dailynews | 11 Janoary, 2007 17:22
Ny baiboly dia milaza fa toetra fito no maha Mpanjaka ny mpanjakako… mpanjakan ny jiosy Izy; mpanjaka @ alalan ny fihaviana izany… Mpanjakan Israely Izy; mpanjaka @ alalan ny firenena izany… Mpanjakan ny fahamarinana Izy …Mpanjakan ny fotoana rehetra Izy ..Mpanjakan ny lanitra Izy..Mpanjakan ny voninahitra Izy…. Mpanjakan ny mpanjaka Izy ary Tompon ny tompo. Izany no mpanjakako. Manontany tena aho hoe..fantatrao ve Izy? Davida dia nilaza fa “ Ny lanitra manambara ny voninahitr Atra ary koa mampiseho ny asan’ ny tanany”. Ny mpanjakako dia mpanjaka tsitohaina. Tsy misy azo hamarana ny fitiavany tsy manampetra. Tsy misy teleskopy izay afaka hahitana ny moron ny fiahiany ahy izay tsy hita noanoa. Tsy misy fefy izay afaka manakana Azy tsy handrotsaka ny fitahiany. Maharitra ny heriny…mahatoky tanteraka Izy… tsy voahozongozona mandrakizay Izy…tsy ho faty mandrakizay ny fahasoavany. …lehibe ny heriny…tsy manampaharoa ny fihantrany….. fantatrao ve Izy?
Izy no tranga lehibe indrindra izay nandalo ny faravodilanitr ity izao tontolo izao ity. Zanak Atra Izy…Mpamonjy ny mpanota Izy…Izy no ivon’ ny sivilizasiona….mitsangana @ maha-Izy Irery Azy Izy… lehibe Izy…Tokana Izy…tsy manampaharoa Izy…tsy misy ny teo alohany….Izy no hevitra ambony indrindra @ literatiora…..ny maha Izy Azy no avo indrindra eo @ filozofia…Izy no olana goavana indrindra @ fitsikerana izay lehibe indrindra…Izy no fototry ny fampianarana marin ny ny teolojia…...Izy no kardinaly ilaina indrindra ho an ny finoana..Izy no fahagagan ny fotoana rehetra.. Izy no ambony indrindra @ izay rehetra tsara tianao hiantsoana Azy….Izy irery ihany no mahasahana ny toetra rehetra ananan ny hoe mpamonjy mahefa…manontany tena aho raha fantatrao Izy androany?
Ny fiahiany dia hery ho an ny malemy…vonona hatrany Izy ho an ireo izay misy maka fanahy sy misy mandalo fitsapana…miantra sy mamonjy Izy…mampahery sy mitondra Izy …miaro Izy ary manoro lalana….manasitrana ny marary Izy….manadio ny boka Izy…. Mamela ny heloky ny mpanota Izy….manilika trosa Izy…manafaka ny voafatotra Izy…miahy ny reraka Izy….mitahy ireo tanora Izy…manompo ireo tsy manana Izy…mijery ireo antitra Izy…mamaly soa izay mazoto Izy…manatsara ireo manetry tena Izy…Manontany tena aho hoe fantatrao ve Izy?Fa izao, ny mpanjakako…dia mpanjaka…Izy no fanalahidin ny fahalalana….Izy no loharanon ny fahendrena….Izy no varavaran ny fanafahana….Izy no lalana fiadanana.…Izy no lalan ny fahamarinana….Izy no lalamben ny fahamasinana… Izy no vavahadin ny voninahitra….fantatrao ve Izy?
Maro dia maro ny asany….azo itokisana ny fampanantenany……Tsy manampaharoa ny hazavany….tsy misy fetrany ny fahatsarany….tsy manampitsaharana ny fihantrany……tsy miova mandrakizay ny fitiavany…ampy ny Teniny….ampy ny fahasoavany….marina ny fanjakany….ary mora ny ziogany, ary maivana ny entany. Maniry aho mba hahay ny hilaza aminao hoe tahaka ny ahoana Izy, saingy tsy hay hazavaina Izy …tsy hay fantarina Izy…tsy misy maharesy Azy…tsy misy mahatohitra Azy.
Izany hoe, tsy afaka alanao ao antsainao Izy….ary tsy afaka ny esorinao @ tananao Izy…tsy afaka ny hiaina mihoatra Azy ianao, ary tsy afaka ny hiaina tsy misy Azy ihany koa….tsy nahazaka Azy ny fariseo, saingy fantany nony avy eo fa tsy afaka ihany koa izy nanohitra Azy…Pilato dia tsy nahita fahadisoana teo Aminy….tsy vitan ireo nijoro vavolombelona nanohitra Azy ny nampitovy ny teny vavolombelony…Heroda tsy nahavita namono Azy…ny fahafatesana tsy nahazaka Azy, ny fasana tsy nahatazona Azy. Eny!!!, izany no mpanjakako, izany no mpanjakako. Ray…“Anao ny fanjakana…sy ny hery…ary ny voninahitra”.. mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay ary mandrakizay. Maharitra hafiriana izany? Ary ho mandrakizay, mandrakizay…ary rehefa vitanao ny mandrakizay rehetra dia..Amena, Amena!
S.M Lockridge (Nadikan' i dailynews avy t@ teny anglisy ho @ teny malagasy 1/11/07- Do You Know Him?)
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |