dailynews.blaogy

Te Hahazo Valimbavaka Ve Aho? Inona No Tokony Ho Fantatro

dailynews | 08 Janoary, 2007 18:22

1)Mila marina eo anatrehan Atra satria tsy ny olona rehetra no valiany vavaka:

Fanina ny olona matetika hoe maninona no tsy mety mahita valimbavaka mihitsy ary maninona no tsy mihaino Atra nefa izy mba mivavaka ihany. Toa mivavaka ihany, toa mitomany ihany, toa misentosento ihany anefa ilay vavaka tsy tonga tetsy @ plafond akory dia miverina..hmmmm… Sao kosa ary dia mbola nisy ny fahotana izay tsy nifonana na fahotana nankasitrahana tany ho any ka mbola tsy nibebahana? Atra mantsy niteny fa raha misy izany dia izany no efitra manasaraka antsika Aminy ka dia tsy mihaino tsotra fotsiny izao Izy.  

Jao 9:31=.Fantatsika fa Atra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.

Isa 59: 1-2=> Indro ny tanan I Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo @ Atrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.

Jak 5: 16=> Ny fiasan ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

Oha 10:24=> Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy fa ny irin ny marina no homena azy.

2) Mila mangataka :

Marina tokoa fa efa fanatr Atra izay zavatra ho ahy anefa Izy ihany koa dia nampirisika ny kristiana hangataka. Miandry ahy izany Izy hanokatra ny vavako ary hilaza aminy ilay Raiko hoe inona no zavatra izay tiako hangatahina Aminy.

Lio 10:9-10=> Mangataha dia homena ianareo; dondony dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita, ary izay mandondona no hovohaina.

Mat 7:7=> Mangataha dia homena hianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondony dia hovohana ianareo.  

 

 (tohiny)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb