dailynews | 11 Janoary, 2007 17:22
Ny baiboly dia milaza fa toetra fito no maha Mpanjaka ny mpanjakako… mpanjakan ny jiosy Izy; mpanjaka @ alalan ny fihaviana izany… Mpanjakan Israely Izy; mpanjaka @ alalan ny firenena izany… Mpanjakan ny fahamarinana Izy …Mpanjakan ny fotoana rehetra Izy ..Mpanjakan ny lanitra Izy..Mpanjakan ny voninahitra Izy…. Mpanjakan ny mpanjaka Izy ary Tompon ny tompo. Izany no mpanjakako. Manontany tena aho hoe..fantatrao ve Izy? Davida dia nilaza fa “ Ny lanitra manambara ny voninahitr Atra ary koa mampiseho ny asan’ ny tanany”. Ny mpanjakako dia mpanjaka tsitohaina. Tsy misy azo hamarana ny fitiavany tsy manampetra. Tsy misy teleskopy izay afaka hahitana ny moron ny fiahiany ahy izay tsy hita noanoa. Tsy misy fefy izay afaka manakana Azy tsy handrotsaka ny fitahiany. Maharitra ny heriny…mahatoky tanteraka Izy… tsy voahozongozona mandrakizay Izy…tsy ho faty mandrakizay ny fahasoavany. …lehibe ny heriny…tsy manampaharoa ny fihantrany….. fantatrao ve Izy?
Izy no tranga lehibe indrindra izay nandalo ny faravodilanitr ity izao tontolo izao ity. Zanak Atra Izy…Mpamonjy ny mpanota Izy…Izy no ivon’ ny sivilizasiona….mitsangana @ maha-Izy Irery Azy Izy… lehibe Izy…Tokana Izy…tsy manampaharoa Izy…tsy misy ny teo alohany….Izy no hevitra ambony indrindra @ literatiora…..ny maha Izy Azy no avo indrindra eo @ filozofia…Izy no olana goavana indrindra @ fitsikerana izay lehibe indrindra…Izy no fototry ny fampianarana marin ny ny teolojia…...Izy no kardinaly ilaina indrindra ho an ny finoana..Izy no fahagagan ny fotoana rehetra.. Izy no ambony indrindra @ izay rehetra tsara tianao hiantsoana Azy….Izy irery ihany no mahasahana ny toetra rehetra ananan ny hoe mpamonjy mahefa…manontany tena aho raha fantatrao Izy androany?
(tohiny)| « | Janoary 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||