Resaka Homo ( fanampiny)
dailynews | 24 Novambra, 2006 02:52
Ity fanontaniana valiny ity dia fanampiny ihany ny resaka momba ny homo izay efa nosoratako teo aloha. Valindresaka tao @ dinika forum nataoko moa izy ity anefa noho ny fandehan ny resaka tao dia hitako fa mbola mila fanazavana bebe kokoa .
Ota ve ny maha homo ny olona iray ?
Eny. Ary ireto ny tenin Atra manohana izany, misy ny dikanteny amin ny teny anglisy noho ny fehezanteny izay tsy mazava tsara @ baiboly Malagasy izay ny misionera izay tsy tena nahay teny gasy loatra no nandika azy fahizay. Misy ihany koa anefa ny dikanteny iombonana izay ampiasaiko ary ataoko hoe ( DIO)
Korintiana 6:9-10=>moa tsy fantatrao va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fankajakan'Atra, aza mety hofitahina ianareo. fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin olona sy ny SODOMITA...
teny anglisy
=>do you not know that the wicked will not inherit the kingdom of God? do not be deceived: neither the sexually immoral nor idolaters nor adulterers nor male prostitutes nor homosexual offenders...
1 Timoty 1:9-10=> fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalana fa ny mpandika ny lalana dia ny tsy matahotra an Atra sy ny mpanota sy ny olona vetaveta ny mpamono olona, ny mpijangajanga, NY SODOMITA.....
=> (DIO) tokony ho tsarovana manko fa ny lalana dia tsy natao ho an ny manao marina fa ho an ny mpandika lalana sy ny maditra: dia ny ...sy ny MPIFAMPILA SAMY LEHILAHY.....
ohatra ny atao hoe fianana homo izay nolazaina tsotra eto fa wicked na olo tsy marina na nadikany t@ teny gasy ihany koa hoe ratsy fanahy.
Mpitsara 19:22-24=>ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro ny olona tao antanana, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandodona mafy ny varavarana ary niteny t@ lehilahy antopanahy tompontrano hoe : avoahahy ny lehilahy izya niditra tato mba hahalalanay azy.
Judges 19: 22-24=> while they were enjoying themselves, some of the wicked men of the city surounded the house. Pounding on the door they shouted to the old mand who owned the house " bring out the man who came to your house so we can have sex with him"
Tantaran i sodoma Gen 19:4-5=> before they had gone to bed, all the men from every part of the city of Sodom- both young and old surrounded the house, they called out to lot, where are the men who came to you tonight? Bring them out to us so that we can have sex with them.
dia taorian izay no nandrodanan Atra ny tananan i sodoma sy gomora
Romana 1:26-28=> izany no nanoloran Atra azy ho ami ny filandratsy mahavoafady fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho @ izay tsy fanaony. Ary tahaka izany ihany koa ny lehilahy fa namela ny fanao @ vehivavy izy ka maimay t@ fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra dia nandray tao amin ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Teny Anglisy=> Because of this God gave them over to shameful lusts. Their women exchanged natural relations for unnatural ones. In the same way the men also abandoned natural relations with women and were inflamed with lust for one another. Men committed indecent acts with other men, and received in themselves the due penalty for their perversion.
Ota ve ny mankasitraka ny fiainana tahaka ireny na dia tsy homo aza ny olona iray?
Eny
Rom 1: 26 => izany no nanoloran Atra ny olona ho andevozin ny filandratsy mahavoafady. Ka ny vehivavy ao aminy dia manova ny fanao ami ny vadiny ary ny zavatra mifanohitra amin izany no ataony, toy izany ihany kao ny lehilahy ao aminy dia mandao ny fanao amin ny vadiny ary ny zavatra mifanohitra amin izany no ataony toy izany ihany koa ny lehilahy eo aminy dia mandao ny ny fanao amin ny vadiny ary manjary maimay ary mifampila samy lehilahy sady mifanala baraka tena, hany ka mandray ny sazy mendrika ny hadalany…..mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny : didimpitsarana navoakan Atra izany ary fantar’ izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay mankasitraka ihany koa.
Eo anatreha ny mason Atra dia mitovy na nanao na tsy nanao ilay fahotana fa rehefa mankasitaraka fahotana dia ota ihany koa izay, izany no mila hitandremana @ zavatra rehetra raha te handeha araka an Atra, fa tsy azon ny olona iray atao ny hoe sady manao fanahy iniana mankasitraka ota ihany aho no mihevitra fa mandeha araka an Atra.
Inona no tambin ny ota?
Fahafatesana ny tambin ny ota(Rom6:23)=> ny fahafatesana dia voalohany fahaverezana any amin ny fiainana mandrakizay rehefa maty ny olona iray ka miala amin’ ny tenany ny fanahiny. Azoko tsy hinoana io fa ny consequence- ny dia tsy azoko sakanana.
Ny fahafatesana izay mety hitranga ihany koa dia ny fahafatesana izay mety hitranga eo amin ny fianinan ny olona iray eto antany, ny fahafatesana izay misy eo amin ny mariage ny, ny fahafatesana misy eo amin ny fahasalamany: tsy mety salama mihitsy fa marary lava sns.., ny fahafatesana misy eo amin ny fitadiavana asany, ny fahafatesana eo ami ny fifandraisany ami ny zanany, ny fianakaviany, ny fahafatesana eo amin ny zavatra samihafa eo ami ny fiainana+ fahafatesana mandrakizay raha tsy mibebaka ami ny Tompo izy rehefa tafiala eto antany.
Fisarahana amin Atra ihany koa no tambin ny ota=> indro ny tanan Atra tsy fohy fa mahavonjy ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare fa ny fahotanareo no efitra mampisaraka anareo amin I Jehovah dia tsy mihaino Izy ( tsy tadidiko hoe aiza io andininy io-mialatsiny)=> gaga ny olona iray fa mivavaka mivavaka anefa tsy mety mahita valimbavaka mihitsy ary tsy mba mety manana izany hoe experience Atra mamaly vavaka izany: inona no antony, diniho ny tena, sao dia misy ota any ho any, ota ankasitrahana na ota tsy nibebahana….
Koa nahoana aza misy ny fiangonana milaza fa tsy maninona ny homo?
Misy tokoa ny fiangonana izay mankasitraka io fomba fiainana io, ary tsy mahagaga izany satria efa aty @ andro farany isika. Tsy tokony hahavery hevitra ny kristiana izay mijoro anefa izany satria dia efa mazava be izao fa fampianarandiso ary tsy mifanaraka @ tenin Atra akory.
I Jesoa no lohan ny fiangonana donc Jesoa no jerena fa tsy ny mpitondra fiangonana na ny olona vitsivitsy izay nivadika t@ Atra ka namorona fiangonana izay mitovy fomba fihevitra amin izy ireo fa tsy mitovy fomba fihevitra amin ny soratra masina.
Izay taritin ny fanahin Atra no zanak Atra ( Rom 8:14). Tsy mino aho fa fanahin’Atra no mitondra io fiangonana io na dia mandeha araka ny endrikendrika sy fombafomba rehetra ivelany aza izy . Efa nanda ny hery sy ny fanahin Atra izany fiangonana izany.
Mila ampandaloviko eo @ tenin Atra ny zavatra toriany vao tokony hohaniko ny teny eny fa na dia ao amin ny fiangonana izay misy ahy aza, rehefa tsy mifanaraka amin ny TA dia tsy tokony hohaniko, izany no mila hahafantarako ny soratra masina fa tsy ho an ny mpitondra fivavahana ihany izany.
Tadidio fa ny kristiana dia tsy miady @ nofo amandra fa ireo fanahy eny @ rivotra dia tsy iza fa ny fanahin ny demonia izany. Misy karazany be dia be ireo satria ny devoly dia manana tafika ary manana ny anjeliny ihany koa ary samy manana ny mission –ny izy ireo ary ao ny fanahy ny fijangangajangana, fanahy ny fankahalana, fanahy ny famonoana olona, fanahy mitondra aretina, fanahy maro dia maro. Ary ny fanahy manafika ny olona tahaka itony dia ny atao hoe perverse spirit…( tsy haiko hoe inona io amin ny teny gasy mialatsiny). Ho fanamafisana ihany izany fa tsy fanahi nAtra no mitondra io fiangonana io, Raha fanahin Atra io dia nanaiky ny tenin Atra.
Ahoana ilay resaka tolerance sy fitiavana?
Atra dia fitiavana ary mamindra fo tokoa, ary maro no manontany hoe fa maninona io ATra be famindram-po sy fitiavana io no mitsara sy mandringana( tahaka an I sodoma sy gomora, tahaka ny fisian ny afobe, tahaka ny resaka tondradrano sns…). Atryny fitiavana sy ny famindramo tokoa Izy, eny, saingy Izy ihany koa hoy ny soratra masina dia Atra MASINA sy MARINA. Ny fitiavany dia nasehony t@ nanomezany ny zanany lahy tokana ho faty hisolo ny fahotan ny olombelona. Fa raha kosa ny olombelona tsy manaiky izany fanomezany izany, tsy manaiky izany fitiavany izany noho ny fahotana tsy hifonana sy ny fahotana ankasitrahana isankarazany izay efa ampitandremany ombieny ombieny dia hianjera eo ambanin ny fitsaran Atra ny olona izay mandika izany noho ny maha masina sy marina Azy ihany koa.
Koa noho izany ny tolerance amin ny resaka homo dia tys azon ny kristiana iray atao noho ny maha masina an Atra.
Ny tolerance sy ny fitiavana dia mivavaka sy milaza izay diso ampitiavana ataony olona manana io fiainana io anefa kosa tsy milatsaka manaraka na mankasitraka izany fomba fiainana maloto eo anatrehan Atra izany.
Azo atao ve ny miala amin io fomba fiainana io?
Eny tompoko. Izay manana io fomba fiaina io dia mila mifona amin Atra aloha manaiky hoe tsy mety ilay izy ary mangataka azy hanasitrana azy. Ny zavatra rehetra hain Atra atao ( Mat 19:26) , Ary Atra tsy hangataka zavatra izay tsy azontsika atao fa matoa izy nilaza fa tsy tiany io ary fahotana dia misy ihany koa izany lalana nomeny hialana amin io.
Izaho nantsoin Atra hiova hanaraka ny teniny fa kosa tsy hoe hanova ny teniny hanaraka ny filako. Atra dia tsy miova fa izaho olombelona no mila miova hifanaraka Aminy.