dailynews | 27 Desambra, 2006 01:07
Toa samy nanana ny nalehany avy izaho sy V.. saingy ny nifanarahana dia hoe rehefa avy eo mifankahita koa samy nandeha t@ nalehany avy izahay.
Tsaroako t@ izay fa nitondra tomobilina mafy be aho handeha hitady essence tany @ BP haingana fa hoe tsy mandry hono ny tany. Saingy teny andalana anefa dia very ny ilankiraroko ka sahirana nitady izany indray aho ka tsy tonga hatrany @ BP akory fa niodina niverina t@ lalana izay nalehako teo indray aloha fa hoe hitady ilay kiraro hono. Narahiko moramora ary ny arabe sady nijery tsara ny sisiny tsara aho saingy farany niveri- maina ihany fa tsy hitako intsony ilay ilankoraro.
Nony avy eo aho dia tsaroako fa teny Antsahavola indray. Noho ny hotakotaka teo antanana dia tahaka ny tsy dia nahaozo aina loatra aho. Nipaka t@ fiainana rehetra izany satria noho izany olana izany dia miafina koa ny fiaramanidina rehefa misidina fa sao dia misy mitifitra angaha. Ity fiaramanidina iray hitako aza moa dia miafina “radar’ ka dia nanidina ambany dia ambany mba tsy ho tazan ny radar hono. Efa hila hifampikasoka @ fil telefonina sy ny trano mihitsy ny nahitako azy teny @ habakabak’Antsahavola. Hitako ilay vorontsaradia 737 fa mbola ilay logo fahiny no nisoratra teo aminy ihany fa tsy ilay vaovao misy sary ravinala izao. Hitako nandalo fil sy ravimanga izy tetsy amboniko ary tena variana aho fa dia tena ambany loatra tokoa. Ny nahagaga aza dia noho izy nanidina ambany dia ambany dia afaka nitarika kamiao miendrika kontenera tety @ arabe. Io lalana io moa dia tsy taiza fa ilay arabe teo akaiky ny banky afrikana eo antsahavola. Tadidiko fa feno entana be nentin ilay kamiao.
Tetsy andanin izany anefa dia nifanena ihany koa aho t@ mpiara miasa tamiko iray izay tao anaty trano fivarotana . Teo ankavanako Ms.Jescina ary nisy olona iray tsy fantatro teo ankaviako. Teo alohanay kosa I Mr Dee izay nanao tricot mainty toa sesritseriny ihany. Notolorany vilia misy karazana biskoty mamy mihosotra tantely I Ms.Jescina, ary variana aho nijery ilay vilia fa tena miisa folo angamba no sady ngeza tokoa ireo biskoty. Mila hitovy @ haben ny vilia iray ny haben ny biskoty iray ary misasaka eo ampovoany izy ireo. Ilay tantely mihosotra aminy dia betsaka ihany koa no toa mifotetaka ihany. Notolorany vilia hafa ihany koa ilay ranamana teo akaikiko ary farany aho dia nomeny ny vilia fanitelony. Hoy aho anakampo hoe: “tena be calories be koa izy izany sady toa mamy be ny fahita azy avy ety ivelany”. I Mr Dee moa dia faly tokoa fa anniversaire-ny hono androany ka mba faly izy mizara izany aminay. Nojereko ny vidin ny iray @ ireo vilia nomeny anay ka hitako fa 5400 Ar. Tsy naharitra teo anefa aho fa hoe tsy maintsy hanohy ny diako hono.
Toa avy eo ambohijatovo ambany indray no nisy ahy ka hoe hiakatra ny tohatra mankany ambohijatovo ambony iny. Nalalaka be tokoa ilay tohatra raha ny fahitako azy fa tsy tahaka ilay tohatra miendrika lalankely izay fahitako. Raha ny fijery azy dia indroa ny haben ny tohatohabaton Antaninarenina mihitsy angamba. Nony niakatra aho dia nahita fa nisy ihany koa tohatra hafa parallelle taminy tetsy ankaviako, ohatry ny tohatra vaovao ny fijeriko azy fa ilay simenitra-ny mbola tena volondavenona tanora tokoa no sady tsy maloto fa madio be. Nony niakatra kelikely anefa aho dia nisy fihodinana izany miendrika antsasaka noeud nampifanena ireo tohatra roa, hoy aho tany antsaiko t@ izay hoe: mba mi twist (miolakolaka, mifanolana) koa izany tohatra izany an.
Nony tafiakatra aho dia tonga teo @ lalana tsiombikibo. Tery ambanimbany ampitan ny ny “jeune afrique’ taloha iny, efa trano fivarotana akanjo izy izao. Nisy “skate board” mangamanga teo nitsingevaeva miala iray metatra miala @ tany teo ho eo angamba niandry ahy hitondra ahy any @ izay halehako hono. Tsy nisy kodiarana ilay izy. Nanandrana nitsangana aho saingy saika nianjera ka hany heriko dia nipetraka t@ ilay skate, tahaka ireny mipetraka @ banc ireny. Tadidiko fa tsy stable mihitsy ilay mitaingina azy fa tahaka ny hianjera izany foana, tahaka ny hoe misy manozongozona mihitsy angamba fa mba tsy mianjera fotsiny.
Farany aho tonga tao @ ilay trano tokony hiafaran ny diako ihany. Ary ny anadahiko no namoha ny trano. Hoy izy tamiko. Ary taiza ianao fa efa lasa daholo ny olona ?
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |