dailynews | 20 Desambra, 2006 18:27
Marihina aloha fa ity nofy ity dia tsy nofiko fa nofin ny vadiko. Saingy izaho sy ramose hono dia iray ihany ka nozarainy tamiko ilay nofy dia mba raketiko eto ihany koa.
Tany Chine hono izaho sy V. Niainga t@ tanana lehibebe iray hono izaho sy V( Vadiko) ho any @ izany tanany t@ izy mbola kely izany tany @ nisy ny dadabe sy bebeny( nofy marina). Nony teny andalana anefa dia nisy ny fisavana ny tomobilina rehetra izay mandalo satria nisy ny mpioko izay manohitra ny governemanta.
Ny olona rehetra izay nandalo dia nosavaina vetivety ihany fa izahay kosa toa mitady izay tsy handefasana anay ilay mpisava. Nasainy nivoaka ny tomobilina izahay ary nametrahany fanontaniana marobe I V.. Ilay ranamana nanontany moa dia tena hita fa nitady kendritohana fotsiny izao tsy handefasana anay. Mpiasan ny governemanta izy. Na inona na inona fanontaniana voavaly ara dalana sy marina dia mametraka hafa indray izy. Farany moa tafavoaka ihany saingy noho ilay fisavana sy noho ny nataon ilay ranamana dia nanapa kevitra I V.. fa haka ny toeran ny mpiandany t@ governemanta ihany koa. Izany hoe hanao revolisiona hono izany.
Noho izahay lasa mpioko dia voatery niaina ihany koa izahay t@ fiainana enjikenjika, lasa voatery niafina izahay satria dia nanomboka teo dia nenjehin ny governemanta fa mpandala ny revolisiona hono.
Nisy lalana avo izay teo antsisin ny farihy iray sy ny lalambe iray. Avo kokoa noho ilay farihy ilay lalana ary ny tao ambaniny dia tahaka ny tetezana, saingy tsy tetezana no tao fa “cave” ary maromaro ireo mpioko no niafina tao. Izahay anisany ihany koa.
Mba tongatonga saina I V..t@ fotoana nipetrahanay tao ka nahatsiaro ery izy hoe ny trondro anatin io farihy lehibe io izao hoy izy dia tena mba sambatra ery fa manana “freedom” ry zareo.
Tsitapitapitr izay anefa dia hoe tonga hono ny miaramila hisava ny cave nisy anay. Koa lasa nitsoaka daholo ny rehetra. Izhao sy V.. moa dia nisy tomobilina iray izay efa niandry tao ivelany nentin’ny namany atao hoe Yen. Nisy ihany koa mpifankatia niaraka nandositra taminay ary samy niditra tao anaty tomobilina izahay no sady nirifatra nitsoaka samy namonjy ny ainy.
Tao anaty tomobilina hono dia nitaraina t@ V.. aho fa nisisitisiska be izahay rehetra ary sorena tamiko izy hoe: ‘ianao mbola ny comfort- nao no jerenao anefa ny olona aza efa mitsoaka mamonjy aina.”
Nandalo lemaka izany izahay ary ny ilay roa dia feno vonikazo mena sy fotsy . Ny voninkazo ety aloha dia manopy mena fa ny eny aoriana dia fotsy ny lokony. Ary ny ery amin ny manodidina kosa dia ala. Tao antsain I V t@ izay hono dia hoe tena mba milamina koa ety izany an, tahaka ny adino ny olana rehetra.
Nony tafavoaka ilay sahamboninkazo anefa izahay dia maty ny tomobilina. Ny olana anefa dia tsy mba nanana zavatra hanamboarana azy izahay. Soa ihany anefa fa ny zanak I Yen izay 12 taona eo dia toa mahay zavatra tokoa ary mahitahita. Nahita antsy lava lela be izany izy izay mirefy roa metatra teo hatao tornevisy. Iray metara ny lelany ary iray metara ny fitazomana azy, moa va tsy tahaka ireny antsibe drizareo Japoney ireny.
Fa dia hainy tokoa ny nanamboatra ilay tomobilina ary dia tena kevoka ery ny dadany hoe mahay zavatra hono ny zanany.
Dia lasa indray izahay nanohy ny dianay hono …….
(nofy 12/20/06)
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |