dailynews.blaogy

Fomba Pratika Hahazoana Ny Atao Hoe Finoana

dailynews | 28 Desambra, 2006 20:38

Inona no atao hoe finoana?


Hebreo 11: 1=> ny finoana no fahatokisana ny @ zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. 
 Ny tsotra indrindra hahazoako ny atao hoe finoana an Atra dia  Mino fa misy Izy ary mino izay lazainy ao anaty baiboly.
 

Mino fa misy Izy

Heb 11:6=>“..fa izay manantona an Atra dia tsy maintsy mino fa misy Izy ary mpamaly soa izay mitady Azy”

 

Mila mitandrina eto fa ny devoly ihany koa dia  mino  ny fisian Atra, izy ireo aza hono sady mino ny fisiany no mbola mangovitra Jak 2:19=> Hianao mino fa iray ihany no Atra; koa tsara izany ataonao izany, ny devoly koa mba mino izany ka dia mangovitra. Isika moa indraindray dia mbola resin ny finoan ny devoly satria tsy mino tsotra fotsiny izao fa misy Atra. Ny finoan ny devoly an Atra anefa dia marihina fa finoana tsy mahavonjy. Mahafantara tsara izy fa misy Atra ary Atra dia masina, saingy kosa tsy misy hiantraikany @ fiainany izany, efa fahavalon Atra izy na hiodinkavia na hiodinkavanana. (Mark1: 24)

 

Mino izay lazainy:

 
Ny finoana olona iray dia tsy eo @ stage intsony hoe mi-existe izy, fa efa eo stage manaraka hoe: mino izay lazainy ve?

Ny finoan I Abrahama an Atra, izay lazain Atra fa rain ny mpino, dia nino tsotra fotsiny izao izay lazain Atra na inona na inona situation teo @ fiainany.

TA: avy @ Isaka no antsoina ny  taranaka ho anao(Gen 21: 21)

Situation: atao fanatitra Isaka ary ho faty izany.

Finoan I abrahama: tsy nimenomenona izy hoe ho vonoina isaka ary Atra manao omeko tsy omeko fa ny fantany dia hoe avy @ Isaka no antsoina ny taranaka ho azy na inona na inona no mitranga androany @ Isaka. Nino aza izy araka izay mba saina kely fantany hoe: na maty aza isaka dia mbola mahay manangana ny maty Atra, fa ny ninoany fotsiny dia ny teniny.( Heb11: 19) dia rehefa nino an Atra izy dia niseho ny voninahitr Atra, tsy Isaka no natao fanatitra hodorana fa zavatra hafa ary noho izany ny taranaka antsoina avy @ Isaka dia ho tanteraka.

 

Mbola be dia be ireo olon ny finoana resahina ao @ Hebreo 11(vakio)

 

Ohatra mba tiako izy ity ary ampiasaiko foana.

 

Nilaza I DN fa homeny vola 200 Ariary Soa @ faran ny volana. Raha mino an I DN I Soa dia mino izy fa homen I DN 200 Ar @ faran ny volana ary rehefa tonga izany fotoana izany dia  hiandry izany tsy ampisalasalana satria efa nahazo fampanantenana. Mino an I DN izy izany satria mino izay lazainy.  Fa tsy hoe milaza fa mino an I DN izy anefa nony tonga ny faran ny volana dia nilaza hoe: dain, DN koa ve dia hahaloa ny volako eo…hmmm..raha mino izy dia hino tsotra fotsiny izao fa ho azony  ilay 200 AR. Tsy ny fisian I DN intsony no takiana hinoany eto fa ny teniny fampanantenany.

 

Voasoratra ao anaty baiboly ny tenin Atra. Raha mino an Atra aho izany dia tsy tokony hijanona eo @ finoana fotsiny ihany fa hoe misy Izy. Fa kosa mino ny teniny dia tsy inona fa izay voasoratra rehetra anaty baiboly.

 
Misy fatra ny finoana:
 

Misy ny kely finoana: Jesoa dia niteny mafy ireo mpianany matetika hoe ry kely finoana (Matio 8:26)

Misy ny be finoana: ny finoan ilay miaramila manamboninahitra, tsy mbola nahita olona be finoana tahaka izany aho hoy Jesoa(Mat 8:10)

 

Raha misy fatra ny finoana dia midika izany fa azo ampitomboina izy izany fa tsy tokony hijanona ho kely finoana foana satria dia hita eto fa ny be finoana no ankasitrahin I Jesoa.

 

Ahoana no hahazoana na hampitomboina finoana?

 
Rom 10:17=> Koa ny finoana dia avy @ torinteny ary toriteny avy @ tenin I Kristy.
 

Raha te hitombo finoana dia mila mihaino toriteny betsaka. Satria araka ny hahenoana toriteny no mapahatanjaka ny olona iray. Tadidio ilay ohatra hoe soavaly fotsy sy soavaly mena tao @ lahatsoratra “ Rehefa Avy Teraka Indray” Rehefa novokisana ny fiainampanahy dia miha matanjaka ilay soavaly fotsy .  Raha ilay soavaly mena kosa no vokisana dia miha matanjaka ny fiainana ara nofo ary  miha reraka kosa ny soavaly fotsy dia ilay fianana ara panahy izany. Koa izay nahazo sakafo betsaka ihany izany no mandresy rehefa mihazakazaka ireo soavaly roa ireo.

Koa raha te ho be finoana dia  mihanoa toriteny betsaka, tsy ny lahady na sabotsy ihany fa isanandro. Betsaka ny radio na fandaharana @ tele misy toriteny. Mila mihinana betsaka raha ny ara panahy.  Vakio ny baiboly isanandro, mamakia literatiora kristiana, mila mivavaka (eka), mila miandeha miangona, mila mifanerasera @ kristiana namana hafa…

 

Oahatra iray anaty baiboly anisan ny mba tena tiako tokoa momba ny finoana

 
Ny tantaran I Simona Petera teny ambony rano: Nony nahita an I Jesoa izy nandeha teny ambony rano dia mba niteny ihany koa hoe: raha hianao ihany io dia mba asaivo manantona anao aho, dia hoy Jesoa hoe “ manantona” dia nandeha teo ambonin ny rano Petera rehefa nidina avy ao antsambokely (Mat 14:28-29)
 

Teto: tsy nila nino intsony I Petera hoe mi existe Jesoa. Efa teo izy. Fa ny ninoany teto dia ny Teniny hoe: “manantona” teto dia nino ny tenin I Jesoa I Petera izay tenin Atra.

 

Koa raha te hahita ny voninahitr Atra I Petera, na inona na inona zavatra nitranga. Tsy ny situation no ninoany hoe: oay rano lalina be ange ity e ahoana koa ary izany Jesoa izany, na hoe oay, dia ahoana raha misy  voay ao anaty rano ao. Oay dia ahoana koa izao ny fomba handehanako eo, oay sao dia milentika eo aho? Tena tsy ara tsiansa mihitsy izany mandeha ambony rano izany, zany ve dia hinoako??….tsy ny situation no ninoany fa ny TENIN I Jesoa hoe manantona, fa rehefa izay tenin I Jesoa izay no ninoany izay raha jerena @ mason olombelona dia hita  fa impossible mihitsy dia niseho ny voninahitr Atra. Teto  averina indray tsy ny situation manodidina no ninoany fa ny TA dia nony nataony izany dia niseho ny voninahitr Atra, nahita miracle izy dia ny fahagagana mandeha ambonin ny rano. Izany no finoana mahakasika ny fon Atra.

 

Tahaka izany ihany koa eo @ fiaianana kristiana. Raha te hahita fahagagana dia aza ny situation no jerena fa ny tenin Atra. Raha miteny Atra hoe hanasitrana aho. Dia aza ny situation androany no jerena hoe: ka ny dokotera anie efa niteny hoe tsy misy azo atao intsony e na hoe ka na ilay aretina aza anie nihombo e.sns….raha te hahita ny voninahitr Atra, raha te hahita fahagagana, dia manomboka ny TA miteny hoe: ny diakapoka taminy no hanasitrananana azy hinoana fa tsy ny tenin ny dokotera hoe tsy hoe tsy misy azo atao aminao intsony na hoe ny fanaintainan ny aretina. Mila mivavaka kosa anefa. Ary tazomy ny TA: izany hoe rehefa mivavaka dia lazao Atra fa tsy noho ianao marary no mahatonga anao mangataka fa noho Izy niteny hoe hanasitrana, dia tazomy @ teniny Izy. Ataovy ny vavaka isanandro ary aza mijanona raha tsy azo ny valimbavaka. Fa raha hinoanao ny Teniny fa tsy ny situation nao dia hiseho ny voninahitr Atra. Mila maharitra mivavaka kosa( zavatra tena ngeza beuh io), aza mitsahatra raha tsy azo ny valimbavaka. Mety ho eo no ho eo ny valiny mety afaka amantaonany, Atra ihany mahafantatra hoe rahoviana fa ny hinoako kosa dia ny teniny hoe raha hino ianao hoy Izy dia ho hitanao ny voninahitr Atra. (Jaona11: 40)

Raha te hahalala betsaka kokoa momba ny ministeran ny fanasitranana sy ny fitondrana fanahy ho an Atra dia jereo ity web site ity fa hahita ianao fa mbola manasitrana Atra na aretina inona na aretina inona h@ izao @ alalan ny mpanompony samihafa. Fa ny olana dia  hoe ianao ve mino izany?. http://www.bennyhinn.org/

 
 

Tahaka izany ihany koa ny kristiana iray manambady olona mamo lava be ohatra ary tiany io vadiny io hanolo tena ho an Atra ary hiala @ izany toetra ratsy tsy ankasitrahan Atra  izany.

 

Ny tenin Atra dia izao: raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianao hoy Izy dia ataoko izany. Sitrapon Atra ny mpanota iray hibebaka ary hiala @ ratsy fanaony noho izany sitrapon Atra izany io vehivavy io hivavaka ho an ny vadiny mba hibebaka ilay vadiny( Atra dia niantso ny kristiana hivavaka ho an ny olona hafa hijoro eo anatrehany @ alalan ny vavaka mba tsy handringany io olona io naio firenena io. Resaka intercession Ezek 22:30 Noho izany anjaran ny vady izany eto no mijoro eo anolohan ny banga, manao intercession ho an ilay vadiny mba hiverenany @ Atra)

 

Minoa an I Jesoa Tompo ianao dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao. (Asa 16:31)

Ary ny vady dia isan ny ankohonana, isan ny fianakaviana.

Ny situation: mamo lava rangahy, tsy mahate ho tia mihitsy, tsy mitondra vola antrano sns…

Iza ary no hinoana, ny TA sa ny situation?

 

Rehefa manomboka mino ny TA ary mivavaka mba hiova io olona io dia haneho ny vonihahiny Atra. Aza adino foana ny milaza aminy fa noho izy manome Teny hoe: minoa an I Jesoa Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao sy ny hoe mangataka zavatra araka ny sitrapony no antony hangatahanao.

Ny olana dia raha vao manomboka mamo rangahy sy miteniteny foana sy masiaka..dia manomboka kivy sy manomboka tsy mino intsony fa mbola hiova io olona io. Ny antony dia manomboka mino ny situation ny olona iray fa tsy ny TA milaza hoe raha mino ianao dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao. Mety ho ngeza tahaka ny tendrombohitra tokoa ny situation  saingy tadidio fa Atra dia lehibe noho io tendrombohitra be io. Izy aza nilaza hoe raha manana finoana na dia kely aza tahaka ny voatsinapy dia afaka mahafindra tendrombohitra izany( Matio 17:20)

Raiso @ teniny Izy, ary aza variana @ situation fa mandehana @ finoana hoe: Atra no hinoako ny teniny fa tsy ny situation…rehefa mino izay dia mivavaha isanandro mandrapahazo ilay valimbavaka. Ary rehefa mino ny teniny ianao fa tsy mino ny situation dia minoa fa ho hitanao ny voninahitr Atra.

 
Izay ilay hoe mino:
 

Fa tsy hoe mino an Atra aho ary averimberina izany isanandro anefa tsy misy hinoana ny zavatra rehetra izay lazainy ao anaty baiboly na zara raha  hinoako ary toheriko mihitsy aza….tsy mino izany satria tsy mino ny zavatra  nolazainy fa mampandainga Azy raha tsy hinoana.

Misy teny fananarana maro ao anaty baiboly ao momba ny fahafatesana raha mitohy ny fahotana raha tsy hibebahana: ao ny resaka homo, ao ny resaka fangalarana vadin olona, ao ny fahamamoana, ao ny fanompoantsampy, …….Izay marihina fa tsy nifampiaraharaha mihitsy Izy hoe ovaina izany @ izao fotoana izao izao fa efa miova ny toetrandro. Atra tsy miova Izy fa izaho no tokony miova hanaraka izay lazainy fa tsy ny teniny no amboamboariko hanaraka ny filako. Atra fitiavana Izy anefa koa Atra masina. Fa tsy afinafenina foana anaty fitiavan Atra foana ny excuse ny fahotana  izay tsy tiana hibebahana.

 

Ao ihany koa ny ireo teny fikasana (promesses) ao anaty baiboly ao momba ny resaka fianakaviana, fahasalamana, ara bola, zanaka, vady, fianana feno ny Fanahy Masina, fiainambavaka matanjaka, fiainana kristiana taritin ny Fanahin Atra, delivrance @ zavatra izay mamatotra na inona na inona…..

Raiso ny teny fikasana ary hinoy izany fa avy @ Atra ary manomboha mivavaka @ situation izay misy, tsy noho ny situation ananao no antony hivavahanao fa noho Atra nanome teny fikasana. Raiso @ teniny Izy raha zanany ianao ary manao ny sitrapony.

Raha mbola tsy tena sur hoe zanany dia mandehana any @ ilay lahatsoratra  voasoratra ato ihany koa hoe “Lalana Mankany Andanitra” ahafantaranao marina hoe inona izany fa important be io. Atra tsinona tsy mamaly vavaka ny mpanota na ny tsy zanany fa izay zanany ihany sy izay manao ny sitrapony.( Jaona 9:31; Isa 59:1-2)

Nilalao Andalana ( nofy faha-7)

dailynews | 27 Desambra, 2006 01:07

Toa samy nanana ny nalehany avy izaho sy V.. saingy ny nifanarahana dia hoe rehefa avy eo mifankahita koa samy nandeha t@ nalehany avy izahay.

 

Tsaroako t@ izay fa nitondra tomobilina mafy be aho handeha hitady essence tany @ BP haingana fa hoe tsy mandry hono ny tany. Saingy teny andalana anefa  dia very ny ilankiraroko ka sahirana nitady izany indray  aho  ka  tsy tonga hatrany @ BP akory fa  niodina niverina t@ lalana izay nalehako teo indray  aloha fa hoe hitady ilay kiraro hono. Narahiko moramora ary ny arabe sady nijery tsara  ny sisiny tsara  aho  saingy farany niveri- maina ihany fa tsy hitako intsony ilay ilankoraro.

 

Nony avy eo aho dia tsaroako fa teny Antsahavola indray. Noho ny hotakotaka teo antanana dia tahaka ny tsy dia nahaozo aina loatra aho. Nipaka t@ fiainana rehetra izany satria noho izany olana izany  dia miafina koa ny fiaramanidina rehefa misidina fa sao dia misy mitifitra angaha. Ity fiaramanidina iray hitako aza moa dia miafina  “radar’ ka dia  nanidina ambany dia ambany mba tsy ho tazan ny radar hono. Efa hila hifampikasoka @ fil telefonina sy ny trano mihitsy ny nahitako azy teny @ habakabak’Antsahavola. Hitako ilay vorontsaradia  737 fa mbola ilay logo fahiny no nisoratra teo aminy ihany fa tsy ilay vaovao misy sary ravinala izao. Hitako nandalo fil sy ravimanga izy tetsy amboniko ary tena variana aho fa dia tena ambany loatra tokoa. Ny nahagaga aza dia noho izy nanidina ambany dia ambany dia  afaka nitarika kamiao miendrika kontenera tety @ arabe.  Io lalana io moa dia tsy taiza fa ilay arabe teo akaiky ny banky afrikana eo antsahavola. Tadidiko fa feno entana be nentin ilay kamiao.

 

Tetsy andanin izany anefa dia nifanena ihany koa aho t@ mpiara miasa tamiko iray izay tao anaty trano fivarotana . Teo ankavanako Ms.Jescina ary nisy olona iray tsy fantatro teo ankaviako. Teo alohanay kosa I Mr Dee izay nanao tricot mainty toa sesritseriny ihany. Notolorany vilia misy karazana biskoty mamy  mihosotra tantely I Ms.Jescina, ary variana aho nijery ilay vilia fa tena miisa folo angamba no sady ngeza tokoa ireo biskoty. Mila hitovy @ haben ny vilia iray ny haben ny biskoty iray ary misasaka eo ampovoany izy ireo.  Ilay tantely mihosotra aminy dia betsaka ihany koa no toa mifotetaka ihany. Notolorany vilia hafa ihany koa ilay ranamana teo akaikiko ary farany aho dia nomeny ny vilia fanitelony. Hoy aho anakampo hoe: “tena be calories be koa izy izany sady toa mamy be ny fahita azy avy ety ivelany”. I Mr Dee moa dia faly tokoa fa anniversaire-ny hono androany ka mba faly izy mizara izany aminay. Nojereko ny vidin ny iray @ ireo vilia nomeny anay ka hitako fa 5400 Ar.  Tsy naharitra teo anefa  aho fa hoe tsy maintsy hanohy ny diako hono.

 

Toa avy eo ambohijatovo ambany indray no nisy ahy ka hoe hiakatra ny tohatra mankany ambohijatovo ambony iny. Nalalaka be tokoa ilay tohatra raha  ny fahitako azy fa tsy tahaka ilay tohatra miendrika lalankely izay fahitako. Raha ny fijery azy dia indroa ny haben ny tohatohabaton Antaninarenina  mihitsy angamba. Nony niakatra aho dia nahita fa nisy ihany koa tohatra hafa parallelle taminy tetsy ankaviako, ohatry ny tohatra vaovao ny fijeriko azy fa ilay simenitra-ny mbola tena volondavenona tanora tokoa no sady tsy maloto fa madio be. Nony niakatra kelikely anefa aho dia nisy fihodinana izany miendrika  antsasaka noeud nampifanena  ireo tohatra  roa, hoy aho tany antsaiko t@ izay hoe: mba mi twist (miolakolaka, mifanolana) koa izany tohatra izany an.

Nony tafiakatra aho dia tonga teo @ lalana tsiombikibo. Tery ambanimbany ampitan ny  ny “jeune afrique’ taloha iny, efa trano fivarotana akanjo izy izao. Nisy “skate board” mangamanga teo nitsingevaeva miala iray metatra miala @ tany teo ho eo angamba niandry ahy hitondra ahy any @ izay halehako hono. Tsy nisy kodiarana ilay izy. Nanandrana nitsangana aho saingy saika nianjera ka hany heriko dia nipetraka t@ ilay skate, tahaka ireny mipetraka @ banc ireny. Tadidiko fa tsy stable mihitsy ilay mitaingina azy fa tahaka ny hianjera izany foana, tahaka ny hoe misy manozongozona mihitsy angamba fa mba tsy mianjera fotsiny.

 

Farany aho tonga tao @ ilay trano tokony hiafaran ny diako ihany. Ary ny anadahiko no namoha ny trano. Hoy izy tamiko. Ary taiza ianao fa efa lasa daholo ny olona ?

 
( nofy 12/25/06)

Mirary Noely Sambatra Ho Anao Aho.

dailynews | 23 Desambra, 2006 18:15

Hiadivan olona hevitra mafy izao ny krisimasy. Ny tsy kristiana moa efa tsy mahagaga fa ihany koa dia misy ny kristiana izay tsy mankalaza krisimasy noho ny antony hoe: tsy fety kristiana io ary tsy ao anaty baiboly ary tsy tena andro nahaterahan I Jesoa.
 

Misy fahamarinany tokoa fa tsy ao anaty baiboly ary tsy tena io no nahaterahan’i  Jesoa saingy izao ihany koa no mila fantatra. Andro firavoravoana taty aoriana izay efa natokana ho an ny Tompo io ary hisaorana sy atolotra ho an ny Tompo. Rehefa hisaorana Azy dia izay no zava dehibe.

Koa raha misaotra ny Tompo noho io andro io aho dia ankasitrahany izany. Tafiditra @ Rom 14 rehetra ihany io. Koa na hankalaza aho na tsy hankalaza dia rehefa atokako ho an ny Tompo sy hisaorako Azy dia izay no zava dehibe. Aoka ny mankalaza tsy hitsara ny mankalaza ary aoka ny tsy mankalaza  tsy hitsara ny mankalaza, rehefa samy hisaorana izany ary mahatoky ao @ Tompo ny antony hanaovana na tsy hanaovana dia izay no sitrapony.
 
Izaho manokana aloha dia hankalaza satria izay no mandresy lahatra ahy. Efa nisaorako Azy io andro io ary faly be aho fa tonga indray ilay andro. Ny andro fankalazana eo @ izao tontolo izao aza efa tsy lazaina intsony ny isany koa raha zavatra mba atao ho an I Jesoa ve dia hialako indray satria hoe tsy tena io no daty??: rehefa resy lahatra aho fa atokako ho an ny Tompo ny zavatra ataoko  dia izay no zava dehibe ary rehefa Izy no homena voninahitra anatin izany.
 
Vakio ireto

II Kor  2:16-17=>Kol 2:16-17 => koa aza avela hisy hitsara anareo na @ fihinanana na ny fisotro na andro firavoravoana na ny voalohambolana na ny sabata. Aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia Kristy.
 
Rom14:5-6=> ny anakiray manao ny andro iray ho mihoatra noho ny sasany ary ny anakiray manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hahatoky @ sainy avy. Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinnana ho an ny Tompo sy nitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra ihany koa izy.


 Ny tsy tokony hadino fotsiny dia aza adino ny mi evaluer ny fiainampanahy hoe: efa teraka tao ampoko tokoa ve ny Tompo ilay hankalazaiko io ary manana fifandraisana manokana Aminy  isanandro aho???? 
 

MIRARY KRISIMASY SAMBATRA DAHOLO ARY :)

Chinese Revolution ( nofy faha-6)

dailynews | 20 Desambra, 2006 18:27

Marihina aloha fa ity nofy ity dia tsy nofiko fa nofin ny vadiko. Saingy izaho sy ramose hono dia  iray ihany ka nozarainy tamiko ilay nofy dia mba raketiko eto ihany koa.

 

Tany Chine hono izaho sy V. Niainga t@ tanana lehibebe iray hono izaho sy V( Vadiko) ho any @ izany tanany t@ izy mbola kely izany tany @ nisy ny dadabe sy bebeny( nofy marina). Nony teny andalana anefa dia  nisy ny fisavana ny tomobilina rehetra izay mandalo satria nisy ny mpioko izay manohitra ny governemanta.

 

Ny olona rehetra izay nandalo dia nosavaina vetivety  ihany fa izahay kosa toa mitady izay tsy handefasana  anay ilay mpisava. Nasainy nivoaka ny tomobilina izahay ary nametrahany fanontaniana marobe I V.. Ilay ranamana nanontany moa dia tena hita fa nitady kendritohana fotsiny izao tsy handefasana anay. Mpiasan ny governemanta izy.  Na inona na inona fanontaniana voavaly ara dalana sy marina dia mametraka hafa indray izy. Farany moa tafavoaka ihany saingy noho ilay fisavana sy noho ny nataon ilay ranamana dia nanapa kevitra I V.. fa haka ny toeran ny mpiandany t@ governemanta ihany koa. Izany hoe hanao revolisiona hono izany.

 

Noho izahay lasa mpioko dia voatery niaina ihany koa izahay t@ fiainana enjikenjika, lasa voatery niafina izahay satria dia nanomboka teo dia nenjehin ny governemanta fa mpandala ny revolisiona hono.

 

Nisy lalana avo izay teo antsisin ny farihy iray sy ny lalambe iray. Avo kokoa noho ilay farihy ilay lalana ary ny tao ambaniny dia tahaka ny tetezana, saingy tsy tetezana no tao fa “cave” ary maromaro ireo mpioko no niafina tao. Izahay anisany ihany koa.

Mba tongatonga saina I V..t@ fotoana nipetrahanay tao ka nahatsiaro ery izy hoe ny trondro anatin io farihy lehibe io izao hoy izy dia tena mba sambatra ery fa manana  “freedom” ry zareo.

 

Tsitapitapitr izay anefa dia hoe tonga hono ny miaramila hisava ny cave nisy anay. Koa lasa nitsoaka daholo ny rehetra. Izhao sy V.. moa dia nisy tomobilina iray izay efa niandry tao ivelany nentin’ny namany atao hoe Yen. Nisy ihany koa mpifankatia niaraka nandositra taminay ary samy niditra tao anaty tomobilina izahay no sady nirifatra nitsoaka samy namonjy ny ainy.

Tao anaty tomobilina hono dia nitaraina t@ V.. aho fa nisisitisiska be izahay rehetra ary sorena tamiko izy hoe: ‘ianao mbola ny comfort- nao no jerenao anefa ny olona aza efa mitsoaka mamonjy aina.”

 

Nandalo lemaka izany izahay ary ny ilay roa dia feno vonikazo mena sy fotsy . Ny voninkazo ety aloha dia manopy mena fa ny eny aoriana dia fotsy ny lokony. Ary ny ery amin ny manodidina kosa dia ala. Tao antsain I V t@ izay hono dia hoe tena mba milamina koa ety izany an, tahaka ny adino ny olana rehetra.

 

Nony tafavoaka ilay sahamboninkazo anefa izahay dia maty ny tomobilina. Ny olana anefa dia  tsy mba nanana zavatra hanamboarana azy izahay. Soa ihany anefa fa ny zanak I Yen izay 12 taona eo dia toa mahay zavatra tokoa ary mahitahita. Nahita antsy lava lela be izany izy izay mirefy roa metatra teo hatao tornevisy. Iray metara ny lelany ary iray metara ny fitazomana azy, moa va tsy tahaka ireny antsibe drizareo Japoney ireny.

Fa dia hainy tokoa ny nanamboatra ilay tomobilina ary dia tena kevoka ery ny dadany hoe mahay zavatra hono ny zanany.

 

Dia lasa indray izahay nanohy ny dianay hono …….

(nofy 12/20/06)

Rehefa Avy Nateraka Indray

dailynews | 19 Desambra, 2006 20:03

Rehefa avy teraka am-panahy indray ary dia haninona avy eo?
Misy toetra hitovizan ny zaza vao teraka ny toetran ny teraka indray ampanahy.
Ireto avy ireo toetra hitako. Mety mbola misy fa ireto no hitako aloha izao.
 
ZK (zazakely) MP (mpino vao teraka ara panahy)
 
1) ZK: ateraka
MP: Ateraka indray (Jao 3:3)
 
2) ZK:  misotro ronono
MP: Misotro rononom-panahy (I Kor 3:2)
 
3) ZK: manao maloto anaty couche saingy diovin’ ny RAD avy eo fa tsy hoe nariana vao nanao maloto.
MP: mbola feno fahotana fa tsy nariana ary matetika tsy mahalala akory hoe fahotana raha tsy lazaina hoe tsy sitrapon Atra anie izany. Mila mifona kosa anefa raha vao manota.
 
4) ZK: be koretaka
MP: be menomenona, be taraina raha vao tsy araka ny eritreriny ny zavatra miseho
 
5) ZK: Mila fahanana
MP: Mila mandray betsaka sy mihaino mba  hahafahana mitombo.
 
6) ZK: mila mitombo raha tsy izany dia hita fa tsy salama
MP: Mila mitombo ara panahy ihany koa. Tsy salama ara panahy raha tsy mety mitombo, avy @ zaza mankany @ olondehibe. Miala @ voninahitra ka mankany @ voninahitra( II kor 3:18) – mitsangana ka mihazava ( Isa 60:1)
 
7) ZK: miampy ny sakafo rehefa mitombo ny taona. Tsy ronono fotsiny intsony.
MP: lasa mihinankena rehefa mihalehibe, miha mazaka sakafo mavesatra kokoa fa tsy rononompanahy foana. (I kor 3:2)
 
8) ZK: Rehefa lehibe dia miteraka any aoriana
MP: Mila mitondra olona ho an Atra ihany koa.
 
 
Toetranjaza izay tsy tokony kosa hiova fa hananan ny mpino rehetra na vao zaza arapanahy na efa lehibe ara panahy na eny andalana sns…
 
9) ZK: miankina tanteraka sy mahatoky ny RAD
MP: miankina tanteraka @ Atra.
 
 
1) Mila ateraka:
Araka ny efa voalaza tao @ lahatsoratra  teo aloha “Lalana Mankany Andanitra” dia mila mandalo ny fahaterahana indray vao tonga zanak Atra. (Jao 3:3; Jao 1:12).
Raha tsy nateraka teto antany ny zaza iray dia tsy nantsoina akory hoe zaza izy fa mila nandalo izany lalanan ny fiainana izany.
 
2) Misotro ronono:
 
Ny ronono no sakafon ny zazakely ary io ihany no zakany.
I Kor3:1-2=>tsy nahazo niteny taminareo tahaka izay araka ny Fanahy fa tahaka ny izay mbola nofo, dia tahaka izany izay mbola zaza ao @ Krsity. Ronono no nomeko anareo fa tsy ventinkanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo…..
 
Tahaka izany ihany koa ny vao teraka ampanahy. Mbola tena sarotra aminy ny handray ny tenin Atra rehetra fa ny sasany tena mbola tsy levon ny vavoniny mihitsy ary ho fanina amboalohany izy raha hidirana lalina ny TA. Tsara ho an ny mpino vao teraka ny manomboka mamaky ny bokin ny Jaona aloha fa tsy apokalipsy( raha tsy izany ho fanina), tsara resahina aminy betsaka ny fitiavan Atra ny olombelona rehetra sns…….
 
3) Mbola manao maloto:  (Hialana tsiny mialoha raha misy tsy dia mahazoazo ilay ohatra raisina.)
 
Raha vao zaza vao teraka dia mbola manao maloto anaty couche, saingy tsy iny toetra iny akory no hanarian ny RAD ilay zaza. Mila diovina fotsiny izy.
Ao ihany koa ny toetra iray izay hananany dia tsy dia fantany akory fa maloto anie izany raha tsy ampahafantarina azy.
 

Ny mpino vao teraka dia tokony hahafantatra fa tsy tonga dia hoe  hisy tampoka ny fahagagana ka tsy hanota intsony mihitsy izy mandrakizay. Mbola manota tokoa izy satria mbola misy ilay toetra taloha izay tavela taminy anefa kosa dia mila hialany tsikelikely.

Mbola tian Atra foana izy, saingy kosa mila manadio ny tenany, mila mifona raha vao avy nanao izany. Aza mitondra fahotana eny ampandriana. Ary marihina eto fa izany no mahasamihafa ny tena krsitiana sy ny kristiana anarany(na tsy mpino).
Ny tena kristiana dia tsy mahazaka fahotana intsony fa ilay Fanahy Masina ao aminy izay vao noraisiny t@ izy nandray ny Tompo dia tsy mahazo aina raha vao misy ny fahotana ary tsapany izany. Ny Fanahy Masina izay ao aminy izany no misarika azy hifona avy hatrany vao avy nanao izany.
Rom 8:14=> fa izay tarihin ny Fanahin Atra no zanak’Atra. (ny zanak ‘Atra no misy ny Fanahin Atra)
 Ny tsy tena kristiana kosa na tsy mpino dia sady tsy misy fanenenana mihitsy no tsy mieritreritra akory ny hifona @ Atra fa dia eny, mifaly havanja na  faly milalao fahotana eny. Ary na fantany aza noho ny conscience fa diso izy dia tsy mifona fotsiny tsotra izao izy satria tsy hananay ilay hery hifonana sy hialana amin’ilay fahotana.( izay hery avy @ Fanahy Masina)
 
Ny fomba fijery dia miova tsikelikely satria ilay Fanahy Masina ao anaty no manova azy.
Miha- mitombo ilay olona ary miha miova mihitsy ny fijeriny ny zavatra manodidina rehetra.
II kor 5:17 = > koa raha misy olona ao @ Krsity dia olombaovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo.
 
Raha lalaovina izany ny teny dia tahaka izao. Ny kristiana na ny mpino dia Manota fa kosa tsy Mpanota.
Tahaka ny hoe mba mampianatra aho androany, tsy midika izany fa Mpampianatra aho ary izany no asa ataoko isanandro.
Mamafa trano aho androany, tsy midika fa Mpamafa trano no asako
…(azo hiadivankevitra io ohatra io saingy kosa raiso @ ilay izay mba tiako ho lazaina fotsiny fa aza idirana lalina loatra)
 
4) Be koretaka:
Ny zazakely dia mbola tsy mahay mifampiserasera @ RAD-ny raha tsy @ tomany raha misy zavatra tsy mahafinaritra sy tsy mahafaly azy.
Izany toetra izany ihany koa dia toetra hita @ kristiana izay vao zaza ara panahy.
 
Ny zanak’Israely raha niala avy tao @ tany Egypta dia tandindon ny fiainana kristiana iray izay vao nateraka indray izany. Niala t@ fanandevozan ny ota (fanandevozan I Egypta) ary nivoaka an I Egypta(teo no nahaterahany, satria ny fivoahana ny tany Egypta no naha olombaovao azy ireo, lasa olona afaka fa tsy andevo intsony, niova Tompo, izao izy ireo manompo an Atra fa tsy I Farao intsony izay sarin ny fahavalo), nandalo batisa( batisa ny ranomasina mena( I kor 10:1-20) ary nizotra tany @ tany hay ho any @ tany kanana. (Fianana kristiana mandalo zavatra maro eny andalana ary ny tanjona dia ny ho tonga any andanitra)
 
Inona no zavatra izay nataon ireo zanak’Israley ireo?? Tsy nisy nataony hafa tsy ny nimenomenona t@ Mosesy ary dia tena may vava tokoa any izany e. Ndry fa angaha tsy ampy ny fasana tany Egypta no nentinao taty izahay?.Zahay angaha tsy efa niteny taminao hoe aleonay ihany manompo an I Farao, fa angaha ny nitondranao anay aty mba ho faty aty @ tany hay izahay???(Eks14)…
Fimenomenomana momba ny fianana manokana..Ohatra: raha izao no manompo an Atra tsy aleo ihany tsy nisy..toa vao may mandalo problema… (ohatra rehefa mandalo fitsapana iny ny mpino iray sns….)
Ny zanak’Israley tsy tonga tany @ tany kanana raha tsy nandalo tany ay. Josefa tsy tonga mpanapaka faharoa tao Egypta raha tsy nandalo fitsapana maro(novarotan ny rahalahiny izy, nigadra..)
 
Ny fimenomenomana dia maneho ny tsy fahatokisana an Atra eo @ fiainan ny mpino iray
Nom 14: 28:29=> raha mbola velona koa aho hoy Jehovah dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo. Ety @ ity efitra ity no hiampatramparan ny fatinareo, ary hianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo dia ny h@ roapolo taona nomiakatra izay efa nimonomonona tamiko.
Fil 2:14=> ataovy ny zavatra rehetra @ tsy fimonomonomana sy fisalasalana.
I kor 10:10=> ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany t@ ireny izay matin ny mpandringana
 
5)Mila mitombo raha tsy izany dia mariky ny tsy fahasalamana izany:
Raha tsy mitombo ara dalana ny zaza iray dia mila jerena tsara daholo ny otrikaina ohaniny ary hampiana raha misy ny tsy ampy. Fa mety hankarary azy izany ary sanatria mety hahafaty azy mihitsy raha toa ka tsy voajery tsara. Tsy normale izany zaza tsy mitombo izany.
 
Ny fiainan’ ny mpino dia tahaka izany. Tsy maintsy mitombo ara panahy. Ny fijanonana ho azaza ara panahy hatrany dia midika fa tsy ampy sakafo ara panahy ny mpino iray, mila mitombo izy. Ny mpino dia nantsoina ho @ voninahitra ka ho any @ voninahitra( II kor 3:18), kely mihalehibe, maizina miha mazava ( Isa 60:1).
I Kor 13: 11=> fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza, mihevitra toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho dia nariako ny fahazazana.
 
Raha te hitombo haingana ny mpino iray dia mila misakafo ara panahy betsaka tokoa, satria araka ny sakafo ohanina ihany no mampitombo azy. Raha mpino vao teraka anefa tsy mihevitra zavatra ara panahy mihitsy dia miha mihena ny finoany ary maty ho azy ny farany. Adidiny izany ny misakafo betsaka tokoa mba hitombony haingana, fa rehefa mbola marefo tsinona dia mora andairan ny aretina.
 
Ny fiainana kristiana dia azo oharina @ soavaly roa izay handeha hiazakazaka. Izay mahazo sakafo ampy ihany no matanjaka ka mandresy.
Soavaly fotsy: oharina @ sakafo ara-panahy, toriteny, literatiora kristiana, namana kristiana, vavaka, izay momba rehetra an Atra.
Soavaly mena: Izao tontolo izao sy ny filany, fahotana..
 
Izay homena sakafo ampy @ ireo ihany no handresy. Raha ny soavaly mena no mahazo sakafo betsaka dia izy no handresy. Raha ny soavaly fotsy dia izy no handresy. Koa raha te hitombo ara dalana ny olona iray araka an Atra dia mila mahafantatra izy fa mila fahanany ny soavaly fotsiny. Mila fantany ihany koa fa tsy afaka izy sady manome sakafo ny soavaly menany no manome sakafo ny soavaly fotsiny( I kor 10:21; Matio 6: 24). Ny iray ihany no afaka mitombo, fa raha mampiaro azy izy dia efa tsy araka an Atra izay.
Hoy I Paoly” izaho hoy izy tsy maintsy mihena fa Izy kosa tsy maintsy mitombo”
Ny maha izaho ahy dia mila mihena fa izaho vaovao arak an Atra kosa mila mitombo, ary izay ilay fitomboana araka an Atra raha te hihalehibe ara panahy fa tsy hijanona zaza foana.
 
5) Mila fahanana
 
Ny zazakely dia tsy maintsy miandry avy @ RAD aloha fa tsy mbola afaka mamahantena irery iny vao teraka iny.
Ny kristiana teraka indray dia mila “mentor” (olona manara maso azy ara panahy akaiky) @ iny voalohany iny . Miaraka mamaky baiboly aminy, miaraka mivavaka aminy sns..ilaina dia ilaina io @ fitomboana fa raha vao mandeha irery dia sao dia tsy ampy fahana dia maty ho azy.
 
Ilaina izany ny manantona ny fiangonana iray izay misy izany karazana fampianarana ho an ny olona vao teraka ara panahy. Ary raha toa tsapan’ny olona iray fa tsy misy izany fampianarana izany ny fiangonana misy azy dia tokony tsy hisalasala mandeha @ fiangonana izay fantatra fa misy izany karazana fampianarana izany izy. Tsy tokony hanenjika ny sain ilay olona mihitsy hoe mankany @ fiangonana hafa izy satria mantsy dia hita ombieny ombieny fa saro piaro-loatra @ fiangonany ny olona, lazaina fa miova finoana ny olona iray raha tsy mankao ampiangoanana nisy azy intsony, tena izany ve ??? niova finoana aloha voalohany indrindra raha mankany @ fiangonana tsy kristiana izy, fa raha miala @ fiangoanana krsitiana iray mankany @ fiangonana kristiana iray izy dia tsy miova finoana izany fa ny fombafombampivavahana no miova tao ary ny anarampiangonana fa ny lalana dia ho any andanitra, maka sakafo any fotsiny izy satria misy sakafom-panahy matsiro kokoa ao. Rehefa fantatry ny olona iray fa ny zava dehibe dia ny handehanana any andanitra fa tsy ny maha fidele -be ao @ fiangonana iray noho ny tradition ny fianakaviana, dia ho afaka @ izany karazana fangejana ara tsaina izany izy hoe: ny fiangonako ihany. Fa na mankany @ hafa aza aho dia tsy mijangajanga ara panahy. Tadidio fa rehefa tonga any andanitra ny kristiana(averiko foana ity ho an ny olona izay miresaka amiko) Jesoa tsy hilaza mihitsy hoe : etsy antsinanana ny loteriana, etsy avartara ny fjkm, etsy atsimo ny evanjelika, etsy ..ananona ny anona….. ny zavatra ho lazainy dia hoe ry mpanompo tsara midira @ fifalian ny Tomponao. Ny fidirana @ fiangonana ankoatra ny fiangonandrazanao izany tsy olana mihitsy rehefa mbola mitory an I Jesoa. Rehefa hahazoana sakafo ampy izy ary tsapanao fa misy fiovana ny fomba fijerinao ny TA ary mandeha araka an Atra ny lalanao izay no zava dehibe. Ny ho any andanitra no zava dehibe fa tsy ny ho ao @ fiangonana iray manokana…. Fa rehefa voky kosa ianao dia andana @ izay miverina ao @ fiangonanao ary zarao izay azo. Ny tiako lazaina fotsiny dia ilay fahasarotampiaro diso tafahoatra @ fiangonandrazana indraindray tsy mampitombo arapanahy mihitsy. Lasa fahasarotampiaro diso toerana indraindray.
 
Farany, iny vao teraka iny dia tena zava dehibe ny hanana mpamahana ara panahy matanjaka(ilay mentor lazaiko etsy ambony) satria mametraka fototra ilay olona iray vao teraka eto. Ary ny fototra dia tokony hatanjaka foana. @ izay izy tsy mitsipozipozy rehefa mihalehibe fa matanjaka tsara ny taolana rehetra hijoroana alohan ny hisian ny ady be ara panahy. Fa hisy io tsinona. Nantsoin Atra ho miaramila ny mpino rehetra satria dia ny lalana ho any andanitra dia tsy mora fa ny devoly ihany koa etsy andaniny tsy hitsahatra ny handrangitra sy haka fanahy satria tsy faly mihitsy izy fa ianao dia tsy nanaiky ny tsy ho namany intsony fa niova Tompo, ary ny miaramila mila matanjaka (resaka mbola lava be io)
 
6) Mila miampy ny sakafo rehefa mitombo:
Raha mbola zaza dia ronono ihany no nohanina fa rehefa mihalehibe dia tsy ampy intsony ny ronono, mila mihinana ventinkanina @ izay. ( I kor 3:20)
 
Ny mpino rehefa mihalehibe dia mila miditra lalina @ fiainana kristiana rehetrra mihitsy Nantsoin I Jesoa ny mpino rehetra hiditra amin ny lalina raha te hahita ny voninahiny.
Petera raha tsy niditra lalina tsy nahazo trondro maro be.
Ny fanahy izay miteny ny mpino fa ny pasitera ihany no tokony hiditra lalina @ fiainana ara panahy dia tsy avy @ Atra, na hoe raha vao mba te hahalala baiboly kely dia lazaina fa manao pasitera be, na hoe aleo aho aloha tsy hiditriditra lalina @ izany fa sao lasa adala eo, aleo ihany ety antsisintsisiny ety ihany sns……. Izany toetra rehetra izany dia tsy “norme” n Atra raha te handroso lalina @ fiarahana Aminy. Ary raha tsy miditra lalina ihany koa tsy hahita ny voninahiny. Tsy avy @ Atra izany toetra izany. Fa ny devoly no tsy te hahita ny mpino hitombo fa raha mitombo ara dalana ny mpino iray dia lasa danger be ho an ny fanjakan I satana izany.
Nantsoin Atra ho tahaka ny miaramila mpiady ny mpino tsirairay. Ary tsy afaka handeha an ady sy handresy anefa raha tsy misakafo sy mitombo ara dalana.
 
7) Miampy ny sakafo rehefa mitombo ny taona:
 
Afaka mihinana ventinkanina @ izay ary mahazaka izany fa tsy maharary vavony intsony raha mihinana.
Betsaka ny fahamarinana lazaina anaty baiboly izay mbola tsy zakan ny olona na heverin ny olona fa tsy misy intsony fotsiny izao satria tsy nahita izany izy, na tsy noresahina taminy loatra izany ary rehefa resahina izany taloha dia manohitra be izy satria mbola tsy zakany ilay izy. Rehefa mitombol kosa ny kristiana iray dia mila @ izay mahafanatra ny fahamarinana rehetra anaty baiboly fa tsy ny rononompanahy ihany.
Atra tsy miova ilay Atra izay hivavan ny kristiana ary Izy no alfa sy omega, izany hoe fiandohana sy fihafarana. Koa raha tsy nahita miracle aho teo @ fiainako h@ izay, tsy afaka lazaiko izany fa tsy misy intsony izany@ izao fotoana izao. Atra no tsy miova ary tsy miova ny zavatra hainy atao sy ny tiany hataoko. Fa izaho no mila miova manaraka ny norme napetrany tao anaty baiboly.
 
Ohatra:
-Ny resaka fahagagana sy fanasitranana: mbola misy io, fa tsy hoe raha tsy nahita izany aho dia lazaiko fa tsy misy intsony..Atra no tsy miova fa izaho no mila miova ary mino ny zavatra lazainy fa misy.
-Ny famoahana demonia: indraindray dia gaga ny olona hoe mbola misy izany ary ny mpino nateraka indray dia afaka manao izany. Jesoa nilaza fa izao famantarana izao hoy Izy hanaraka izay MINO (Marka 16: 17) fa tsy hoe izao famantarana izao no hanaraka ny pasitera, na mompera na fifohazana…. Izay mino…hamoaka demonia @ anarako izy sns…Ny devoly tsy ny titre ao ampiangonana hanananan ny olona iray no hatahorany fa kosa ny Fanahy Masina izay ao anatin io olona io.
-Ny resaka miteny @ teny tsy fantatra: izay ilain ny kristiana h@ izao vaninandro izao fa tsy hoe t@ andron ny pentekosta voalohany ihany. Ny mahavariana aza dia raha misy ny fiangonana manao io dia lazaina fa sekta sns..Biblika be izany ary tsy nolazain Atra mihitsy hoe tsy hisy intsony aty aoriana…. Izy no tsy miova, zavatra hainy natao tany aloha mbola hainy atao androany fa ny fijeriko ny TA no mila miova manomboka izao.
-Ny resaka faminaniana: ilain ny kristiana ny mahafantatra ny faminaniana hambaran ny bokin i Daniela, ezekiela, apokalispy…. Fa ny fahalalan ireny dia tsy hoe fampitahorana no dikany fa kosa vao maika handrisika ny olona iray hanakaiky an I Jesoa kokoa ary hitondra olona maro hanaiky an I Jesoa satria efa akaiky ny fiverenany sns…. Tafiditra anatin izany ny resaka fiverenan I Jesoa eny @ rahon ny lanitra haka ny fiangonana(rapture) izay tena tsy hitako resahina mihitsy akory anaty fiangonana betsaka fa raha resahina aza dia tena safosafo be fotsiny fa tsy hidirana lalina akory….
-Ny teny fikasana be dia be izay hambara anaty baiboly….
-Ny resaka fahafolonkarena…mahavariana fa tsy tian ny olona mihitsy ny hiresahina azy io..
-Sy ny sisa sy ny sisa…..
 
8)Rehefa mihalehibe dia miteraka any aoriana:
 
Fahamarinana iray mila fantatry ny mpino fa I Jesoa dia nilaza fa tiany ny mpino iray hanaraka Azy fa ataony ho mpanarato olona. Niantso ny mpianatra Izy hanaraka Azy ary hanao mpianatra ny firenena rehetra.
 
Midika izany fa izay rehetra mino dia tokony ihany koa hivevitra ny hitondra olona any andanitra fa tsy hapetraka @ mpitondra fivavahana ihany ny asa, tsy resaka personnel mihitsy ny filazantsara ka hoe ahy samirery ihany fa tsy zazazaraiko @ olona manodidina sao dia masosotra.. fa ny devoly te hampangina ny mpino no mandrisika izany anaty sain ny olona, natao ho jiro ny mpino ny dikan izany dia mila mizara fahazavana fa tsy hoe jiro ambany fandriana araka ny lazain ny TA….asan ny mpino rehetra io. Fa ny mpitondra fivavahana ihany kosa no natokana hikarakara sy hikolokolo ny ao ampiangonana. Fa ny fizarana ny filazantsara dia an ny rehetra.
Hoy ny olona malaza iray izay hoe: “ny fitoriana ny filazantsara hoy izy tsy vita raha tsy lasa mpitory ilay olona toriany”
 
Misy karazany be dia be ny hitoriana fa tsy hidirana lalina eto fa izao kosa no mila ho fantatra: rehefa nahazo ny famonjena ny olona iray dia tokony hitady hevitra izay hainy atao @ fomba hizarana azy……mila mangataka @ Atra izy @ izay hampiasa azy ary mila tarihin ny Fanahy Masina ihany koa hoe inona no hatao.
 
9) Miankina tanteraka sy mahatoky ny RAD:
Ity toetranjazakely ity dia tokony hananan ny mpino h@ hialany eto antany.
 
Ny zaza rehefa entina mandeha tomobilina miaraka @ RAD dia tsy manontany tena hoe tena hoe mety ve aloha ilay motera sa tsy mety e, feno tsara ve aloha  ny rivotry ny kodiara, ilay essence sao dia nitapodrano aloha, I dada ve aloha tena mahay mitondra tomobilina sa tsia sns…. manaiky izy handeha satria mahatoky ny dadany na ny mamany fa rehefa izy ireo no mitondra dia tonga any @ izay toerana tokony handehanany izy.
 
Ny kristiana ihany koa dia nantsoin Atra hanana izany fahatokisana izany rehefa manomboka mametraka ny fiainana aminy na inona na inona no mitranga ety andalana.
 
Misy TA izay tian ny olona hampiasana mihitsy ary mahavery hevitra ny sasany aza indraindray fa tahaka ny hoe atao foana anefa ilay fiainana tsy hita be ihany ho ahoana ary manomboka mihitsy mametra- panontaniana hoe fa ao marina ary ve ilay Atra e….
Hoy ny olona matetika “ Izay mahasoa ataon Atra e” tena tian ny olona mihitsy io ary mahalasa saina indraindray fa ilay lazaina hoe mahasoa ataon Atra tsy hita beny ihany izay handraisana azy..
Ny zavatra adinony dia izao: marina tapany io teny io.
Rom8: 28=> Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara miasa hahasoa izay tia an Atra dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo”
 
Raha tsotsorina izany dia tokony hiampy izao ilay teny hoe izay mahasoa ataon Atra ho an izay tia azy e…Ilay ho an izay tia Azy adino.
Raha kosa anefa ny mpino iray mametraka ny fiainany rehetra mihitsy eo ampelatanan Atra: ny fomba fisainany, ny volany, ny asany, ny fianakaviany, ny ainy, ny fahasalamany, ny asa ao antrano ataony, ny tomobiliny, ny tranony, ny mariage-ny, ny fifaneraserany @ olona, ny fitadiavana asany, ny toetran-janany, ny ho aviny, ny maha izy azy, ny fiainampanahiny, ny aminy rehetra mihitsy..Dia tokony hahatoky izy fa rehefa napetrany teo ampelatanan Atra ireo dia hahasoa azy izay mitranga na inona na inona ary izay ilay fahatokisana resahin ny TA.
 
Koa rehefa nametraka izanyfianany rehetra teo ampelatanan Atra ny kristiana iray dia hanao tahaka ilay zaza..mametraka ny fitokisany an I dada sy neny fa ho tonga any @ izay halehany izy, ny zavatra tsy maintsy nataony kosa dia niondrana tao anaty tomobilina.
 
 
[email protected]
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb