dailynews | 22 Novambra, 2006 02:46
Nofiko fa tany Egypta aho. Niaraka t@ olona vitsivitsy tahaka ny mpitsangatsangana sa delegasiona angaha.
Tonga tany ambony rihan irony trano avo dia avo irony izahay , tany @ faha 40 ny rihana angamba. Niala teo @ ireo namako aho ary nijery ny teo ivelany avy amin ilay rindrina fitaratra. Nahatazana ny rehetra teny ampita aho t@ izany ary dia variana tokoa. Hitako fa nisy trano avo be ihany koa teo ampita ary tsaroako fa trano manao patte d’elephant ny endrik’ ilay izy( raha tsy diso aho toa misy trano tahaka izay eo anosy).
Hitako avy ety ambony fa nisy liona roa miloko varahina haingon tanana tetsy ambany. Raha jerena avy ety ambony avy eo @ nisy ahy ny haben ilay liona dia tahaka ny mitovy habe @ alika matory eo akaikiko kely eo. Anefa izany dia tena lavitra be ery ambany ery mihitsy… midika izany fa dia tena ngeza be tokoa ireo liona varahina roa no sady midadasika mameno ny tanana. Tahaka ny habeny ranon anosy angamba ny haben ilay liona iray.
Natopiko ihany koa ny masoko teo ankavanako ary ny lalana dia tahaka ireny @ digue ireny, misy rano etsy anila. Tadidiko fa miloko turquoise manopy maitso izany ny ilay rano.
Tetsy ambany kosa dia nisy olona namoaka biby buffalo maro be . Niakanjo mavo ilay rangahy ary nisatroka ihany koa. Tahak aireny akanjo fotsy ny miaramila rehefa manao fety ireny ny akanjony, misy bokotra efatra eo aloha. Nitana saina mena izy ary nisatroka mavo, moa va tsy tahaka ny satrok ireny mpanao majika ireny saingy mavo fotsiny ny lokony.
Nanokatra varavaran ilay trano mavo teo ankavanana izy ary nihazakazaka nivoaka ireo buffalo maro be. Ilay ranamana moa dia tahaka ireny torero ireny no fijery azy. Tsaroako fa ny iray t@ ireo buffalo dia nisy lefona nitsatoka teo amin ny lohany, mbola velona anefa izy ary nihazakazaka. Ireo buffalo namany kosa dia tsy voloina fa nalama dia nalama ny hodiny ary mainty manompy volondavenona ny hodiny, moa ve tsy tahaka ireny trondro tsy misy kirany ireny ( catfish indrindra indrindra).
Niala teo @ ilay rindrimpitaratra ary aho ary nandeha namonjy ireo namako tany anatiny. Indreo hitako fa nisy olona vitsivitsy niresaka teo . Nanatona ny rahavaviko aho satria teo ihany koa izy ary nipetraka teo akaikiny, ary tadidiko fa nahita vehivavy aho tetsy ampita nipetraka nanao zipo mavokely karokaro misy tsipika mainty manapaka, nanao solomaso ilay vehivavy ary tsaroako fa natevina tokoa izany solomasony izany. Dia hoy aho taminy: “ ianao angamba Malagasy o? toa tahaka ny Malagasy izany ianao.” Dia hoy ny navaliny hoe:” ie, malagasy aho ary miasa ato amin ny U.N (United Nations)
Nony tafavoaka tao ary aho dia nahita saka kely tany ivelany, mavo ny lokony; nandalo tao antsaiko t@ izay fa avo loatra ilay trano ary tsy tafiditra any anatiny izy na dia noana aza. Nalahelo ilay saka aho ka niantso azy: “ Miao, miao, miao ..” nihazakazaka hanantona ahy ilay saka anefa dia iny fa nisy kamiao ngeza be ( rigs) tokoa nanapaka. Mitovy amin ny lokon ilay rano ihany koa ny lokon ilay kamiao. Turquoise manopy maitso ihany koa Hitako fa nitsambikina teo @ par a choc ilay saka kely ka tsy naninona. Ouf….. nony avy eo dia hitako izy niala teo @ ilay par a choc ary nivadika testy anilan’ilay kamiao na dia mbola teo amin ilay kamiao ihany aza, ary nandehandeha teo…tsaroako anefa fa mbola nandeha ilay kamiao t@ izay.« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |