Nanao Mission ( nofy faha-5)
dailynews | 15 Desambra, 2006 18:15
Samy nitsotsotra teo ambony fandriana izaho sy ny vadiko( antsoiko hoe V..). Ilay toerana dia tahaka ny efitra fatorian ny anadahiko t@ izaho mbola kely. Ilay fandriana moa dia nisy couvre-lit izay ary manga tanora ny lokony, vita @ laine. Rehefa nitsotsotra teo izahay dia samy vonona kosa handeha @ programanay tsirairay avy io hariva io. I V..moa dia handeha hanao baolina kitra. Izaho kosa dia handeha hanaramaso an’i M..sy C… Izy roa vavy ireo dia 16-17 taona ary cousines ny ankizy namako. Saingy androany hariva izy ireo dia nindrana ahy hiaraka aminy fa mila olondehibe hono izy ireo miaraka aminy( tsy haiko hoe ho aiza )
Tsaroako fa t@ enina hariva ny fotoana tokony hahatongavako tany amin izy roa vavy ary I V..no ho hanatitra ahy.
Noana anefa I V..ary nandeha tany @ izany mpivarotra izany izahay. Nindrana ilay mpiasa tao aty I V.. haka boite- na “sweetpeas”( petipoa) ho azy. Variana aho fa naniraka ilay olona izy anefa anie ka sel-service ilay fivarotana e, tsy azoazoko ny aiko t@ izay.
Dia natolotr’ ilay mpiasa ary ilay boaty ary variana aho fa sarina katsaka no teo amin ilay izy fa tsy petipoa. Dia hoy izy t@ ilay mpiasa tao “katsaka ity fa tsy sweetpeas”. Dia nalain ilay olona ilay boaty ary nosokafany ka nohaniny ny tao anatiny.
Gaga indray aho fa voanjobory sy hena ny tao anatiny. Ary raha ny fijeriko azy dia tena natsiro tokoa. Fa ny tena nampitolagaga dia ilay ranamana nihinana azy tahaka ny fihinan ny alika ny sakafony no fomba nataony. Napetrany teo @ tany ilay boaty, nitsangana izy nihinana azy, ary noraofiny t@ tanany ny tao anatiny. ….
Nony tafaverina tany antrano izahay dia efa nandeha haingana tokoa ny fotoana fa efa @ enina latsaka fahefany izao. I V.. dia variana nanao zavatra hafa indray ka hoy aho ny farany. “Aleo aho handeha tongotra fa efa tara be izao”.
Dia lasa nandeha tongotra aho. Tsaroako fa iny lalana Arrachart mandeha mankany @ Diego ville iny no lalako. Hoy aho anakampo hoe, toa lavitra ihany ny lalana fa aleo aloha aho haka taxi. Maizina moa ny andro t@ izay ka tsy hitako hoe karazana tomobilina inona no mandalo. Nisy tomobilina hitako nandalo saingy tsy nosakanako satria tsy fantatro hoe inona. Nony efa lasa ilay izy vao hitako hoe taxi tsy nisy olona kay.
Dia nisy tomobilina indray hitako tonga miala any nony nitodika tao aoriako aho. T@ ity indray mitoraka ity dia tonga dia nosakanako fotsiny ihany ilay izy. Soa ihany fa taxi. Taxi mavo 4L izay ilay izy ary vazaha no nitondra azy. Moa fa tsy ilay vazaha hitako t@ tele omaly io?? Toa nitovy be. Nanao t-shirt gris izy ary ny masony manga be ary ny volony mavo.( blond ) “Ho aiza ianao hoy izy”. Teo aho fa niakanakana.. tsy fantatro akory aho hoe ho aiza. Farany dia hoy aho taminy hoe ho any @ ABC building hoa izaho. ( ho anareo izay mahafanatra dia ilay sekoly abc ao diego io resahiko io). Dia lasa izahay.
Nony teny andalana dia hitako fa hay nisy olona hafa ko tao anaty taxi. Gagaga aho fa teo akaikiko ireo olona no nipetraka anefa dia tena mbola nalalaka be ilay taxi- 4L. Mpivady izy ireo raha ny fahitako azy ary arabo ilay vehivavy. Tadidiko hoe arabo- amerikana izy satria izy ilay vehivavy hitako nitory ny korana t@ tele omaly ihany koa. Nanao akanjo lava manga izy ary misy dentelle fotsy ny manodidina. Mainty ary fohy ny volony. Ilay vadiny ihany kosa dia nanao akanjo mainty lava ihany koa moa ve tsy tahaka ireny akanjona mompera ireny. Nisotro coca izy ireo t@ tavoahangy plastika iray ary nifampizara. Ni gesta be izy ireo hoe tsy coca amerikana hono io sotroiny io fa coca frantsay. ( ny atmosfera tao anatin ilay fiara karetsaka dia tahaka ny hoe nitranga tany amerika ilay tantara). Dia hoy ilay rangahy tao aoriana( ndry, hay nisy olona koa tao aoriana, sady nisy seza ihany koa), mba omeo kely hoe izaho hanandramako izany coca frantsay izany. Koriko be aho teo satria hoy aho anakampoko hoe, dain… iza koa no hifampizara germs( mikroba) amin io olona io, mba tsy mahalala fomba kah.. Fa dia tsy nampaninona ireo mpivady izany fa dia nozarainy tokoa ny coca-ny dia samy nisotro t@ vavantavoahangy iray izy ireo.
Farany tonga tany @ nalehako aho. Gaga indray aho fa nahita olona nilahatra teo @ roapolo teo angamba ary izy roa vavy no tery aloha. Tahaka ny olona manao akanjo mavokely izany daholo ny hitako. Ny fahitako ireo olona dia tahaka ny olona mitady asa izany satria toa nanome ny CVs- ny an izy roa vavy izy ireo.
Dia nony tonga ny tour – ko dia hoy aho hoe: ndry fa angaha tsy ho efa izaho no manara maso anareo roa vavy androany hariva indray? Dia nobitsibitsihiny aho hoe… efa ianao no nofidianay fa kosa fomba ivelany fotsiny ihany ilay mody mi – recruter olona hafa kah. Aiza ny CV nao? Dia nomeko azy ny CV ko. ( hay nisy CV izany koa) dia hoy izy hoe, ary oviana ianao no teraka? Toa taona 210.. no ato? Hay diso aho kah..taona 2107 io kay io. Dia hoy izy ireo, andana miverina any antrano ary fa antsoinay ianao.
Dia niverina tany antrano indray aho hoe niandry azy ireo hi tel indray hono izany, dia nony mbola tsy tonga ny tel n’izy roa vavy dia tonga ny maraina.