dailynews.blaogy

Noana dia Mihomehy Avy Eo ( nofy faha-10)

dailynews | 08 Oktobra, 2007 02:48

Tao anaty restaurant ngeza tokoa izay miendrika fijerena baolina basikety ny tao anatiny. Misy seza avo ho an ny mpanotrona ny ankilany ary ny andaniny kosa dia toa babangaona ihany hafa tsy ilay comptoir fanankalozana vola etsy ampita.  Ilay comptoir dia miendrika pilopitra fitorianteny ireny. Misy lamba miloko mena mandrakotra azy. Ny latabatra fihinanan ny mpanjifa moa dia tsaroako ho iray ihany ny hitako dia ilay teo ankaviako.

Izaho sy Tom namako moa t@ izany samy nanao somizy maitso mipetraka maka aina teo ambonin ilay seza tahaka ny fijerena baolina. Nipetraka teo alohanay ilay madama tompon ilay restaurant sy ny zananny vavy nanao thirt fotsy.

Tsitapitapitr izay dia nitsangana daholo ilay olona nisakafo eto ankaviako ary nilahatra teo alohanay fa hoe handoa vola hono. Voamariko fa tsy mbola vita ny sakafon ny ankabeazan izy ireo fa toa hoe maika angaha izy ireo ka mila mandeha amin izay. Nisy ranamana iray toa mbola feno  “ fried rice”( karazana riz cantonnais) ny  viliany ary mitady doggie bag hono izy( baoritra kely fanasiana sakafo tsy lany rehefa mankany amin ny restaurant mba ho entina mody atao sakafo rahampitso). Tsy nahita olona aho teo amin ny comptoir  handray ny volany . Toa nitoditodika ihany ireo olona fa tsy nisy mpaka vola tetsy amin ny comptoir..hay iny ilay madama tompon ny resto nitsangana ka nanakalo  ny volan ireo mpanjifa.

Tao anatin io building io ihany dia hitako I Luke sy Keith( olona fantatro)  mipetraka amin ny banc iray. I luke nanao somizy manga antitra ary I keith somary lava volo ihany nanao akanjo maitso antitra. Nitomany toa nifokofoko I Luke fa tsy mora taminy ilay nanejika dahalo tany Afrika. Toa hoe saika namoy ny ainy mihitsy angaha izy. I Keith  namany moa dia nanakapokapoka ny tanany teo amin ny lamosiny hampaherezana azy.

Nitantara izy ireo fa niaraka t@ Zo tany anaty ala tany izy ireo ary tena ady be ny tany fa haingana be mihitsy ireo dahalo. Toa naniditsidina tahaka ireny sifaka  ireny hono izy ireo miala amin ny hazo iray mitsambikina amin ny manaraka. Moa ve tsy tahaka ilay ranamana tao amin ny film “Ambondrobe” ny fijery azy. Ka hoy aho hono tamin ny Keith hoe: “ie, sady raha haingana be tahaka izany izy ireo tonga dia  tsy hitahita akory dia ny lohambasy no mitohoka eo amin ny lohanao”

T@ izahay nipetraka teo dia nandalo I Tiana niaraka t@ Prussian boyfriend-ny  izany fa toa tsy nijanona niresaka taminay. Dia toa lasa ihany koa I keith sy Luke nony avy eo.

 

Nony avy niresaka tamin izy ireo aho dia niodina kely teo amin ny trano fitaratra misy ny sakafon ilay restaurant ary naka cinnamon toast ( karazana biskoty ) avy ao amin ilay fitaratra. Nanandrana kely fotsiny ihany aho dia nariako ilay izy fa toa nalebolebo loatra. Dia nahita  fen ‘akoho indray aho dia noraisiko ilay izy, hay izy ity tsy fen akoho fa ovy nakotrika misaraka roa(baked potato). Lasa aho fa noana anefa tsy nahita izay hohanina.

 

Noy teny andalana aho dia nahita an Ilay madama tompon ny restaurant teo ivelan ny fiangoanana iray. Fotsy ny lokon ilay fiangoanana ary tena kely dia kely tokoa ny habeny. Misy soratra miloko manga tanora avy eo ivelany saingy tsy tandritandriko hoe inona ny lazainy. Io fiangonana kely io dia eo amin ny coin hifanenan ny  lalana hiakatra any ankatso sy ny fidinan ny fiara avy any ambohijatovo mitsontsorika avy any amin I CNELA ho any ankatso.

Hitako ilay madama nisarika ilay zanany vavy avy ao ampiangonana sady nibedy sy nilelalela taminy fa tsy tokony hiditra ampiangoanan hono ity zanany fa izy tsinona Buddhist.

 

Hitako tsy lavitra ahy teo izy ireo ary nanakaiky aho niaraka tamin izany namako izany lava be izy, ary lava volo ary mivolontany ny somizy nanaovany teo ambonin ny pataloha jean. Kitjo hono io tovovavy io ( mialatsiny kitjo raha mamaky ity indry o).  Nangalatra topy maso kely tao anatin io fiangonana io aho ary hitako I Zo, pataloha  jean mainty sy tshirt fotsy misoratsoratra mainty, ilay tovolahy niady tamin ny dahalo iny nitendry aponga mandeha amin ny herin aratra tao amin ilay fiangonana. Nisy olona vitsivitsy nipetraka tetsy aoriana saingy tsy voadiniko hoe iza.

Hoy hono aho t@ Kitjo hoe: tato aho no niangona taloha saingy lavitra ny tranonay ilay izy dia nifindra aho.

Nony avy eo aho dia niakatra irery  tamin ny lalana miakatra ho any amin ny CNELA iny. Nahita alika mivolontany izay aho niazakazaka nidina. Toa alika matavy ila ilay izy. Fa ny ilany ankavia dia normale tsara saingy ny ilany havananakosa dia lava be izany. Hay nony nanakaiky  alika kely roa miara miazakazaka amin ilay alika volohany ilay avy eo ankavanana. Saingy be volo be izy ireo ka tsy hitako ny masony ka noheveriko ho alika iray ihany no mihazakazaka. ( tahaka ny coton de tulear ireny izy saingy mivolontany fotsiny). Nangetaheta ireo alika ka niakatra kely teo ambony  teo izy ireo ary nisotro rano nivoaka avy eo amin ny trano fidiovana iray.

 

Taorian izay dia tadidiko aho nandalo kosa indray avy ao anaty tomobilina mandalo lalana iray izay moderina tokoa. Ny avy teo ankavanako dia toerana fangalana solitany izany ary misy trano maitso izany ny tafony fametrahana ny vokatra. Toa hoe ilay Prussian hitako nandalo niaraka t@ I Tiana tany amin ilay restaurant iny hono no tompony sa miasa ao. Ary nisy nilaza tamiko tena manao azy tokoa izy ao amin io orinasa io f a hoe “he works for free but he makes money” hono.

 

Dia niroso ihany ny diako sy J.. . Nahita  roplanina kely miloko volomboasary aho tetsy ambony ankavanana, akaiky tokoa ny fahita azy satria hitako ilay olona ni piloter azy manao satroka mafy entina mankany amin ny toerana fanaovantrano na lalana  ireny. Hoy aho t@ J..hoe: toa tsy mihetsika izany roplanina etsy ambony izany no sady ambany be. Dia hoy izy tamiko hoe: “of course, it is not a plane, it is a crane”( ilay machine any amin ny construction mampiakatra sy mampidina entana mavesatra ireny dia misy olona ao anatiny ao mamily azy) , hay izy ity tsy hitako ilay tendabe ilay machine fa ilay olona nitingitingina tetsy ambony tanaty masinina no hitako. Ilay tendabe n ilay masinina dia nafenin ilay lalana mifampidipiditra etsy ambony ( lalana moderina misy lalana mifampitaingina  ireny).

Nitohy ihany ny dia ary tapaka ny tsinaiko fa nahita rangahy fotsy hoditra aho nampiditra ny hazo nentiny tao anaty tomobilina. Nampidiriny avy ao aoriana ilay hazo feno ravinkazo ka ny fakankazo etsy aoriana ary mivoha ny malle arriere, ary ny lohankazo hila hanafina ny tarehin ilay mitondra azy no sady mandeha moramora ihany ny tomobiliny no mila ho dify ao anaty ravinkazo izy. Hoy aho t@ J..tamin ny nahita azy hoe: “ that is a Christmas tree guy” sady nilaza taminy aho hoe ho tapaka izao ny tsinain ilay vehivavy mitaingina moto io raha mahita azy fa hafahafa be izy.

Nony hitako anefa ilay nitaingina moto dia vao may tapaka ny tsinaiko fa ilay lehilahy  nitondra mitodika any aloha  mazava ho azy saingy  ilay vehivavy  nentina kosa mitodika aty aoriana. Nihomehy mafy dia mafy aho nahita ilay mpitaingina moto  no nisy nanaitra  ny maraina hoe: ndry..ary inona ity mampihomehy anao????

(nofy 6 Oktobra hifoha 7 Oktobra)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb