dailynews | 14 Oktobra, 2006 22:32
Mihevitra aho ny hampiasa ity blaogy ity handrakitra an-tahiry ireo nofiko maro dia maro isankalina izay tsy mitsahatra.
koa mba tsy hanadinoana izany intsony dia ho raketiko eto manomboka izao ireo tantara. Mety tsy hazava na amin iza na amin iza ireo nofy satria tsy ny hitantara tantara no antony fa kosa hiraketana ireo nofiko nandalo.
Koa raha misy olona mamaky eto ka tsy mahazo izay dikany na mahita fa tsy mitombonma ilay tantara dia aza gaga akory satria dia nofiko fotsiny ihany ireo no raketiko eto. Tsy azoko hovaina ary tsy azoko ampiana.
Nitranga teny andalana ary teny amoronkady ilay nofy....
Camion iray miloko maitso, loko maitso tahaka ireny loko miaramila ireny. Misy ambaratonga roa ihany koa ilay camion tahaka ireny bus any angletera ireny, ary izahay mivady dia tany ambony. Nisy madama malagasy vitsivitsy niaraka nandeha voayge taminay tao. Ny iray teo amin ny faha dimapolo taonany angaha na latsaka ary niankanjo rozy mivolomboasary.
Nofiko fa ilay ranamana nitondra tomobilina dia nipetraka teo ankaikiko ary variana nijery sary tamin ny rindrina. Tahaka hoe izaho ilay ranamana tao anaty nofy satria ny masoko no nahita izay nojereny. Ny iray sarindehilahy sa vavy mananika rindrina fotsy ary volontany antitra tsara ny lokon'ilay olona. Variana loatra ilay mpamily nijery ilay sary ary ka tsy nahatondra tomobilina intsony. Tadidiko fa nandeha mafy dia nandeha mafy tokoa ny camion ary tsaroako fa hilatsaka anaty hantsana izany. Ary hoy aho tamin i j..vadiko hoe: " Arovy amin ny ranao izahay Jesosy o " sady nosakambiniko mafy izy tamin izay.
Ny zavatra tsaroako manaraka dia ny nahita ilay camion teny ankady ary izaho sy ilay vadiko ary ireo ramatoa vitsivitsy, telo angaha izy izay dia noho ny hery tsy hay nazavaina (izay herin'Atra hinoako) dia tafala taminy fomba tsy fantatry ny saina avy ao amin ilay camion ka tery ambony izahay no nijery ilay camion.
Nahita olona vitsivitsy aho tsy tapitapitr'izay tery ambany nanao akanjo miloko voasary mandarine ary nihezaka izy ireo hanadio sy hijery ny entanay izay tavela tao anaty camion. Amin ny maha nofy azy dia tsy fantatro raha nisy ny maty tao anatiny sy inona no niafaran ireo olona izay tao anaty camion.
Ny iray t@ ireo olona tery ambany ireo dia nampiasa tomobilina mpitondra entana hangalarana ny entanay ..ary tsy tapitapitr'izay dia iny nisy ihany koa tomobilina mpitatitra entana izay ngeza kokoa nanimba io mpitatitra entana volohany io satria dia hay mpangalatra izy ireo. Tadidiko fa nesorin 'ilay fiara lehibe ny kodiaran ilay fiara kely ary nopotehiny izany ary nopotehiny tanteraka tokoa io fiara kely io ary dia nitehaka daholo ireoolona manodidina. Tsaroako ihany koa fa ilay mpamily n ilay fiara mpitatitra entana kely dia nalain 'ny mpitandro filaminana fa mpangalatra.
Taorian io dia voatery nitady hotely izaho sy j..satria tsy maintsy handry eo amin io tanana kely io. Tsaroako fa nisy trano mena izay akaikin ny fandehanan ny lamasinina. Nandalo io izahay ary tsaroko fa nahita hotely kely teo ambony fivarotana. Nitady sakafo izahay ary tsy nahita hafa tsy mpivarotra zava pisotro ary dia naka rano haingana no natao ary niverina tany antrano.
Tsaroako ihany koa fa nitady toerana hivoahana aho ary tafiditra tany amin ny toerana izay hivoahan ny lehilahy....ary nony tafiditra tao aho dia gaga fa tsy nahita vehivavy. Nanontany an izy ireo aho t@ izay hoe inona no ataonareo ato? Tsy nisy namaly akory aho fa hany heriko dia nihazakazaka nitady ny trano fidiovan ny vehivavy...tsaroako fa variana ho nijery ilay signe teo amin ny varavarana fa Wo..fotsiny no nambara teo fa tsy hoe women...dia hoy aho anakampo hoe izany angamba no tsy nahitako azy.
Taorian izay dia tsy tadidiko intsony, tafahoha vao maraina aho izany.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |