dailynews.blaogy

Vonoan' Olona ( nofy faha- 8)

dailynews | 15 Janoary, 2007 04:01

Efa hariva ihany ny andro t@ izay. Nitsofoka t@ parking moramora aho fa saika hanajanona  ny tomobilina noentiko. Nony nitsofoka tao anefa aho dia taitra sy nangovitra nony tonga saina fa teo anelanelan ny tomobilina izay nijanona teo, izay marihina fa mainty daholo ny lokony dia  nisy fatin olona telo nivalampatra teo @ godorao.

Ny iray volaohany hitako dia lehilahy manao gilet misy sarina clavier-na piano.  Nony nandalo aho dia nisitrika kokoa tao ambany tomobililina izy nefa hoe maty hono. Toa ankizy nanao fangalampiery izany ka niafina izay rehetra mandalo mba tsy ho tratra.

Ny faharoa sy ny fahatelo indray dia teo anelanelan ny tomobilina samihafa no nivalampatra. Samy nihosondra izy rehetra ireo ary teo ankavanako no nisy izany rehetra izany fa ny ankaviako dia babangoana.

Natahotra aho ary nitsoaka nandeha nitady polisy haingana. Nivoaka ny parking aho ary nivily miankavanana, nandeha kelikely fotsiny aho dia nivily ankavanana indray mandeha farany ary indro aho fa nahita jiro manga sy mena nipiapika. Tomobilina polisy io. Najanoko teo ny tomobilina ary lasa aho nanatona ilay polisy.

Mainty hoditra izy ary sola loha no ranjanana be no sady nofosana ihany, angamba tsy efa ho roa metara iny. Nanao akanjo manga izy, ary raha ny fijery azy dia polisy amerikana izy raha ny tomobiliny sy ny fombafomba fiankanjony. Nitangoronan ny olona izy fa toa nandamina adin ny mpivady tao @ ilay trano notsidihiny io. Nitan-kiho izy ary natsofoko moramora teo @ kihony ny tanako no sady nahontsakontsako avy eo mba hangalana ny sainy ho any amiko. Sady nikikiaka aho nilaza taminy fa misy “3 murders” hoa atsy @ parking atsy. Nony naheno izany ireo olona vitsivitsy izay nitangorona teo dia samy nihazakazaka niaraka tamiko sy ingahy polisy daholo ho any @ ilay parking izay marihina fa tsy lavitra teo.

Nandalo lalankely izahay ary nandre feo mierona tahaka ireny liona ireny. Nony nojerena anefa dia hita fa orsa ilay izy. Saingy dia orsa hafa kely. Raha ny fijery azy avy ety ivelany dia ngeza sy avo tokoa ilay biby.  Tahaka ny trano tsy misy rihana ny habeny sy ny halavany ary volontany ny lokony. Toa sady masiaka no mampatahotra izany ny  fijery azy ary tahaka ny efa orsa efa maty izany ihany koa ny fijery azy; moa va tsy tahaka ireny zombie ireny. Mizaijaitra daholo ny aminy manontolo fa feno tataka ny vatany sy ny tarehiny. Ny masony dia mahita anefa mikipy izy.

Izay nandalo teo @ parking dia notrerominy sy nokapohiny  t@ tanany saingy tsy nahatratra na iza na iza na iza izy. Samy nandalo tsirairay teo alohany izahay rehetra saingy vitan ny nihazakazaka dia vita. Ingahy polisy no teo alohako.

Mbola hitanay ilay fatin olona nanao gilet nivalampatra teo. Nony nivily kely tao ambadika anefa izahay dia tsy hita izay nanjavonan ny fatiny sy ireo roa hafa.

Ireo zavatra notantaraiko dia  tsy ninoan ingahy polisy  intsony fa hoe tena nahita izany faty izany marina ve hono aho sa zavatra noforoniko fotsiny ihany izany? Nefa anie vao tsy ampy firy segondra teo no niara nahita maso azy izahay e.

Nahita fianakaviana meksikana ary izahay teo akaiky teo fa nanana karavanina fotsy izy ireo izay sady tomobiliny no toerana hipetrahany. Mpivady sy tovovavy kely eo @ faha 12 taonany angamba. Nanontany azy ireo ingahy polisy raha nahita faty izany izy ireo. Dia sady niteny Espanola izy ireo no namaly  hoe teo foana hono izy ireo fa tsy nahita faty izany. Tsy azoko izany hoy ilay polisy fa adikao amiko hoe mantsy ahy. Dia nadikako tamindra-polisy hono ny teny Espanola fa be diso be ny dikanteny nolazaiko. Ny zavatra rehetra nolazainy teo dia nadikako t@ teny iray tokana  ihany  dia hoe: “porque no?”(pourquoi pas hoy ny frantsay). Dia nisy vehivavy tao anaty fokon olona tao nilaza fa diso be izany e: “ vellasquez” no dikany hoy izy( tsy haiko hoe inona aloha ilay vellasquez , mety tsy misy akory angamba izany teny izany). Ny olona rehetra anefa dia toa nanaiky fa marina ny dikanteniny.  

Farany tsy hita ilay faty koa dia nofintinin’ingahy polisy ny tatitra nataony fa tsy nitranga ilay zavatra nolazaiko fa noforomporoniko fotsiny ihany. Sosotra aho no sady niteny anankapo hoe: “izany ihany no ataon ireo polisy ireo, aiza moa no tsy matimaty foana ny olona, mba kamo!!!”

(nofy1-14-07)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb