)=> eny lany andro ny lalana nony tamy I kristy hahatonga ny mpino rehetra hoe olo-marina eo anatrehan Atra sy Jer 31: 31, Rom 6:1, Rom 7:6, Rom 6:14
Nilaza ihany koa anefa Izy fa:
Mat 5: 17=> Aza ataoanareo fa tonga Aho handrava ny lalana na ny mpaminany; tsy tonga aho Aho handrava fa hanatanteraka.
Romana 13:10=> Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana.
Marihina fa ity andinin tsoratra masina ity dia mifameno amin ireo rehetra eo ambony. Noho izany ny fananana an I Jesoa Krsity ho Tompo sy mpamonjy no fahatanterahana ny lalana ao amiko. Tsy mila miezaka amin ny fanatanterahana amin ny lalanan’i mosesy intsony aho fa kosa efa tanteraky ny Tompo teo amim ny hazo fijaliana izany.
Koa raha efa tanteraka ao amin ny Tompo ny lalana dia tsy maninona intsony aho izany raha manota?
Tsia, nanome lalana vaovao kosa I Jesoa Krsisty dia ny lalanan ny fitiavana ary ny fahatanterahana izany lalan ny fitiavana izany no fahanatrerahan ny lalana taloha. Io lalanampitiavana io izany dia mahafoaka ny lalana rehetra nosoratana taminy fifanekena taloha na didy folo io na lalan I mosesy izay miiisa 600 mahery ho an ny zanak Israely izay efa voalaza fa tsy haharitra, ary ho levona. (Miverena etsy ambony raha tsy mazava)
Jao 15: 12 = > Izao ny didiko, dia ny mba hifankatiavanareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka tanterakany fifalianareo.
Gal 5:14=> Fa tanteraka amin ny teny iray ihany ny lalana dia izao: tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Matio 22:35- 40=> Ary ny anakiray tamin ireo izay mpahay lalana nanontany naka fanahy azy ka nanoa hoe: mpampianatra o inona ny didy lehibe ao @ lalana? Dia hoy JK taminy: tiava an’i Jehovah Atrao @ fonao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra, izany no didy voalohany. Ary ny faharoa dia tiava ny namanao tajhaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonanan ny LALANA REHETRA SY NY MPAMINANY.
Averina indray fa ny lalana rehetra sy ny mpaminany izany dia voafehin io. Inona marina anefa izany hoe tia an Atra sy tia ny namana?
Ny lalanan ny fitiavana dia ny fitiavana no mandeha mialoha fa tsy ny fisehoana avy ety ivelany, na noho ny lalana mipetraka.
Satria tia ny namako tahaka ny tenako aho dia tsy hangalatra ny vadiny.
Satria tia aho dia tsy hamono an i ranona.
Satria tia aho dia tsy hijoro vavolombelona mandainga hiampanga ny namako.
Satria tia an Atra aho dia tsy hanompo sampy na hivavaka amin ny zavatra hafa.
Satria tia an Atra aho dia hivavaka sy hiresaka amin’Atra isanandro.
Satria tia an Atra aho dia hanana fotoana iray manokana anaty herinandro hivavahako Aminy miaraka amin ireo mpino hafa
Ny sabata dia fitsaharana.
Gen 2:1-3=> Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan Atra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra Izy tamin ny andro fahafito.
Nitsahatra Atra t@ andro fahafito nony hitany fa tsara ny zavatra vitany.
Jesoa ihany koa rehefa avy nahavita ny asany, ny mission ny teto ambonin ny tany ny Tompo Jesoa dia nitsahatra Izy tamin io andro fahafito io ary nifoha ny andro voalohany t@ herinandro.
Manampy izany ihany ny dikan ny teny hoe sabata dia fitsaharana araka ny teny hebreo. Ny hoe fito sy ny hoe sabata ary ny fitsaharana dia miainga amin ny fototeny mitovy rehefa dinihina akaiky.
Sheva, sheba=> fito( dia fototeny mifandray amin ny teny hoe saba: feno ary ihany koa shaba: fanekena)
Sabbath=> fitsaharana
(Marihina aloha fa izaho manokana dia tsy mahay teny hebreo fa kosa nindrana ny hevitry ny olona vitsivitsy nandinika ireo teny ireo avy amin ny teny hebreo nankany amin ny teny anglisy ka dia nandika ny dikany tsotra ho amin ny teny gasy ary ihany koa namindra izany eto amin ny hevitra tsotra sy fohy. Io hevitra ambony momba ny dikanteny io izany dia hevitr'olononkafa fa tsy hevitro fa nindramiko kosa hanohanana izay nosoratako)
Noho izany rehetra izany ny fototra hiaingana ny teny hoe sabata dia fitsaharana, fitsaharan ny asa. Nahavita ny asany Atra ary nahavita ny asany JK ary nitsahatra.
Ny sabata izany dia aloky ny fitsaharan ny asa sy ny hezakezaka rehetra izay ataontsika hivavahana amin Atra. Rehefa manana ny Tompo aho dia tsy mila manezakezaka hanao ireo lalana ireo intsony mampitondra zioga ny tenako na ny hafa indray fa kosa efa vitany ny asa momba io. Ny ataoko dia mandray Azy sy ny fitsaharana izay omeny izay efa tanteraka ao aminy. Mandray an Io Jesoa io aho dia mandray ny sabata izay efa tanteraka ao aminy ihany koa.
Ny sary mba hitako amin io dia tahaka izao. Io Jesoa fa mibaby gony ary ny anaran ilay gony dia “zioga”, ary ny lalana rehetra t@ andron I Mosesy no ao anatin io gony io. Nony noraisiko izany io Jesosy io, dia efa tahaka ny nandray an ilay gony ihany koa aho nony nandray Azy. Koa noho izany dia tsy mila intsony aho miezaka manokana fa efa tahaka ny vitako ihany koa io lalana io noho ny fananako an I Jesoa.
Matio 11:28-30 Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho hanome anareo fitsaharana, fa mora ny ziogako ary tsy mavesatra ny entako.
Asa 15: 19 => koa nahoana ianareo no maka fanahy an Atra amin ny fametrahanareo zioga amin ny vozon ny mpianatra izay tsy zaka ny razantiska ho entina? => Efa nentin I Jesoa teo amin ny hazo fijaliana io zioga io koa tokony hifaly aho izany handray ny fitsaharana avy Aminy
Heb 4:11=> fa raha Josoa no nanome azy ny filazantsara dia tsy mba ho nilaza andro hafa izy taorian izany. Koa dia mbola nisy sabata fitsaharana ho an’ ny olon Atra. Fa izay niditra tao amin ny fitsaharany dia izy koa nitsahatra tamin ny asany, tahaka an Atra t@ Azy. Koa aoka isika hazoto hiditra amin izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin ny tsy finoana tahaka izany ihany koa.
Ny tena marina dia efa azony ilay fahafahana amin’ ireo lalana mipetraka ireo nony lasa amerikana izy…izy izany no mila mahafantatra ny zony. Fa tsy mifikitra foana amin ilay lalana mipetraka ho an ny olona tsy amerikana..dia toy izany koa isika eo anatrehan ny lalana.. rehefa manana an I Jesosy aho dia tanteraka ao amiko io lalana io fa efa ao anatin ny paquet ny fifanekena vaovao izany fa tsy mila hezakezahiko manokana intsony.
Ny Tompo ihany koa dia nilaza fa:
Mar 2:27-28(DIO)=> Ary hoy Jesoa t@ farisianina, ny sabata no natao ho an ny olona fa tsy ny olona no natao ho an ny sabata. Araka izany, na dia ny sabata aza dia ananan ny zanak’olona fahefana.
Ny fariseo dia sorena t@ Jesoa teto satria dia nanao izay tsy fanao t@ andro sabata hatrany izy izany hoe nandika azy mihitsy aza, nefa moa nanota ve ny Tompo raha nandika izany???Voasoratra fa izy ilay tsy nanota ary tsy nanankilema.
Raha araka ny lalanan’i mosesy dia tsy azo atao ny mandeha tongotra lavitra sy ny miasa na manao zavatra hafa rehefa andro sabata, teto anefa dia rehefa namaky tanimbary Jesosy dia nioty salohimbary teny ampandehanana satria reraky ny hanohanana Izy sy ny mpianany. Nisy ihany koa ny fotoana izay nansitranany taminy andro sabata ary nahazoany tsiny izany.
Jesosy no Tompon ny sabata, noho izany ny fananako an I Jesoa ato anatiko no fahatanterahan ny sabata ato anatiko=>Mat 12=> ny tantara ao amin ny matio faha 12 dia ahitana an I Jesoa nampiseho mazava fa tsy ilay fombafomba tsy azo atao mandritra ny sabata no zava dehibe fa kosa ny famindrampo, ny fitiavana.
Ny mpianatra teto dia noana ary nihinana ny salohimbary hitany, ary tezitra ny fariseo fa manao zavatra tsy mifanaraka amin ny lalanan’i mosesy izy ireo. Nampahatsiahivi n’i Jesoa aza fa na dia t@ andron I Davida aza dia nanao tahaka izany koa izy raha noana ireo mpianatra niaraka taminy. Nohanin izy ireo ny fanatitra atao sorona tao amin ny tempoly. Ary Jesoa anefa dia nilaza fa tsy nanota izy ireo. Namapahatsiahy ireo fariseo mazava Izy fa misy lehibe noho ny tempoly eto (izay tsy iza fa Jesoa) nolazainy fa ny famindrampo hoy izy no sitrako fa tsy ny fanatitra alatsa dra ary nilaza ihany koa izy fa ny zanak’olona no Tompon ny sabata (Mat 12:7-8)
Manambara ireo rehetra ireo izany fa izay mivoaka avy any anaty fo, intention, avy amin ny fitiavana no eken ny Tompo eo anatrehan izay mety ho lalana rehetra misy.
Raha araka ity voasoratra ity izany dia tsy ny andro sabata maha sabata azy intsony no jeren ny Tompo fa ny avy ao anaty fon ilay olona. Ahy hoy Izy ny sabata, ary io sabata io ihany koa dia tsy natao ho an ny olona fa ny sabata no natao ho an ny olona. Tsy ny sabata no manampahefana hametra ny zavatra tsara mety ataon ny olona amin ny sabata fa ny fifandraisan ny olona amin Atra no mamaritra ny mety ataony amin ny sabata.
Mar 2:27-28(DIO)=> ary hoy Jesoa t@ farisianina, ny sabata no natao ho an ny olona fa tsy ny olona no natao ho an ny sabata. Araka izany, na dia ny sabata aza dia ananan ny zanak’olona fahefana.
Mbola midika izany fa tsy tokony ho voafehin ny andro intsony ny mpino fa kosa hanao izay rehetra ataony avy amin ny fo. Raha mivavaka sy midera ny Tompo izany dia tsy ilay andro no zava dehibe fa ilay avy any anaty fo.
Tsy mahagaga izany raha hita ao amin ny Rom 14: 5-6=> misy ny anakiray manao ny andro anakiray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny anakiray kosa manao azy rehetra hitovy aoka samy hahatoky tsara ao amin ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo. ….
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Koa na andro inona aho izany na andro inona no hatokako ho an ny Tompo: rehefa avy ao ampoko no manaja io andro io dia izay no hankasitrahany, rehefa natokako ho an ny Tompo io dia izay no ankasitrahany. Ny sabata dia efa tanteraka ao Aminy satria Izy no Tompon’ ny sabata, ary raha manana io Tompo Jesoa io ihany koa aho dia efa ao amiko ihany koa izany ny sabata, tsy ny andro intsony no ilaiko hezakezahina ho tazomina fa kosa ny hidera Azy avy ao ampoko amin ny andro izay natokako manokana ho Azy.
Eto dia mazava fa tahaka ny Krisimasy ihany koa, betsaka no milaza fa tsy fety kristiana izy io satria fety n’ ny olona izay nivavaka t@ masoandro tany aloha be tany angaha, faharoa: tsy tena 25 Des no nahaterahan ilay mpamonjy. Raha ny fahitako azy dia tahaka ny sabata ihany koa izy io. Tsy ilay andro intsony no zava dehibe fa ilay fo te hitsaoka an I Jesoa manokana sy ho fisaorana azy noho ny nahatongavany teto ambonin ny tany. Raha izay no intention ko hoe hanajako ny krisimasy satria tiakoI Jesoa ka mba tiako hankalazaina manokana ity andro ity dia mino aho fa hahafaly azy izany. Raha kosa ny eritreritro milaza fa tiako I Jesoa fa tsy hankalaza azy aho satria tsy resy lahatra noho io andro io dia mino ihany koa aho fa hahafaly ny Tompo izany. Ary raha tena manahirana ahy ilay 25 Dec dia maninona ary raha ataoko manokana ho 10 May ohatra ny krisimasiko. Marihina hatrany izany fa tsy ny andro no zava dehibe fa ny fitiavan izay hiangany. Koa na hanao io fety io aza aho anefa tsy noho ny Tompo Jesoa no antony fa noho ny akanjo vaovao, na noho ny cadeaux na noho ny famirapiratany..dia ho zava poana ihany izany ary tsy hahazo sitraka akory aho avy amin ny Tompo.
Ny marina izany dia ny averina indray, tsy ilay andro intsony no zava dehibe fa ilay intention hanaovako azy, na andro firavoravoana io na andro hivavahana.
Kol 2: 16-17 => koa aza avela hisy hitsara anareo na @ fihinanana na ny fisotro na andro firavoravoana na ny voalohambolana na ny sabata. Aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia Kristy.
Rom14:5-6=> ny anakiray manao ny andro iray ho mihoatra noho ny sasany ary ny anakiray manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hahatoky @ sainy avy. Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinnana ho an ny Tompo sy nitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra ihany koa izy.
Koa raha fintinina izany io ambony io dia izao. Efa ao amin ny Tompo Jesoa ny sabata, koa ny fananako Azy dia efa hananako sahady ilay sabata. Aloky ny fitsaharana izay azoko avy Aminy izany sabata izany ka tsy tokony hampitondra zioga ny tenako na ny hafa intsony aho. Ny Tompo anefa dia faly tokoa raha manaja izany andro izany aho ho Azy manokana, ary nefa koa raha misy ny andro hafa izay hatokako manokana ho fanajako Azy dia ho faly ihany koa Izy ary tokony hataoko izany. Tsy ny andro intsony no zava dehibe amin ny fanekena vaovao fa ny fanajako ny tompon izany sabata izany dia tsy iza fa Jesoa Kristy.
Koa satria lalanan ny fitiavana no mamehy dia tsy hitsara ny namako aho raha toa ka manokana andro manokana izay tsy mitovy ny amiko izy. Ny fitiavana sy ny Fanahy Masina no tokony hitarika ahy hanomboka izao fa tsy ny lalana intsony.
=> Rom 10:4=>Fa Kristy no faran ny lalana ho fahamarinana izay rehetra mino.
Ary ny Fanahy masina no mitondra ahy manomboka izao fa tsy ny lalana intsony.
Gal 5:18=> Fa raha tarihin ny Fanahy ianareo dia tsy ambanin’ny lalana ary Fa izay tarihin y Fanahin Atra no zanak Atra (Rom 8:14)
Marihina manokana fa I Paoly raha nandeha tany amin ny synagoga t@ andro sabata dia noho izy nahafantatra fa izany no fomba hahazoany ny fon ireo olona izay mbola voafehy tao ambanin ny lalana raha te hampahery sy hifanena amin izy ireo izy, ny zava dehibe taminy dia ny hamonjena azy ireo tsirairay avy.
I Kor 9: 20-21=> Tamin ny jiosy dia tonga toy ny jiosy aho mba hahazoako ny jiosy. T@ izay ambanin ny lalana dia tonga toy izay ambanin ny lalana aho mba hahazoako ny ambany lalana ary tamin izay tsy manana ny lalana dia tonga tahaka ny tsy manana lalana aho mba hahazoako ny tsy manana lalana, kanefa tsy mba olona tsy manana ny lalan Atra aho fa ambanin ny lalana ni Kristy. ..Efa tonga ny zavatra rehetra aho mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
Araka ny efa nazavaiko ombieny ombieny teto dia ny resaka sakafo hohanina dia tafiditra tanteraka ihany koa tanaty ny lalana taloha izay miisa eninjato mahery. Koa raha te hanaraka izany ny olona iray ny amin ny fihianan na tsy fihinana dia ataoko fa tokony ihany koa izy hanaja ny lalana 600 mahery izay misy fa tsy ny iray na roa na ny telo ihany. Ho vita ve izany? Ny tenin Atra dia milaza fa navesatra taminireo zanak Israley taloha io koa nahoana aho no mbola ihany koa hampitondra zioga ny tenako na ny hafa hamerina indray io lalana io =>Rom 5: 19 => koa nahoana ianareo no maka fanahy an Atra amin ny fametrahanareo zioga amin ny vozon ny mpianatra izay tsy zaka ny razantsika ho entina?
Marihina aloha fa raha io resaka sakafo io dia hita betsaka ao anatin ny romana. Ny epistily ho an ny romana dia epistily izay nosoratan ny apostoly Paoly ho an ny mpino tao Roma. Ary mizara telo izy ireo. Ny fizarana voalohany (1-8) dia milaza ny Fahamarinan Atra sy ny famonjena; ny fizarana faharoa ( 9-11) dia mamintina ny fahamarinan Atra ary ny vahoaka Israely, fa ny fizarana fahatelo izay mianiga amin ny (12-16 no tena ho jerena akaiky eto) Io dia mamintina ny fahamarinan’Atra sy ihany koa ny fomba fiainana kristiana andavanandro. (Chapter by chapter Bible Commentary by Warren W. Wiersbe). Marihina izany fa raha nanoratra io epistily io I Paoly dia nosoratany manokana ho an ny mpino ao roma izany.
Rom 1-9=> Voalohany, misaotra an Atra aminy alalan I JK aho noho ny aminareo rehetra satria efa re eran izao tontolo izao ny lazan ny finoanareo.=> voalaza mazava eto izany fa mpino ireo hanoratany ireo. Mety misy ny malemy finoana sy ny matanja pinoana, fa ny hanoratany rehetra kosa dia mpino.
Tsarovy ny fa I JK dia nilaza t@ ilay kapiteny nanana zanaka narary tany antrano fa tsy mbola nahita lehilahy be finoana tahaka azy Izy. Tao ihany koa ny nitenenany hatrany ny mpiananyhoe ry kely finoana. Mazava izany eto fa misy ny hoe be finoana ary misy ny kely finoana ary tahaka izany ihany koa ny noresahin I Paoly eto, misy ny malemy finoana ary misy ny matankaja finoana…fa izy rehetra dia mpino na kristiana.
Rom 1-13=. Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy …..=>
Ary ny teny hoe rahalahy dia fomba fitenin ny mpino samy mpino anaty fivavahana iray mifampiantso. Koa averina indray fa ny romana dia epistily no soratan I Paoly ho an ny mpino fa tsy hoe ny tsy mpino
Resahiko manokana ny momba ny maha mpino ireto voalaza eto amin ny romana satria dia manana anjara lehibe eo amin ny fiainana kristiana ny hafatra izay azon izy ireo raha ny fiaianana andavanadro mihitsy no jerena manokana. Tsy ho an ireo vahoaka tao Roma ihany fa ihany koa hatramin isika amin izao vaninandro izao. Marina fa nisy tokoa ny tsy nino tao Roma ary betsaka ny fanompoantsampy nandritra io vaninadro io ary mety ho mpino vao teraka daholo ireo mpino ireo matoa mbola nalemy ny finoany. Nandritra io vaninadro I tokoa mantsy dia betsaka ireo sekta sy fivavahana samihafa izay nandala mafy mihitsy ny tsy fihinana sakafo manokana. Ary ny Jiosy ihany koa dia mba nanana ny azy ireo izay araka ny levitikosy. Tao ny fivavahana hoe Essenes, izay tena nasiaka tokoa tamin io resaka sakafo sy fomba fiakanjo io fa dia ny sakafon izy ireo dia tsy maintsy karakarain ny mpisorona vao hohaniny. Ny Pythagoreans ihany koa dia anisan ireo izay nanana ny fombany manokana sy ny sakafo izay nohaniny manokana.
Ary tao ampiangonana kristiana ihany koa dia nisy ihany koa ireo sarangan olona vitsivitsy izay nivoaka avy tamin ireo fivavahana ireo na fivavahana hafa ka mbola nitana ny fadiny sy nasiaka tokoa tamin izany. (The Letter To The Romans, William Barclay)
Koa noho izany dia mazava ho azy fa nisy ny kristiana izay mbola nalemy finoana kokoa ary nisy ireo nahery finoana. Izany no nahatonga ary an’i Paoly hanoratra ity Romana 14 ity hanazavana ireo mpino ny fianana Kristiana andavanandro izay tokony diavin izy ireo. Mety ho ireo olona ireono nanoratan I Paoly ity epistily ity anefa ihany koa ny tenin Atra dia nosoratana ho antsika rehetra izay mino azy ary hampandrosoana ny fianana ara panahy sy ny fianana maha kristiana antsika. Tsy adino koa anefa fa mankarena ny tenin Atra ka tsy tokony ferako ihany fotsiny hoe tsy ho ahy ny Rom 14 fa ho an ireo olona ireo ihany. Ary farany, tsy resaka sakafo ho an ny fanopoantsampy no resahina eto fa efa mazava tsara fa ny sakafo aterina ho an ny fanompoantsampy dia efa tsy azo hohanina. Noho izany tsy mila niadivan’i Paoly hevitra intsony hoe na hihinana io hena io sa tsy hihinana. Tsy any ilay olana no mipetraka
Asa 15: 28 => fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay no tsy hampitondra enta mavesatra ho anareo afa tsy ny zavatra tsy maintsy ho tandremana izao ihany dia ny hifadianreo ny hena aterina any amin ny sampy sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. Raha mahatandritena amin izany ianareo dia ho soa.
Ny tiako hambara dia izao: raha ny andinintsoratra masina ao amin io Romana 14 io ihany dia na tsy hazavaina aza dia ampy manazava fa tsy ny sakafo ihany koa no zava dehibe amin ny Tompo fa ny fihinanako izany aminy alalan ny fisaorako Azy. Averina indray fa tafiditra anatin ny lalana ny resaka momba ny sakafo hohanina na tsy ho hanina anaty ny fifanekena taloha. Ary nony tonga ny fifanekena vaovao izany lalana miisa 600 mahery kely izany izay tafiditra ao anatiny ny fihianana na tsy fihinana sakafo manokana dia niova ho lalana roa ihany dia ny lalana dia ny lalanan ny fitiavana an Atra sy ny lalanan ny fitiavana ny namana. Aoka tsy hametraka zioga ho an ny tenako aho na ho an ny hafa fa efa mazava ny lazain ny Tompo anaty ny fifanekena vaovao izay nosoratany betsaka tokoa anatin ny epistily ho an ny Romana.
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Romana 14:20 => ny iray manao ny andro iray tsara mihoatra noho ny andro sasany ny anakiray kosa manao ny andro rehetra mitovy. Aoka samy hahatoky tsara amin ny sainy avy izy.
Romana 14:2-3 = > NY anakiray Mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anakiray kosa malemy finoana ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana ary ny mihinana tsy hitsara ny tsy mihinana fa Atra no efa nandray azy.
Mat 15: 10=> Tsy izay miditra ny vava no mahaloto ny olona fa izay mivoaka avy amin ny vava.
I kor 8:8=> Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin Atra, fa na homana aza isika dia tsy matiantoka ary na dia homana aza dia tsy mahazo tombony.
Mark 7:15=>Fa tsy ny zavatra rehetra avy eo ivelany izay miditra ny olona no mahaloto azy fa izay mivoaka avy amin ny olona no mahaloto azy.
Romana 14: 6 => izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinana ho an ny Tompo, satria misaotra an Atra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an ny Tompo sy mitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra koa izy.
Romana 14:17 => fa ny fanjakan Atra dia tsy avy amin ny fihinana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fiainana ao ami ny Fanahy Masina.
Romana 14:20=> Aza izay hanina no andravanao ny asan Atra, madio avokoa ny zavatra rehetra. Nefa tsara ho an ny olona no mihinana amin ny tsy fahatafitohina.
Asa 10:13-15(vakio ny tantaran I korneliosy)
Azon ny kristiana hohanina daholo ary ve izany ny zavatra rehetra entina amin ny fisaorana ?
Raha ny tenin Atra no jerena, tsy ny t@ lalan I mosesy fa tanatin ny fifanekena vaovao dia azo honanina ny zavatra rehetra rehefa entina amin ny fisaorana. Ny hany kosa anefa zavatra izay noraran ny Tompo hohanina dia ny ra (boudin ohatra), ny hena izay aterina ho an ny sampy, ary ny zavatra kendaina, izany hoe ny biby tsy nilatsadra. Tahaka ny hoe biby matin ny accident na ny toy izany.
Asa 15: 28 => fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay no tsy hampitondra enta mavesatra ho anareo afa tsy ny zavatra tsy maintsy ho tandremana izao ihany dia ny hifadianreo ny hena aterina any amin ny sampy sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. Raha mahatandritena amin izany ianareo dia ho soa.
Famaranana
Araka ny maha lalanan’ny fitiavana ny didy vaovao izay nomen Atra dia tokony hatrany aho hitsinjo ny mpino hafa izay mbola tsy matanjaka ara pinoana araka ny lazain ny tenin Atra fa tsy hijery irery ihany izay mahafinaritra ahy. Raha tsy zaka ny mpino iray ny fihinanako zavatra manokana dia tsy hataoko izany noho ny fitiavako azy mba handrosoany bebe kokoa amin ny fiaianan krsitiana. Ary raha misy andro iray heveriko ho manadanja kokoa noho ny iray ary ny namako tsy manao izany dia tsy hitsara ny namako aho fa samy efa manana izay isaoranay avy izahay.
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Nomen Atra ihany kosa anefa isika saina afaka mieritreritra sy fahendrena ka angamba tsy hihinana totozy na ny toy izany.
Raha ny fijerin ny dokotera anefa no hita dia tsy dia mahasoa loatra ny mihinana henakisoa satria dia io hena io dia avo tokoa ny taux ny cholesterol ao aminy raha oharina amin ny hena hafa..... Izaho izay manoratra dia tsoriko fa mihinana henakisoa satria dia mino aho fa tsy ambanin ny lalana intsony (dia miverina amin ny resaka rehetra eo ambony), fa noho ny fahasalamana fa tsy noho ny resaka zioga napetraky ny lalana dia mahalana dia mahalana aho no mihinana azy.
Manantena aho fa mba nisy ihany ny zavatra azo noraisina teto.
Tsarovy ihany koa fa ny resaka lalana dia zavatra antsipirihany kely anatin ny fianana ksritiana fa ny zava dehibe izay tokony ho toriana hatrany dia Jesosy Kristy izay maty T@ hazo fijaliana ary nitsangana tamin ny maty ka nisolo ny fahotantsika ary te hanana firaisana ampanahy manokana sy isanandro amintsika. Indro efa mandondona izy ary miandry ny tsirairay hanokatra ny varavaran’ny fony.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |