dailynews | 01 Martsa, 2007 00:48
Ny vavaka izay mazava ho azy fa resaka hifanaovana @ Atra dia zava dehibe indrindra eo amin ny fianana kristiana satria dia azo lazaina fa io no ain ny ny fianana kristiana iray noho ny fifaneraserany @ Atra. Ny kristiana mivavaka no zavatra atahoran ny devoly indrindra satria fantany fa ao anatin ny vavaka no hery ananan ny kristiana iray. Ary tsy mahagaga fa ny vavaka no zavatra attaquer-ny devoly voalohany indrindra hiala @ fianan ny kristiana iray aloha, ny fisehon ny fahalainana manao ny sitrapon Atra aty aoriana dia efa vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisian ny vavaka fotsiny ihany sisa. Ny fidirana ampiangonana sy ny maha membre amin ny antoko isankarazany ao ampiangonana dia tsy mampaninona azy mihitsy rehefa mbola atao routine, fa rehefa manomboka hivavaka sy hanao serieux izany zavatra izany ny olona iray no matahotra izy ary ataony izay hialan ilay olona amin io fa manembatsembana ny fanjakany izany satria ny olonmbavaka ihany no afaka ny hamotika ny asa ratsiny rehetra, sy afaka manova izay planina rehetra napetrany hamotehana ny fiainan ny olona iray noho ny vavaka izay ataony. Ny fiasan ny fivavaky ny marina hoy ny Tompo no mahery indrindra.
Saingy ny mila tsaroana dia tsy hoe fangatahana fotsiny ihany ny vavaka fa tafiditra ao ny fanomezamboninahitra an Atra, ny fifonana, ny fisaorana, ny fivavahana ho an ny hafa, ny fangatahana, ny fametrahana ny fiainana rehetra eo ampelatanan Atra…. ary ny famaranana ny vavaka @ alalan ny hoe “ @ anaran I Jesoa, amena”.
Tsy formule ihany koa ity vavaka izay zaraiko ity fa kosa mba hahafantarana kely hoe inona no mitranga anaty vavaka satria dia rehefa miresaka amin ny olona eny dia mahare foana hoe: fa inona kay no atao anaty vavaka e, tsy hitako mihitsy izay lazaina.
(tohiny)| « | Martsa 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |