dailynews | 15 Novambra, 2006 00:58
Raha ny tantara n’i Sodoma sy Gomora dia efa nahitana sahady ny tsy fankasitrahan Atra ny resaka fifanambadiana na firaisan ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy, satria dia nofongariny tanteraka tokoa izany tanana izany noho ny fahotana mamoafady tao amin io tanana io. Manampy trotraka izany ihany koa ny teny izay voasoratra ao @ Romana 1: 26-27 “Izany no nanolonan’Atra azy ho amin ny filandratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ho amin ny izay tsy fanaony. Ary tahaka izany ihany koa ny lehilahy fa namela ny fanao t@ vehivavy izy ka maimay t@ fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany” ary raha jerena ny teny anglisy izay mbola manazava kokoa “ Because of this , God gave them over to shameful lusts. Even their women exchanged natural relations for unnatural ones. In the same way the men also abandoned natural relations with women and were inflamed with lust for one another. Men committed indecent acts with other men, and received in themselves the due penalty for their perversion”
Tsy ireo olona izay manao izany ihany fotsiny ihany koa anefa no tsy sitrak’Atra fa izay rehetra ihany koa mankasitraka izany. Midina Romana 1:32. “..dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen Atra fa izay manao izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa ny mankasitraka ny manao koa” adika indray “ Although they know God’s righteous decree that those who so such things deserve death, they not only continue to do these very things but also approve of those who practice them”
Ny amin io aloha izany dia tsy ampiako intsony hoe mety ve io karazana fitondrantena io sa tsy mety. Ny tenin Atra dia nahalaza azy.
Fa ny fanontaniana mipetraka tamiko dia hoe ahoana kosa ary ireo olona izay tsy nisafidy malalaka io lalampiainana io fa kosa efa teraka tao anatiny t@ izy mbola fahazaza ny fironana amin ny olona mitovy sexe aminy? Diso ary ve izy ireo? Tsy fanahy iniany anie.
Na dia fantatro tao ampoko aza fa fahotana ny manao izany na inona na inona no antony dia tsy haiko kosa ny valin’io fanontaniana eo ambony io. Ary nampanotany tena ahy hoe, mila voatsiary ve izany Atra no manontany zavatra avo loatra sy tsy takatra tahaka izany ho an ireo izay tsy manantsiny akory. Ahoana no maha fahotana azy raha toa ka efa natioraly anaty tena ilay izy?
Nieritreritra io fanontaniana io nandritra ny fotoana maro aho ary nihanazava tsikelikely tamiko ny valiny rehefa nivavaka aho hanokafan’Atra ny masoko momba an io.
Voalohany indrindra dia hoy Izy hoe “ Izy no Atra tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay”, koa raha tsy miova izy izany dia midika izany fa raha fahotana t@ 2000 taona lasa dia mbola fahotana izy androany. Dia mbola fahotana izany io na hiodinkavia aho na hiodinkavanana ary tsy afaka miady varotra hoe, tsy tokony fahotana intsony satria anie ny taona iainako izao efa moderina ary ny gazety, ny tele, ny horonantsary sy ny ankamaroan ny olon amanodidina ahy dia miaiky fa tsy maninona io fomba fiainana io fa tsy tokony hanao tery saina aho. Fa ny mila tadidiko dia hoy ny Tompo hoe Izy no tsy miova…., koa raha te hanaraka io Tompo io aho izany dia mila mitovy fijery aminy aho izany eo anatrehan io ihany koa , eny fa na dia ny manodidina rehetra mihitsy aza no manohitra izany. Mampahatsiahy ahy ny nolazain ny pasiteranay ahy,. Raha toa ianao hoy izy kristiana anefa ny fomba fijerinao mitovy amin ny fomba fijerin Izao tontolo izao ary tsy misy mahasamihafa azy mihitsy dia mila mandinintena ianao izay hoy izy fa misy zavatra hafahafa ao.
Faharoan izany dia nampahatsiahivin ny Tompo ahy ihany koa ilay teniko hoe tsy fanahy iniany anie e, dia misy ny teny ao amin ny Hosea 4:6 hoe “ Ringana ny oloko noho ny tsy fisian ny fahalalana”. Dia resy lahatra aho hoe, tena ny tsy fahalalana marina tokoa moa izany .
Fahatelon izany ihany koa dia nampatsiahivin ny Tompo ahy fa matoa Izy mitaky zavatra amiko hataoko, dia misy izany ny lalana ahazoako mivoaka io zavatra takiany io. Koa raha nitaky izy fa tsy masina ary fahotana ny resaka “homo” dia misy foana izany lalana ahazoana miala amin io toe piainana io na dia hoe heveriko hoe natoraly aza. Dia hoy aho hoe: “ ngeza loatra Tompo ilay lalana ???” dia hoy ny Tompo hoe: “raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo hoy Izy dia hataoko izany. Koa inona no sitrapon ny Tompo? ..koa hoy aho hoe..hmmm…raha sitrapon ny Tompo izany ny hialana amin ny toetra na fianana tahaka io na dia hoe efa tao anatin ny tena h@ mbola kely aza dia afaka alany izany ary afaka sitraniny. Tahaka ny aretina ihany, na dia teraka niaraka t@ aretina aza ny olona iray..dia tsy ho sitranina ve satria efa hoe teraka niaraka t@ io izy raha fantatra hoe tsy mety ilay izy??? Afaka sitranina izany saingy ilay olona mihitsy mila manaiky fa diso io fomba fiainana io ary mila manantona ny Tompo izy ary mitaraina ny hanasaitranana azy.
Tahaka ny aretina, Hoy ny Teny hoe “ Ny diankapoka taminy no nahasitranana antsika”( Isaiahy 53:5)..afaka manasitrana io izany ny Tompo matoa Izy nilaza fa tsy mety io. Dia na inona na inona fitranganjavatra dia afaka manao izany Izy raha nangataka ny olombelona hanao izany. Fa dia ny atao dia tsy ny mandeha irery kosa hialana amin’ilay fomba fiainana, satria dia mino aho fa tsy herin olombelona na saina tsy mahala amin izany. Raha matanja tsaina be ny olona iray ka hafa miala amin izany dia arahaba soa arahaba tsara. Saingy matetika ny tranga dia tsy izay satria dia mino ihany koa aho fa resaka fanahy maloto, izay hantsoindry zareo anglisy hoe “perverse spirit” ao antin ilay olona izay mila alana satria dia milentika hatrany amin ny maha izy azy any mihitsy. Koa mila miresaka amin ny pasiterany izany io olona io na ny mpiandry ao ampiangonany ary mitsotra hoe izao no manjo ahy sns…
Dia raha afohezina anaty teny fohy izany ny fahitako azy , dia afaka manasitrana io fomba fiainana io Atra matoa Izy nitaky izany. Misy ny lalana izay nomeny hivoahana na efa noheverina fa natioraly aza izy io, satria dia tahaka ny aretina ihany. Na tsy manantsiny aza ve izay tratran ny aretina dia avela eo fotsiny fa tsy ho tsaboina rehefa fantatra fa tsy mety ilay izy satria hoe efa natioraly teraka tanaty tena:??
Miala mahafantatra anefa ary mila miaky fa tsy mety io ary hanomboka hanaiky kosa ny Tompo hanao ny asany. Ary ny mahafaly dia hoy ny Tompo hoe: Ny zavatra rehetra dia hain Atra atao” Matio 19: 26. Raha tsy haiko sy tsy takatry ny saiko ny fomba hivoahana amin izany toe piainana tsy ankasitraha ny Tompo izany satria hoy aho hoe efa lalina be ilay fakany any anatin ilay olona, tsy tokony mesurer ko amin ny tsy fahaizako ny Tompo. Na tendrombohitra aza hoy izy azoko hafindra raha misy ny finoana. Koa na efa tahaka ny tendrobohitra be aza ny famakan io fomba fiainana maloto io anatin ny olona iray io dia
Mino aho izao fa misy ny lalana hivoahana amin izany ary tsy mila voatsiary Atra fa manome lalana hivoahana tsara raha ni exiger izany Izy.
Asa raha mazava ihany ny ambarako fa na tsy mazava aza dia ny Tenin Atra fotsiny alaina fa iny marina foana. Ny zavatra voalazako voafetra ihany.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |