dailynews.blaogy

Izao Tontolo Izao

dailynews | 20 Janoary, 2007 02:37

 

 

 

 

 (tohiny)

Vonoan' Olona ( nofy faha- 8)

dailynews | 15 Janoary, 2007 04:01

Efa hariva ihany ny andro t@ izay. Nitsofoka t@ parking moramora aho fa saika hanajanona  ny tomobilina noentiko. Nony nitsofoka tao anefa aho dia taitra sy nangovitra nony tonga saina fa teo anelanelan ny tomobilina izay nijanona teo, izay marihina fa mainty daholo ny lokony dia  nisy fatin olona telo nivalampatra teo @ godorao.

 (tohiny)

Fantatrao Ve Izy? ( S.M Lockridge)

dailynews | 11 Janoary, 2007 17:22

 

Ny baiboly dia milaza fa toetra fito no maha Mpanjaka ny mpanjakako… mpanjakan ny jiosy Izy;  mpanjaka @ alalan ny fihaviana izany… Mpanjakan Israely Izy; mpanjaka @ alalan ny firenena izany… Mpanjakan ny fahamarinana Izy …Mpanjakan ny fotoana rehetra Izy ..Mpanjakan ny lanitra Izy..Mpanjakan ny voninahitra Izy…. Mpanjakan ny mpanjaka Izy ary Tompon ny tompo. Izany no mpanjakako. Manontany tena  aho hoe..fantatrao ve Izy? Davida dia nilaza fa “ Ny  lanitra manambara ny voninahitr Atra ary  koa mampiseho ny asan’ ny  tanany”. Ny mpanjakako dia mpanjaka tsitohaina. Tsy misy azo hamarana ny fitiavany tsy manampetra. Tsy misy teleskopy izay afaka hahitana ny moron ny fiahiany ahy izay tsy hita noanoa.  Tsy misy fefy izay afaka manakana Azy tsy handrotsaka ny fitahiany. Maharitra ny heriny…mahatoky tanteraka Izy… tsy  voahozongozona mandrakizay Izy…tsy ho faty mandrakizay ny fahasoavany. …lehibe ny heriny…tsy manampaharoa ny fihantrany….. fantatrao ve Izy?

Izy no tranga lehibe indrindra izay nandalo ny faravodilanitr ity izao tontolo izao ity. Zanak Atra Izy…Mpamonjy ny mpanota Izy…Izy no ivon’ ny sivilizasiona….mitsangana @ maha-Izy Irery Azy Izy… lehibe Izy…Tokana Izy…tsy manampaharoa Izy…tsy misy ny teo alohany….Izy no hevitra ambony indrindra @ literatiora…..ny maha Izy Azy no avo indrindra eo @ filozofia…Izy no olana goavana indrindra @ fitsikerana izay lehibe indrindra…Izy no fototry ny fampianarana marin ny  ny teolojia…...Izy no kardinaly  ilaina indrindra ho an ny finoana..Izy no fahagagan ny fotoana rehetra.. Izy no ambony indrindra @ izay rehetra tsara tianao hiantsoana Azy….Izy irery ihany no mahasahana ny toetra rehetra ananan  ny hoe mpamonjy mahefa…manontany tena aho raha fantatrao Izy androany?

 (tohiny)

Te Hahazo Valimbavaka Ve Aho? Inona No Tokony Ho Fantatro

dailynews | 08 Janoary, 2007 18:22

1)Mila marina eo anatrehan Atra satria tsy ny olona rehetra no valiany vavaka:

Fanina ny olona matetika hoe maninona no tsy mety mahita valimbavaka mihitsy ary maninona no tsy mihaino Atra nefa izy mba mivavaka ihany. Toa mivavaka ihany, toa mitomany ihany, toa misentosento ihany anefa ilay vavaka tsy tonga tetsy @ plafond akory dia miverina..hmmmm… Sao kosa ary dia mbola nisy ny fahotana izay tsy nifonana na fahotana nankasitrahana tany ho any ka mbola tsy nibebahana? Atra mantsy niteny fa raha misy izany dia izany no efitra manasaraka antsika Aminy ka dia tsy mihaino tsotra fotsiny izao Izy.  

Jao 9:31=.Fantatsika fa Atra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.

Isa 59: 1-2=> Indro ny tanan I Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo @ Atrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.

Jak 5: 16=> Ny fiasan ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

Oha 10:24=> Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy fa ny irin ny marina no homena azy.

2) Mila mangataka :

Marina tokoa fa efa fanatr Atra izay zavatra ho ahy anefa Izy ihany koa dia nampirisika ny kristiana hangataka. Miandry ahy izany Izy hanokatra ny vavako ary hilaza aminy ilay Raiko hoe inona no zavatra izay tiako hangatahina Aminy.

Lio 10:9-10=> Mangataha dia homena ianareo; dondony dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita, ary izay mandondona no hovohaina.

Mat 7:7=> Mangataha dia homena hianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondony dia hovohana ianareo.  

 

 (tohiny)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb