dailynews.blaogy

Vavaka Ho An Ny Hafa: Amboary Ny Lalan I Jehovah

dailynews | 05 Aprily, 2007 01:50

Aza adino fa ny fanahy aloha no zava dehibe vao ny ara nofo. Katsaho aloha ny fanjakan Atra dia hanampy anao ny zavatrra rehetra. Koa raha hivavaka ho an ny olona dia aza maika fotsiny amin ny hoe tahio izy Tompo o fa mampalahelo be na hoe tahio izy Tompo o fa maditra be… . Fa raha fantatrao fa tsy mandeha araka an Atra io olona io dia mangataha ny Fanahy Masina hanokatra ny masony ho amin ny filazantsara ihany koa aloha  ka hanolorany ny tenany ho an ny Tompo vao ny zavatra mba tianao ho entina ambavaka ho an io olona io.
 
 

Lioka 3:4-6=> Araka ny voasoratra ao amin ny bokin ny tenin Isaia mpaminany hoe; injany misy feo miantso any an efitra hoe: amboary ny lalan I Jehovah, ataovy mahitsy ny lalankalehany. Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hahamarinina; ary ny nofo rehetra hahita ny famonjena Atra.

 

Ny kristiana efa nandray an I Jesoa rehetra na ny zanak Atra (vakio ny lahatsoratra Lalana Mankany An-danitra ato @ blaogy-ko  raha tsy azo ny dikan izany) dia manana anjara hivavaka ho an’ny fianakaviany, ny olona manodidina azy, sy ireo olona izay apetrak Atra antin ny fony mba  hanamboarana ny lalan I Jehovah anatin ny fiainan ireny olona ireny mba hahitany ihany koa ny famonjena Atra.

 
Tsara ho marihina sy averina indray fa sitrapon Atra ny hivavahana ho an ireny olona ireny mba hisokatra ny masony hahita an Atra. Mila mijoro eo anatrehan ny banga ny kristiana iray amin ny alalan ny vavaka ho an ilay olona izay  kinendry ho entiny ambavaka., intercession io.( Ezek 22:30)
 
 
Mifona amin Atra ho an io olona io:

Mijoroa eo anatrehan ny banga izay misy amin io olona io sy Atra ary ataovy tahaka ny tenanao izy rehefa mivavaka ho azy ianao. Hifonao amin Atra ny fahotany izay fantatrao fa ataony sy izay tsy fantatrao ataony any ambadika any. Jesoa  Kristy teo ambony hazo fijaliana dia nifona ho an ireo olona izay namono Azy, mamela azy ireo hoy Izy fa tsy fantany izay ataony ary tsy vitan izany fa mbola mivavaka sy mifona ho antsika ihany koa  Izy h@ izao eo ankavanan Atra. Mila manana izany fanahy mifona ho an ny hafa izany ny kristiana. Mifanohitra amin ny fanahy izay manenjika sy manaratsy olona izany izay mazava fa tsy avy amin Atra.

 

Mifona amin Atra ihany koa noho ny tsy fahafantaran io olona io an Atra fa  anisan ny fahotana izany. I Tessa 1:8=> He will punish those who do not know God and do not obey the gospel of our Lord Jesus ( mialatsiny fa ilay dikanteny gasy somary hafahafa ny nandikany azy)

 
Fantaro ny zavatra mamatotra io olona io ary ento ambavaka izany:
 

Tsara ny mivavaka mba hitahian Atra ny olona iray ary tokony atao isanandro izany, saingy ny olana dia mijanona hatreo ny vavaky ny kristiana amin ny olona iray matetika ary gaga izy fa tsy misy fivoarany mihitsy ny toetran ilay olona io efa amantaonany anefa izy mba te hahita ilay olona entiny ambavaka io mba hijanona amin ny toaka, fijangajangana, famonoana vady, filokana, fitenenandratsy,….

 
Sao kosa dia tokony ihany koa ilay kristiana handray ny hery izay efa nomen Atra azy handroaka ny fanahy maloto izay mamatotra io olona io?  Tadidio ity TA ity izay famerimberiko eto matetika: hoy ny Tompo Marka 16: 17=> ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin ny anarako izy…..
 

Raha krsitsiana manaradia ny Tompo na mpino ny olona iray dia io no tenin I Jesoa: famantarana iray io hanaraka ny kristiana, tsy famantarana hanaraka ny mpitondra fivavahana na ny mpiandry fotsiny ihany fa ny kristiana rehetra. Izay ilay hoe mino averiko indray , mino ny teny izay lazain ny TA fa tsy hoe mino an Atra fa ny zavatra lazaina ao tsy hinoana. Fa raha nilaza Jesoa fa izao famantarana izao no hanaraka izay mino dia marina izany izany teny izany koa anjaranao no manatanteraka fa efa nomeny fahafahana manao izany asa izany ianao. Tandremo fotsiny anefa tsy mandeha araka an Atra no manao izany fa manjary manaonao foana. Raiso ny adidinao rehefa avy manao ny sitrapon Atra ianao fa efa nomeny fahefana sy fahafahana hanao izany.

 

Miverina eny amin ny tena resaka aho.

Fantaro ny fanahy izay mamatotra io olona io ary attaquer-o izany amin ny anaran I Jesoa. Fa tadidio fa hoy ny TA fa tsy mitolona amin ny nofo amandra isika fa amin ny fanapahana sy  mpanjakan ny fahamaizinana izao dia amin ny fanahy ratsy eny amin ny rivotra. Efes 6:12

Raha misotro toaka I ramose: tadidio fa tsy I ramose velively no fahavalo fa ilay fanahy ratsy izay mamatotra azy. Koa aza I ramose no hiadivana( tsy maninona teneno  ampitiavana izy fa tsy mety izany fa nomena saina ihany koa izy hahafantatra ny marina sy ny tsy mety fa tsy tokony ho tonga amin ny ady izany sy ny lasa tsy fifampitenenana ao antrano sy ny tsy fifanajana intsony), fa kosa any anaty vavaka no miady mafy amin ny fanahy izay mamatotra azy ary aza mijanona raha tsy efa miverina ao amin ny Tompo izy. Mety ho androany dia mivaly ny vavaka mety ho amantaonany. Mahereza, aza mitsahatra mivavaka, ary minoa fa raha zavatra araka ny sitrapon Atra no hangatahinao dia ataony izany( Jao 15:7). Hivaly ny vavaka saingy ny fotoanan ny Tompo no tsy fantatra hoe rahoviana. Aza kivy.

 

Eo amin ny fiainana kristiana rehefa tsy fantatra hoe iza no fahavalo dia reraka miady aman olona  eny ihany ary miodikodina sy fanina eo fotsiny ary tsy mety mahita ny voninahitr Atra mihitsy.

Tahaka ny mpanao baolina kitra eo amin ny saha fanaovambaolina. Raha samy manao tshirt mitovy daholo ny andaniny sy ny ankilany dia tsy fantatra hoe iza no fahavalo fa dia miodikodina eo fotsiny. Fa matoa natao samihafa ny loko dia mba hahafantarana mazava hoe iza no fahavalo ary iny no hiadivana fa tsy ny namanao .

Mila mazava tahaka izany ihany koa ny fiainana kristiana, raha tsy fantatra hoe iza no fahavalo dia ny eo ihany no eo. Ary ny tena fahavalo faly sy mibitaka fotsiny etsy andaniny fa sady vitany ny nataony no ianao miodinkodina fanina eo fotsiny ihany. Koa manomboka izao dia fantaro fa ny devoly sy ny fanahy malotony no fahavalo fa tsy ny olona ao antrano.

Ny olona ao antrano na ny olona entina ambavaka  dia jambain ny fanahy maloto hanao ny asa maloto rehetra fotsiny ihany. Voafatotra izy ireo koa noho izany ianao izay manana an I Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao manokana na ianao ilay kristiana voavonjy no mila maka andraikitra mamotika ny tetidratsin I satana amin ny alalan ny vavaka. Mahery io vavaka io.

 
Fantaro ireo fanahy
 

Raha olona tsy mbola voavonjy na nanolontena ho an Atra fa manao routine ny fidirana any ampiangonana fotsiny sy religieux be fotsiny fa tsy manana fifandraisana manokana ho an Atra dia hiadivo ny fanahy religieux ao aminy mba hahitany marina an Atra sy hanomezany ny fiainany Azy fa tsy ny fombafomba avy ety ivelany fotsiny ihany ny fanaovana ny asan Atra na ny fidirana any ampiangonana. Tsy mahavonjy izany raha mbola tsy nanolotena ho an ny Tompo izy. 

 

Raha olona tsy mahalala an Atra mihitsy dia hiadivo ny fanahy manajamba ny masony, manajamba ny fony, ny sainy tsy hahitany an Atra.

 

Olona misotro toaka: fanahy maloto mampisotro toaka azy.

 

Olona mivavaka amin atra hafa: fanahin ny fanompoantsampy…

 

Olona mijangajanga: fanahin ny fijangajangana

 

Olona miteny ratsy: fanahin ny fitenenandratsy

 

Olona miteny lainga: fanahin ny lainga….

 

Sns……..

 
Betsaka ny zavatra mamatotra ary minoa ahy fa tsy sitrapon Atra ny hitoeran ny olona ho voafatotra fa Jesoa tonga mba hanafaka. Raha ny zanaka hoy Izy no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.
 

Roahy amin ny anaran I Jesoa ireo fanahy izay fantatrao fa mamatotra ny olona izay entinao ambavaka ireo. Ary rehefa avy mandroaka azy ianao dia mangataha kosa ny Fanahy Masina Atra hameno azy mba tsy ho foana ny trano nivoahany.

Lioka 11: 24-26=> Raha mivoaka ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tys misy rano izy, mitady fitsaharana, ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy.: hody any antranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano. Ary dia nandeha izy ka nitondra fanahy fito hafa izya ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mitoetra ao, ary ny faran izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.

 
Rehefa avy mandroaka ny fanahy ao amin io olona io anaty vavaka dia aza adino ny mangataka ny Fanahin Atra hameno azy hanolo toerana ilay noroahina teo.
Raha olona manana fanahy mijangajanga dia mangataha ny fanahin Atra mitondra fahamasinana sy fahadiovana hameno azy.
Raha olona tia mankahala olona dia mangataha ny fanahin Atra mitondra fitiavana hameno azy.
Raha olona tia lainga, dia mangataha ny fanahin ny fahamarinana hameno azy kosa avy eo.
Sns…….
 

Ny ran I Jesoa.

 

Ny ran I Jesoa dia zavatra iray izay tsy tantin ny devoly indrindra satria mariky ny fahareseny izany ary tsy tiany ny mihaino izany teny izany.

Tao amin ny fiangonana izay nandehanako dia anisan ny mivavaka sy mamoaka ny  fanahy maloto any anaty ny olona izay mila izany  izahay rehefa mirava ny fiangonana isaky ny sabotsy sy  alahady ary betsaka ny olona izay mandalo eo anolohan ny tena ho entina ambavaka Ny zavatra izay voamarika dia rehefa miteny sy manonona ny ran I Jesoa amin ilay fanahy maloto dia tsy mahatanty mihitsy izy, ary nisy iray izay niteny mihitsy aza hoe: aza tenenina izany, aza tenenina izany ao anaty kikiaka.

Marihina anefa fa ny vavaka izay resahiko eto dia vavaka ataonao mangina any anaty efitranonao fa tsy voatery hoe eo ilay olona. Tonony ny anaran ilay olona entinao ambavaka ary raha manana sariny aza ianao dia hametrao tanana izany rehefa mivavaka ho azy ianao. Raha ny olona ao antrano dia azonao hametrahana tanana ihany koa ny ondana izay hatoriany. Tsy ho voatery izany anefa fa mba fombako fotsiny ihany izany sy fomban olona sasany. Tsy hoe tsy maintsy akory fa manampy ho an ilay olona mivavaka fotsiny ihany.

T@ ny vadiko mbola tsy nanana ny Tompo( niaina sy nitombo tao anaty fianakaviana bodista izy taloha) dia fombako ny mametra tanana aminy k amivavaka ho azy rehefa matory iny izahay na rehefa tsy eo izy dia hametrahako tanana ny ondany sy ny sariny mba hahafantarany an Atra sy hivavahany aminy. Iray taona taorian ny fanambadiana izy no nanolo tena sy nandray ny Tompo ho Tompo sy mpamonjy ny tenany manokana.  

 

Ny tenin Atra rahateo dia miteny ao @ Apok 12: 11=> ary izy ireo naharesy azy noho ny amin ny ran ny zanak ondry sy ny teny filazana Azy.

 

Rehefa avy mivavaka ho an io olona izay entinao ambavaka io dia tonony ny ran ny zanakondry handrakotra sy hiaro azy.

 

Vavaka ho an ny fitahiana ho an ilay olona entina ambavaka:

 

Ny aza adino hatrany rehefa mivavaka ho an ny olona dia izao. Raha olona mbola tsy voavonjy io olona io dia mivavaha mba hisokatra ny fanahiny araka ny efa nolazaina tetsy ambony mba tsy ho jamba intsony izy amin ny resaka filazantsara . mangataha ny Fanahy masina hamangy azy sy hampisokatra ny masony.

Raha toa ka olona efa manana ny Tompo ihany kosa izy dia aza adino ny mivavaka ho azy mba haharitra h@ fahafatesana izy amin ny fanompoana sy ny fiarahana amin ny Tompo fa tsy hiverindalana na hiala amin ny filazantsara indray izany hoe. Minoa ahy fa ny devoly dia tsy hipetrapetraka ny hampiverindalana ny olona izay efa manana ny Tompo.

 
Vavaka ho an ny mpitondra fivavahana:
 

Ny kristiana ihany koa dia mila  mivavaka ho an ny mpitondra fivavahany. I Paoly amin ny epistily nosoratany dia namerina matetika ny hoe mivavaha ho anay sy ny hoe mifampivavaha.

Mba tsy handeha araka ny nofo ireo mpitondra fivavahana ka hanao telopolo andro fanjava iraika fotsiny izany hoe miasa tahaka ny mpiasa tsotra fotsiny ao ampiangonana mba hahazoan karama  fa tsy mandeha araka ny Fanahy akory  fa manao toetra ivelany ny mpivavaka fotsiny ihany( lasa religieux be fotsiny fa tsy spirituel mihitsy na hoe fombafomba mpivavahana no betsaka fa Jesoa zara raha mahazo anjara) sns…

Ilaina loatra ny mpitondra fivavahana mandeha araka ny fanahy fa raha tsy mandeha araka ny fanahy izy dia lasa jamba mitarika jamba fotsiny ihany ary tsy mahagaga raha mety tsy hahita ny voninahitr ‘Atra mihitsy io fiangonana io satria dia ara nofo fotsiny ihany ny rehetra.

Ento ambavaka izy isaky ny handeha hitory teny mba ho taritin ny fanahy masina izy ary hahakasika ny olona toriany ny Teny

Ento ambavaka ny fianakaviany, ny fanambadiany, ny fahasalamany…….

 

Vavaka ho an ny mpitondra firenenao sy ny firenena izay hipetrahanao ary ny firenena izay napetrak Atra ao anaty fonao.

 

Ento ambavaka ny mpitondra firenena fa sitrapon Atra izany.

 

Vavaka ho an ny hafa :

 

Ento ambavaka ny olona izay napetrak Atra tao anaty foano ho entina ambavaka. Ary aza adino mihitsy ny fianakaviana na dia efa manana ny Tompo aza izy ireo. Ento ambavaka ny fianarany, ny asany, ny fahasalamany, ….( efa noresahiko)

 

Farany:

 

Be dia be ny olona azo entina ambavaka sy ny fomba hivavahana ho azy ireo. Mazotoa fa fitiavana daholo ny fanomezana fotoana hivavahanaho an ny hafa tahaka izany. Mahereza. Mety mazava ny zavatra resahiko mety tsy mazava fa amin ny manaraka aho mijery faninrdroany amin ny maso hafa dia hojereko hoe iza no tokony hovaina raha tsy dia mazava loatra. Fa reraka ny masoko izao

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb