dailynews | 19 Oktobra, 2006 17:03
Tao an efitra iray nisy ankizy vitsivitsy izay teo ampiandrasana ny RAD izy ireo ho tonga haka azy. Ny rindrina teo aloha dia fitaratra fotsiny ihany hany ka nampazava tokoa ny tara masoandro izay tafiditra tao an’efitra.
Tsaroako fa nisy ankizy vistivitsy teo anilako, ary tsaroako fa anisan izy ireo Isabella.
Nony nannontaniako anefa Isabella hoe iza no anaranao dia hoy izy tamiko hoe “ Annalla”. Nampakariko teo ampofoako izy ary ny zava tsaroako t@ izany dia niha navesatra ny lanjany. Zipo mainty kely sy t-shirt fotsy no nanaovany. Hitako fa efa niha lehibe izy ary hitako fa nahazo taona kokoa noho ny tamin ny hitako farany izy. Mihendrika ho zazavavy kely eo amin ny faha -7 taonany izy izao.
Tsaroako fa niandry ireo RAD ireo ankizy vitsivitsy ireo aho. Tsapako fa fantatro daholo ireo olona ireo na dia tsy hitako aza ny endriky izy ireo hafa tsy Isabella. Hitako ireo RAD sasany izay efa tao anatin’ilay efitra miendrika aloka manga atitra ary ny sasany aloka mainty fa ny tarehin izy ireo dia tsy misy hitako. Ny zavatra tsaroako dia tahaka ireny manao akanjo manga fanaovan ny mpanamboatra tomobilina ireny izy ireo.
Tsitapitapitr izay dia tafavoaka teny ivelany aho ary nahita an I Sarah izay nizotra nanatona ahy. Toa niresaka kely angaha izahay. Tsaroako ihany koa fa tery ampita dia nahita an I Shironda aho. Nanao akanjo mivolotany sy mitsipika mena izy. . Nampitandrina ahy izy fa “ spy” ( mpitsikilo ) hono I Sarah. Hitany hono izy nisava ny toerana fametrahan ny tsirairay entana androany ( locker room)
Tsaroako ihany koa fa handeha hody aho sa handeha amin ny toerana iray izay efa fantatro tsara. Nitondra tomobilina 4x4 fotsy efa antitra izany aho. Tsaroako nilahatra teo anoloako hazo telo izay nanamarika fa teo no hiviliana any antrano. Saingy nony nivily aho dia tsaroako fa diso lalana na dia fantatro mazava tsara aza ireo hazo ireo. Ny trano izya hitako dia tsy ny nomerao ny tranoko izay tokony halehako fa nomerao hafa mihitsy, ary tsy izany hany fa numerao karazany roa no teo amin ilay trano, ny iray 416 ary ny iray 202. Hoy aho anakampo iza amin izy ireo ary no tena izy?
Taorian izay dia tsaroako fa niaraka indray kosa t@ anadahiko aho hitady ny tranoko. Ny nahavariana ahy dia tunnel daholo ny lalana rehetra naleha , tunnel fotsy antitra mitovy ami ny lokon ilay 4x4. Tsaroako fa dia nazava tahaka ny fahazava ny masoandro tao amin ilay tunnel. Tahaka ny bus na train izany no nandehananay, ary ny lalana ihany koa dia toa sady lalana train no lalana tomobilina. Gaga aho fa nahita olona vitsivitsy handeha hiampita lalana ary hoy aho anakampo hoe hay tafiditra hatraty koa ny olona?
Niandry azy ireo hiampita ny anadahiko ary nilaza tamiko fa handeha ihany koa izy hanatsotsotra ny tongony fa reraka.
Nisy rano tanaty dobo izay lava no sady mahitsy zoro. Ary nisy toy ny tetezana vita amin ny hazo kely nanapaka ilay dobo. Hoy ny andahiko hoe handeha hisoty eo ambonin io rano io hono izy fa tsy handalo ilay tetezana. Ary variana aho fa nony nisoty izy dia nipaika kely tamin ilay rano ny tongony ilany anefa tsy nistoboka tao anaty rano akory dia ny tongony ilany kosa nihezaka hijanona tetsy ampita, tsy tratrany anefa izany ka dia nianjera testy ambany izy. Tsaroako fa mbola nisy rano ihany koa tetsy ambany ary tahaka ny dobo filomanosana ihany koa ilay izy ary marivo. Tsaroako fa taila fotsy antitra ny taila teo no sady misosa mandeha tahaka ny hoe renirano izany ny rano tao anatiny.
Gaga anefa aho fa hay ny akanjon ny vadiko no nanaovan ilay andahiko izay tsy tafihetsika tao anaty rano nony nianjera tao.
Toa safotra sa renoka natory ny fahitako azy. Hiondanany ny tanany ilany ary ny tongony ilany ihany koa dia miakatra anefa ny faladiany mipetraka aminny tany ihany. Tsy nahatsiaro tena izy t@ izay.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |