dailynews | 08 Oktobra, 2007 02:48
Tao anaty restaurant ngeza tokoa izay miendrika fijerena baolina basikety ny tao anatiny. Misy seza avo ho an ny mpanotrona ny ankilany ary ny andaniny kosa dia toa babangaona ihany hafa tsy ilay comptoir fanankalozana vola etsy ampita. Ilay comptoir dia miendrika pilopitra fitorianteny ireny. Misy lamba miloko mena mandrakotra azy. Ny latabatra fihinanan ny mpanjifa moa dia tsaroako ho iray ihany ny hitako dia ilay teo ankaviako.
Izaho sy Tom namako moa t@ izany samy nanao somizy maitso mipetraka maka aina teo ambonin ilay seza tahaka ny fijerena baolina. Nipetraka teo alohanay ilay madama tompon ilay restaurant sy ny zananny vavy nanao thirt fotsy.
Tsitapitapitr izay dia nitsangana daholo ilay olona nisakafo eto ankaviako ary nilahatra teo alohanay fa hoe handoa vola hono. Voamariko fa tsy mbola vita ny sakafon ny ankabeazan izy ireo fa toa hoe maika angaha izy ireo ka mila mandeha amin izay. Nisy ranamana iray toa mbola feno “ fried rice”( karazana riz cantonnais) ny viliany ary mitady doggie bag hono izy( baoritra kely fanasiana sakafo tsy lany rehefa mankany amin ny restaurant mba ho entina mody atao sakafo rahampitso). Tsy nahita olona aho teo amin ny comptoir handray ny volany . Toa nitoditodika ihany ireo olona fa tsy nisy mpaka vola tetsy amin ny comptoir..hay iny ilay madama tompon ny resto nitsangana ka nanakalo ny volan ireo mpanjifa.
Tao anatin io building io ihany dia hitako I Luke sy Keith( olona fantatro) mipetraka amin ny banc iray. I luke nanao somizy manga antitra ary I keith somary lava volo ihany nanao akanjo maitso antitra. Nitomany toa nifokofoko I Luke fa tsy mora taminy ilay nanejika dahalo tany Afrika. Toa hoe saika namoy ny ainy mihitsy angaha izy. I Keith namany moa dia nanakapokapoka ny tanany teo amin ny lamosiny hampaherezana azy.
Nitantara izy ireo fa niaraka t@ Zo tany anaty ala tany izy ireo ary tena ady be ny tany fa haingana be mihitsy ireo dahalo. Toa naniditsidina tahaka ireny sifaka ireny hono izy ireo miala amin ny hazo iray mitsambikina amin ny manaraka. Moa ve tsy tahaka ilay ranamana tao amin ny film “Ambondrobe” ny fijery azy. Ka hoy aho hono tamin ny Keith hoe: “ie, sady raha haingana be tahaka izany izy ireo tonga dia tsy hitahita akory dia ny lohambasy no mitohoka eo amin ny lohanao”
T@ izahay nipetraka teo dia nandalo I Tiana niaraka t@ Prussian boyfriend-ny izany fa toa tsy nijanona niresaka taminay. Dia toa lasa ihany koa I keith sy Luke nony avy eo.
Nony avy niresaka tamin izy ireo aho dia niodina kely teo amin ny trano fitaratra misy ny sakafon ilay restaurant ary naka cinnamon toast ( karazana biskoty ) avy ao amin ilay fitaratra. Nanandrana kely fotsiny ihany aho dia nariako ilay izy fa toa nalebolebo loatra. Dia nahita fen ‘akoho indray aho dia noraisiko ilay izy, hay izy ity tsy fen akoho fa ovy nakotrika misaraka roa(baked potato). Lasa aho fa noana anefa tsy nahita izay hohanina.
Noy teny andalana aho dia nahita an Ilay madama tompon ny restaurant teo ivelan ny fiangoanana iray. Fotsy ny lokon ilay fiangoanana ary tena kely dia kely tokoa ny habeny. Misy soratra miloko manga tanora avy eo ivelany saingy tsy tandritandriko hoe inona ny lazainy. Io fiangonana kely io dia eo amin ny coin hifanenan ny lalana hiakatra any ankatso sy ny fidinan ny fiara avy any ambohijatovo mitsontsorika avy any amin I CNELA ho any ankatso.
Hitako ilay madama nisarika ilay zanany vavy avy ao ampiangonana sady nibedy sy nilelalela taminy fa tsy tokony hiditra ampiangoanan hono ity zanany fa izy tsinona Buddhist.
Hitako tsy lavitra ahy teo izy ireo ary nanakaiky aho niaraka tamin izany namako izany lava be izy, ary lava volo ary mivolontany ny somizy nanaovany teo ambonin ny pataloha jean. Kitjo hono io tovovavy io ( mialatsiny kitjo raha mamaky ity indry o). Nangalatra topy maso kely tao anatin io fiangonana io aho ary hitako I Zo, pataloha jean mainty sy tshirt fotsy misoratsoratra mainty, ilay tovolahy niady tamin ny dahalo iny nitendry aponga mandeha amin ny herin aratra tao amin ilay fiangonana. Nisy olona vitsivitsy nipetraka tetsy aoriana saingy tsy voadiniko hoe iza.
Hoy hono aho t@ Kitjo hoe: tato aho no niangona taloha saingy lavitra ny tranonay ilay izy dia nifindra aho.
Nony avy eo aho dia niakatra irery tamin ny lalana miakatra ho any amin ny CNELA iny. Nahita alika mivolontany izay aho niazakazaka nidina. Toa alika matavy ila ilay izy. Fa ny ilany ankavia dia normale tsara saingy ny ilany havananakosa dia lava be izany. Hay nony nanakaiky alika kely roa miara miazakazaka amin ilay alika volohany ilay avy eo ankavanana. Saingy be volo be izy ireo ka tsy hitako ny masony ka noheveriko ho alika iray ihany no mihazakazaka. ( tahaka ny coton de tulear ireny izy saingy mivolontany fotsiny). Nangetaheta ireo alika ka niakatra kely teo ambony teo izy ireo ary nisotro rano nivoaka avy eo amin ny trano fidiovana iray.
Taorian izay dia tadidiko aho nandalo kosa indray avy ao anaty tomobilina mandalo lalana iray izay moderina tokoa. Ny avy teo ankavanako dia toerana fangalana solitany izany ary misy trano maitso izany ny tafony fametrahana ny vokatra. Toa hoe ilay Prussian hitako nandalo niaraka t@ I Tiana tany amin ilay restaurant iny hono no tompony sa miasa ao. Ary nisy nilaza tamiko tena manao azy tokoa izy ao amin io orinasa io f a hoe “he works for free but he makes money” hono.
Dia niroso ihany ny diako sy J.. . Nahita roplanina kely miloko volomboasary aho tetsy ambony ankavanana, akaiky tokoa ny fahita azy satria hitako ilay olona ni piloter azy manao satroka mafy entina mankany amin ny toerana fanaovantrano na lalana ireny. Hoy aho t@ J..hoe: toa tsy mihetsika izany roplanina etsy ambony izany no sady ambany be. Dia hoy izy tamiko hoe: “of course, it is not a plane, it is a crane”( ilay machine any amin ny construction mampiakatra sy mampidina entana mavesatra ireny dia misy olona ao anatiny ao mamily azy) , hay izy ity tsy hitako ilay tendabe ilay machine fa ilay olona nitingitingina tetsy ambony tanaty masinina no hitako. Ilay tendabe n ilay masinina dia nafenin ilay lalana mifampidipiditra etsy ambony ( lalana moderina misy lalana mifampitaingina ireny).
Nitohy ihany ny dia ary tapaka ny tsinaiko fa nahita rangahy fotsy hoditra aho nampiditra ny hazo nentiny tao anaty tomobilina. Nampidiriny avy ao aoriana ilay hazo feno ravinkazo ka ny fakankazo etsy aoriana ary mivoha ny malle arriere, ary ny lohankazo hila hanafina ny tarehin ilay mitondra azy no sady mandeha moramora ihany ny tomobiliny no mila ho dify ao anaty ravinkazo izy. Hoy aho t@ J..tamin ny nahita azy hoe: “ that is a Christmas tree guy” sady nilaza taminy aho hoe ho tapaka izao ny tsinain ilay vehivavy mitaingina moto io raha mahita azy fa hafahafa be izy.
Nony hitako anefa ilay nitaingina moto dia vao may tapaka ny tsinaiko fa ilay lehilahy nitondra mitodika any aloha mazava ho azy saingy ilay vehivavy nentina kosa mitodika aty aoriana. Nihomehy mafy dia mafy aho nahita ilay mpitaingina moto no nisy nanaitra ny maraina hoe: ndry..ary inona ity mampihomehy anao????
(nofy 6 Oktobra hifoha 7 Oktobra)
dailynews | 08 Aprily, 2007 03:18
Raha tsy nitsangana hono Kristy Jesoa dia ho foana ny finoantsika
Marina loatra izany.
Efa nandray io Atra velona izay naharesy ny fahafatesana io ve ianao? Raiso Izy fa tsy hanenina mandrakizay ianao. Ary hilaza ihany koa fa hitako ny lalantsara ka hizorako
Fa izao, na inona na inona ihany koa efa maty eo amin ny fiainanao dia tadidio fa Atra velona sy nitsangana t@ maty io Atry ny kristiana io ary afaka manome aina izay heverinao fa fahafatesana ihany koa izy eo amin ny fiainanao. Aza kivy mahereza fa Atra mahery Izy.
Ento eo Aminy izay zavatra lazain ny devoly fa efa maty eo amin ny fiainanao ary tsy misy azo atao intsony, fa laingany izany.
Maty ve hono ny fidirambolanao ? maty ve hono ny fitiavanareo mivady? Maty ve hono ny fifandraisan ny RAD sy zanaka? Maty ve hono ny fahasalamano ary tsy misy azo atao intsony? Maty ve hono ny ….
Tolory eo ampelatanany izany ary lazao Azy fa Atra Mahery sy Atra velona Izy ary afaka mamelona indray izay zavatra lazain ny fahavalo fa maty eo amin ny fiainanao.
Mahereza mivavaka.
Raha maty ny fidirambolanao dia lazao ny devoly fa Jesoa no hinoanao satria Izy nilaza t@ malalany fa: Deo28:5=> ho tahiana ny haronao sy ny vilia fanaova mofonao( ny asanao raha adika tsotra be, mbola misy ny TA hafa)
Raha misy ny fahafatesan ny fifankatiavana eo amin ny mpivady dia aza mino ny devoly fa tsy misy azo atao intsony ny amin izany( na dia efa tsy ao antrano intsony aza izy no mipetraka) fa nasain ny Tompo hifankatia ny mpivady Kolosiana 3: 18-19. Koa raha nasainy nifankatia ny mpivady anefa tsy misy intsony izany dia mangataha indray ary fitiavana avy amin ilay Atry ny fitiavana hitiavanao ny vadinao indray ary hitiavan ny vadinao anao indray ary ataovy isanandro izany mandra pahazonao ny valimbavaka, tsarovy hatrany fa hoy ny Teniny, raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo hoy Izy dia hataoko izany, koa tsy sitrapon Atra ve ny hifankatiavan ny mpivady e?? izay hinoana fa aza ny situation izay tahaka ny marina amin izao fotoana izao anefa azo hovaina tsara rehefa entina ambavaka satria mahery ny vavaka ary rehefa mino ianoa dia ho hitanao ny voninahitr'Atra araka ny nolazain ny TA. Ary rehefa mivaly ny vavaka dia aza adino ny misaotra an Atra sy mangataka hatrany an Atra hitahy ny tokantranonao sy ny fanambadianao. Tadidio foana fa ny TA marina noho ny situation.
Ny olombelona amin izao fotoana izao dia malaina ny hivavaka ka raha misy ny situation tsy mety dia ny situation no hinoany kokoa noho ny herin ny vavaka koa dia aleony maka ny hevitra mora indrindra dia ny hoe efa tsy mety intsony io koa ny misaraka no mety sns…. Satria tsy hainy ny nofony ny mamelona ilay fitiavana dia heveriny fa izay no farany...tsia tsy farany izany raha entinao ambavaka io…fa Atra lehibe noho ny situation ny olombelona izy koa raha tsy haiko izany tsy azoko mesurer-na amin ny tsy fahaizako mihitsy Atra. Atra mahay manao ny zavatra rehetra Izy ary izay no mila hinoako. Afaka mamadika ambony ambany ny fiainanao Izy saingy miandry anao kosa hanokatra ny vavanao @ alalan ny vavaka; tahaka ny nolazainy t@ ilay jamba hoe: inona hoy Izy no tiako hatao aminao?
Mahereza kosa anefa mivavaka sy manao ny sitrapon Atra ary averina foana fa ny vavaky ny marina dia mahery indrindra hoy ny baiboly.
Maty ve ny fahasalamanao ary tsy misy azo atao intsony hoy ny dokotera? Mety marina tokoa izany raha hijery ny ara nofo fotsiny ihany. Fa izao ilay Atr’ I Jakoba sy Abrahama anie hono Atra Rafa( Eks 15) no anarany e. Izany hoe Atra mpanasitrana ary Jesoa ireo dian kapoka teo aminy hono no nanasitranana antsika. Noho izany dia afaka manao zavatra tys takatry ny saina Izy……
Velona Jesoa ary resy ny fahafatesana. Tonony sy tsofy rano ny fiainanao manokana @ anaran I Jesoa fa velona ao amin ny fidirambolanao Jesoa ary maty ny fahafatesana rehetra. Velona ao amin ny fanambadianao Jesoa ary maty izay mety ho endrika fahafatesana rehetra. Sns……mahereza ary manaova pasaka mamy be daholo.
Tsy sokola na akanjo vaovao sy sakafo mafilotra ihany ny andro pasaka na andro fialantsasatra any Antsirabe… fa zavatra sarobidy loatra ihany koa.
Hohano ny sokola sy anaovy ny akanjo vaovao dia mandehana manao fety any antsirabe… .. fa aza adino ihany koa fa andron I Jesoa io ary zava dehibe tokoa amin ny fiainan ny zanak ’olombelona rehetra.dailynews | 05 Aprily, 2007 01:50
dailynews | 10 Martsa, 2007 15:50
dailynews | 01 Martsa, 2007 00:48
Ny vavaka izay mazava ho azy fa resaka hifanaovana @ Atra dia zava dehibe indrindra eo amin ny fianana kristiana satria dia azo lazaina fa io no ain ny ny fianana kristiana iray noho ny fifaneraserany @ Atra. Ny kristiana mivavaka no zavatra atahoran ny devoly indrindra satria fantany fa ao anatin ny vavaka no hery ananan ny kristiana iray. Ary tsy mahagaga fa ny vavaka no zavatra attaquer-ny devoly voalohany indrindra hiala @ fianan ny kristiana iray aloha, ny fisehon ny fahalainana manao ny sitrapon Atra aty aoriana dia efa vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisian ny vavaka fotsiny ihany sisa. Ny fidirana ampiangonana sy ny maha membre amin ny antoko isankarazany ao ampiangonana dia tsy mampaninona azy mihitsy rehefa mbola atao routine, fa rehefa manomboka hivavaka sy hanao serieux izany zavatra izany ny olona iray no matahotra izy ary ataony izay hialan ilay olona amin io fa manembatsembana ny fanjakany izany satria ny olonmbavaka ihany no afaka ny hamotika ny asa ratsiny rehetra, sy afaka manova izay planina rehetra napetrany hamotehana ny fiainan ny olona iray noho ny vavaka izay ataony. Ny fiasan ny fivavaky ny marina hoy ny Tompo no mahery indrindra.
Saingy ny mila tsaroana dia tsy hoe fangatahana fotsiny ihany ny vavaka fa tafiditra ao ny fanomezamboninahitra an Atra, ny fifonana, ny fisaorana, ny fivavahana ho an ny hafa, ny fangatahana, ny fametrahana ny fiainana rehetra eo ampelatanan Atra…. ary ny famaranana ny vavaka @ alalan ny hoe “ @ anaran I Jesoa, amena”.
Tsy formule ihany koa ity vavaka izay zaraiko ity fa kosa mba hahafantarana kely hoe inona no mitranga anaty vavaka satria dia rehefa miresaka amin ny olona eny dia mahare foana hoe: fa inona kay no atao anaty vavaka e, tsy hitako mihitsy izay lazaina.
(tohiny)dailynews | 20 Janoary, 2007 02:37
dailynews | 15 Janoary, 2007 04:01
Efa hariva ihany ny andro t@ izay. Nitsofoka t@ parking moramora aho fa saika hanajanona ny tomobilina noentiko. Nony nitsofoka tao anefa aho dia taitra sy nangovitra nony tonga saina fa teo anelanelan ny tomobilina izay nijanona teo, izay marihina fa mainty daholo ny lokony dia nisy fatin olona telo nivalampatra teo @ godorao.
(tohiny)dailynews | 11 Janoary, 2007 17:22
Ny baiboly dia milaza fa toetra fito no maha Mpanjaka ny mpanjakako… mpanjakan ny jiosy Izy; mpanjaka @ alalan ny fihaviana izany… Mpanjakan Israely Izy; mpanjaka @ alalan ny firenena izany… Mpanjakan ny fahamarinana Izy …Mpanjakan ny fotoana rehetra Izy ..Mpanjakan ny lanitra Izy..Mpanjakan ny voninahitra Izy…. Mpanjakan ny mpanjaka Izy ary Tompon ny tompo. Izany no mpanjakako. Manontany tena aho hoe..fantatrao ve Izy? Davida dia nilaza fa “ Ny lanitra manambara ny voninahitr Atra ary koa mampiseho ny asan’ ny tanany”. Ny mpanjakako dia mpanjaka tsitohaina. Tsy misy azo hamarana ny fitiavany tsy manampetra. Tsy misy teleskopy izay afaka hahitana ny moron ny fiahiany ahy izay tsy hita noanoa. Tsy misy fefy izay afaka manakana Azy tsy handrotsaka ny fitahiany. Maharitra ny heriny…mahatoky tanteraka Izy… tsy voahozongozona mandrakizay Izy…tsy ho faty mandrakizay ny fahasoavany. …lehibe ny heriny…tsy manampaharoa ny fihantrany….. fantatrao ve Izy?
Izy no tranga lehibe indrindra izay nandalo ny faravodilanitr ity izao tontolo izao ity. Zanak Atra Izy…Mpamonjy ny mpanota Izy…Izy no ivon’ ny sivilizasiona….mitsangana @ maha-Izy Irery Azy Izy… lehibe Izy…Tokana Izy…tsy manampaharoa Izy…tsy misy ny teo alohany….Izy no hevitra ambony indrindra @ literatiora…..ny maha Izy Azy no avo indrindra eo @ filozofia…Izy no olana goavana indrindra @ fitsikerana izay lehibe indrindra…Izy no fototry ny fampianarana marin ny ny teolojia…...Izy no kardinaly ilaina indrindra ho an ny finoana..Izy no fahagagan ny fotoana rehetra.. Izy no ambony indrindra @ izay rehetra tsara tianao hiantsoana Azy….Izy irery ihany no mahasahana ny toetra rehetra ananan ny hoe mpamonjy mahefa…manontany tena aho raha fantatrao Izy androany?
(tohiny)dailynews | 08 Janoary, 2007 18:22
1)Mila marina eo anatrehan Atra satria tsy ny olona rehetra no valiany vavaka:
Fanina ny olona matetika hoe maninona no tsy mety mahita valimbavaka mihitsy ary maninona no tsy mihaino Atra nefa izy mba mivavaka ihany. Toa mivavaka ihany, toa mitomany ihany, toa misentosento ihany anefa ilay vavaka tsy tonga tetsy @ plafond akory dia miverina..hmmmm… Sao kosa ary dia mbola nisy ny fahotana izay tsy nifonana na fahotana nankasitrahana tany ho any ka mbola tsy nibebahana? Atra mantsy niteny fa raha misy izany dia izany no efitra manasaraka antsika Aminy ka dia tsy mihaino tsotra fotsiny izao Izy.Jao 9:31=.Fantatsika fa Atra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
Isa 59: 1-2=> Indro ny tanan I Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo @ Atrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
Jak 5: 16=> Ny fiasan ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Oha 10:24=> Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy fa ny irin ny marina no homena azy.
2) Mila mangataka :
Marina tokoa fa efa fanatr Atra izay zavatra ho ahy anefa Izy ihany koa dia nampirisika ny kristiana hangataka. Miandry ahy izany Izy hanokatra ny vavako ary hilaza aminy ilay Raiko hoe inona no zavatra izay tiako hangatahina Aminy.
Lio 10:9-10=> Mangataha dia homena ianareo; dondony dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita, ary izay mandondona no hovohaina.
Mat 7:7=> Mangataha dia homena hianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondony dia hovohana ianareo.(tohiny)
dailynews | 28 Desambra, 2006 20:38
Inona no atao hoe finoana?
Hebreo 11: 1=> ny finoana no fahatokisana ny @ zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Ny tsotra indrindra hahazoako ny atao hoe finoana an Atra dia Mino fa misy Izy ary mino izay lazainy ao anaty baiboly.
Heb 11:6=>“..fa izay manantona an Atra dia tsy maintsy mino fa misy Izy ary mpamaly soa izay mitady Azy”
Mila mitandrina eto fa ny devoly ihany koa dia mino ny fisian Atra, izy ireo aza hono sady mino ny fisiany no mbola mangovitra Jak 2:19=> Hianao mino fa iray ihany no Atra; koa tsara izany ataonao izany, ny devoly koa mba mino izany ka dia mangovitra. Isika moa indraindray dia mbola resin ny finoan ny devoly satria tsy mino tsotra fotsiny izao fa misy Atra. Ny finoan ny devoly an Atra anefa dia marihina fa finoana tsy mahavonjy. Mahafantara tsara izy fa misy Atra ary Atra dia masina, saingy kosa tsy misy hiantraikany @ fiainany izany, efa fahavalon Atra izy na hiodinkavia na hiodinkavanana. (Mark1: 24)
Mino izay lazainy:
Ny finoan I Abrahama an Atra, izay lazain Atra fa rain ny mpino, dia nino tsotra fotsiny izao izay lazain Atra na inona na inona situation teo @ fiainany.
TA: avy @ Isaka no antsoina ny taranaka ho anao(Gen 21: 21)
Situation: atao fanatitra Isaka ary ho faty izany.
Finoan I abrahama: tsy nimenomenona izy hoe ho vonoina isaka ary Atra manao omeko tsy omeko fa ny fantany dia hoe avy @ Isaka no antsoina ny taranaka ho azy na inona na inona no mitranga androany @ Isaka. Nino aza izy araka izay mba saina kely fantany hoe: na maty aza isaka dia mbola mahay manangana ny maty Atra, fa ny ninoany fotsiny dia ny teniny.( Heb11: 19) dia rehefa nino an Atra izy dia niseho ny voninahitr Atra, tsy Isaka no natao fanatitra hodorana fa zavatra hafa ary noho izany ny taranaka antsoina avy @ Isaka dia ho tanteraka.
Mbola be dia be ireo olon ny finoana resahina ao @ Hebreo 11(vakio)
Ohatra mba tiako izy ity ary ampiasaiko foana.
Nilaza I DN fa homeny vola 200 Ariary Soa @ faran ny volana. Raha mino an I DN I Soa dia mino izy fa homen I DN 200 Ar @ faran ny volana ary rehefa tonga izany fotoana izany dia hiandry izany tsy ampisalasalana satria efa nahazo fampanantenana. Mino an I DN izy izany satria mino izay lazainy. Fa tsy hoe milaza fa mino an I DN izy anefa nony tonga ny faran ny volana dia nilaza hoe: dain, DN koa ve dia hahaloa ny volako eo…hmmm..raha mino izy dia hino tsotra fotsiny izao fa ho azony ilay 200 AR. Tsy ny fisian I DN intsony no takiana hinoany eto fa ny teniny fampanantenany.
Voasoratra ao anaty baiboly ny tenin Atra. Raha mino an Atra aho izany dia tsy tokony hijanona eo @ finoana fotsiny ihany fa hoe misy Izy. Fa kosa mino ny teniny dia tsy inona fa izay voasoratra rehetra anaty baiboly.
Misy ny kely finoana: Jesoa dia niteny mafy ireo mpianany matetika hoe ry kely finoana (Matio 8:26)
Misy ny be finoana: ny finoan ilay miaramila manamboninahitra, tsy mbola nahita olona be finoana tahaka izany aho hoy Jesoa(Mat 8:10)
Raha misy fatra ny finoana dia midika izany fa azo ampitomboina izy izany fa tsy tokony hijanona ho kely finoana foana satria dia hita eto fa ny be finoana no ankasitrahin I Jesoa.
Raha te hitombo finoana dia mila mihaino toriteny betsaka. Satria araka ny hahenoana toriteny no mapahatanjaka ny olona iray. Tadidio ilay ohatra hoe soavaly fotsy sy soavaly mena tao @ lahatsoratra “ Rehefa Avy Teraka Indray” Rehefa novokisana ny fiainampanahy dia miha matanjaka ilay soavaly fotsy . Raha ilay soavaly mena kosa no vokisana dia miha matanjaka ny fiainana ara nofo ary miha reraka kosa ny soavaly fotsy dia ilay fianana ara panahy izany. Koa izay nahazo sakafo betsaka ihany izany no mandresy rehefa mihazakazaka ireo soavaly roa ireo.
Koa raha te ho be finoana dia mihanoa toriteny betsaka, tsy ny lahady na sabotsy ihany fa isanandro. Betsaka ny radio na fandaharana @ tele misy toriteny. Mila mihinana betsaka raha ny ara panahy. Vakio ny baiboly isanandro, mamakia literatiora kristiana, mila mivavaka (eka), mila miandeha miangona, mila mifanerasera @ kristiana namana hafa…
Teto: tsy nila nino intsony I Petera hoe mi existe Jesoa. Efa teo izy. Fa ny ninoany teto dia ny Teniny hoe: “manantona” teto dia nino ny tenin I Jesoa I Petera izay tenin Atra.
Koa raha te hahita ny voninahitr Atra I Petera, na inona na inona zavatra nitranga. Tsy ny situation no ninoany hoe: oay rano lalina be ange ity e ahoana koa ary izany Jesoa izany, na hoe oay, dia ahoana raha misy voay ao anaty rano ao. Oay dia ahoana koa izao ny fomba handehanako eo, oay sao dia milentika eo aho? Tena tsy ara tsiansa mihitsy izany mandeha ambony rano izany, zany ve dia hinoako??….tsy ny situation no ninoany fa ny TENIN I Jesoa hoe manantona, fa rehefa izay tenin I Jesoa izay no ninoany izay raha jerena @ mason olombelona dia hita fa impossible mihitsy dia niseho ny voninahitr Atra. Teto averina indray tsy ny situation manodidina no ninoany fa ny TA dia nony nataony izany dia niseho ny voninahitr Atra, nahita miracle izy dia ny fahagagana mandeha ambonin ny rano. Izany no finoana mahakasika ny fon Atra.
Tahaka izany ihany koa eo @ fiaianana kristiana. Raha te hahita fahagagana dia aza ny situation no jerena fa ny tenin Atra. Raha miteny Atra hoe hanasitrana aho. Dia aza ny situation androany no jerena hoe: ka ny dokotera anie efa niteny hoe tsy misy azo atao intsony e na hoe ka na ilay aretina aza anie nihombo e.sns….raha te hahita ny voninahitr Atra, raha te hahita fahagagana, dia manomboka ny TA miteny hoe: ny diakapoka taminy no hanasitrananana azy hinoana fa tsy ny tenin ny dokotera hoe tsy hoe tsy misy azo atao aminao intsony na hoe ny fanaintainan ny aretina. Mila mivavaka kosa anefa. Ary tazomy ny TA: izany hoe rehefa mivavaka dia lazao Atra fa tsy noho ianao marary no mahatonga anao mangataka fa noho Izy niteny hoe hanasitrana, dia tazomy @ teniny Izy. Ataovy ny vavaka isanandro ary aza mijanona raha tsy azo ny valimbavaka. Fa raha hinoanao ny Teniny fa tsy ny situation nao dia hiseho ny voninahitr Atra. Mila maharitra mivavaka kosa( zavatra tena ngeza beuh io), aza mitsahatra raha tsy azo ny valimbavaka. Mety ho eo no ho eo ny valiny mety afaka amantaonany, Atra ihany mahafantatra hoe rahoviana fa ny hinoako kosa dia ny teniny hoe raha hino ianao hoy Izy dia ho hitanao ny voninahitr Atra. (Jaona11: 40)
Raha te hahalala betsaka kokoa momba ny ministeran ny fanasitranana sy ny fitondrana fanahy ho an Atra dia jereo ity web site ity fa hahita ianao fa mbola manasitrana Atra na aretina inona na aretina inona h@ izao @ alalan ny mpanompony samihafa. Fa ny olana dia hoe ianao ve mino izany?. http://www.bennyhinn.org/
Tahaka izany ihany koa ny kristiana iray manambady olona mamo lava be ohatra ary tiany io vadiny io hanolo tena ho an Atra ary hiala @ izany toetra ratsy tsy ankasitrahan Atra izany.
Ny tenin Atra dia izao: raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianao hoy Izy dia ataoko izany. Sitrapon Atra ny mpanota iray hibebaka ary hiala @ ratsy fanaony noho izany sitrapon Atra izany io vehivavy io hivavaka ho an ny vadiny mba hibebaka ilay vadiny( Atra dia niantso ny kristiana hivavaka ho an ny olona hafa hijoro eo anatrehany @ alalan ny vavaka mba tsy handringany io olona io naio firenena io. Resaka intercession Ezek 22:30 Noho izany anjaran ny vady izany eto no mijoro eo anolohan ny banga, manao intercession ho an ilay vadiny mba hiverenany @ Atra)
Minoa an I Jesoa Tompo ianao dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao. (Asa 16:31)
Ary ny vady dia isan ny ankohonana, isan ny fianakaviana.
Ny situation: mamo lava rangahy, tsy mahate ho tia mihitsy, tsy mitondra vola antrano sns…
Iza ary no hinoana, ny TA sa ny situation?
Rehefa manomboka mino ny TA ary mivavaka mba hiova io olona io dia haneho ny vonihahiny Atra. Aza adino foana ny milaza aminy fa noho izy manome Teny hoe: minoa an I Jesoa Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao sy ny hoe mangataka zavatra araka ny sitrapony no antony hangatahanao.
Ny olana dia raha vao manomboka mamo rangahy sy miteniteny foana sy masiaka..dia manomboka kivy sy manomboka tsy mino intsony fa mbola hiova io olona io. Ny antony dia manomboka mino ny situation ny olona iray fa tsy ny TA milaza hoe raha mino ianao dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao. Mety ho ngeza tahaka ny tendrombohitra tokoa ny situation saingy tadidio fa Atra dia lehibe noho io tendrombohitra be io. Izy aza nilaza hoe raha manana finoana na dia kely aza tahaka ny voatsinapy dia afaka mahafindra tendrombohitra izany( Matio 17:20)
Raiso @ teniny Izy, ary aza variana @ situation fa mandehana @ finoana hoe: Atra no hinoako ny teniny fa tsy ny situation…rehefa mino izay dia mivavaha isanandro mandrapahazo ilay valimbavaka. Ary rehefa mino ny teniny ianao fa tsy mino ny situation dia minoa fa ho hitanao ny voninahitr Atra.
Fa tsy hoe mino an Atra aho ary averimberina izany isanandro anefa tsy misy hinoana ny zavatra rehetra izay lazainy ao anaty baiboly na zara raha hinoako ary toheriko mihitsy aza….tsy mino izany satria tsy mino ny zavatra nolazainy fa mampandainga Azy raha tsy hinoana.
Misy teny fananarana maro ao anaty baiboly ao momba ny fahafatesana raha mitohy ny fahotana raha tsy hibebahana: ao ny resaka homo, ao ny resaka fangalarana vadin olona, ao ny fahamamoana, ao ny fanompoantsampy, …….Izay marihina fa tsy nifampiaraharaha mihitsy Izy hoe ovaina izany @ izao fotoana izao izao fa efa miova ny toetrandro. Atra tsy miova Izy fa izaho no tokony miova hanaraka izay lazainy fa tsy ny teniny no amboamboariko hanaraka ny filako. Atra fitiavana Izy anefa koa Atra masina. Fa tsy afinafenina foana anaty fitiavan Atra foana ny excuse ny fahotana izay tsy tiana hibebahana.
Ao ihany koa ny ireo teny fikasana (promesses) ao anaty baiboly ao momba ny resaka fianakaviana, fahasalamana, ara bola, zanaka, vady, fianana feno ny Fanahy Masina, fiainambavaka matanjaka, fiainana kristiana taritin ny Fanahin Atra, delivrance @ zavatra izay mamatotra na inona na inona…..
Raiso ny teny fikasana ary hinoy izany fa avy @ Atra ary manomboha mivavaka @ situation izay misy, tsy noho ny situation ananao no antony hivavahanao fa noho Atra nanome teny fikasana. Raiso @ teniny Izy raha zanany ianao ary manao ny sitrapony.
Raha mbola tsy tena sur hoe zanany dia mandehana any @ ilay lahatsoratra voasoratra ato ihany koa hoe “Lalana Mankany Andanitra” ahafantaranao marina hoe inona izany fa important be io. Atra tsinona tsy mamaly vavaka ny mpanota na ny tsy zanany fa izay zanany ihany sy izay manao ny sitrapony.( Jaona 9:31; Isa 59:1-2)
dailynews | 27 Desambra, 2006 01:07
Toa samy nanana ny nalehany avy izaho sy V.. saingy ny nifanarahana dia hoe rehefa avy eo mifankahita koa samy nandeha t@ nalehany avy izahay.
Tsaroako t@ izay fa nitondra tomobilina mafy be aho handeha hitady essence tany @ BP haingana fa hoe tsy mandry hono ny tany. Saingy teny andalana anefa dia very ny ilankiraroko ka sahirana nitady izany indray aho ka tsy tonga hatrany @ BP akory fa niodina niverina t@ lalana izay nalehako teo indray aloha fa hoe hitady ilay kiraro hono. Narahiko moramora ary ny arabe sady nijery tsara ny sisiny tsara aho saingy farany niveri- maina ihany fa tsy hitako intsony ilay ilankoraro.
Nony avy eo aho dia tsaroako fa teny Antsahavola indray. Noho ny hotakotaka teo antanana dia tahaka ny tsy dia nahaozo aina loatra aho. Nipaka t@ fiainana rehetra izany satria noho izany olana izany dia miafina koa ny fiaramanidina rehefa misidina fa sao dia misy mitifitra angaha. Ity fiaramanidina iray hitako aza moa dia miafina “radar’ ka dia nanidina ambany dia ambany mba tsy ho tazan ny radar hono. Efa hila hifampikasoka @ fil telefonina sy ny trano mihitsy ny nahitako azy teny @ habakabak’Antsahavola. Hitako ilay vorontsaradia 737 fa mbola ilay logo fahiny no nisoratra teo aminy ihany fa tsy ilay vaovao misy sary ravinala izao. Hitako nandalo fil sy ravimanga izy tetsy amboniko ary tena variana aho fa dia tena ambany loatra tokoa. Ny nahagaga aza dia noho izy nanidina ambany dia ambany dia afaka nitarika kamiao miendrika kontenera tety @ arabe. Io lalana io moa dia tsy taiza fa ilay arabe teo akaiky ny banky afrikana eo antsahavola. Tadidiko fa feno entana be nentin ilay kamiao.
Tetsy andanin izany anefa dia nifanena ihany koa aho t@ mpiara miasa tamiko iray izay tao anaty trano fivarotana . Teo ankavanako Ms.Jescina ary nisy olona iray tsy fantatro teo ankaviako. Teo alohanay kosa I Mr Dee izay nanao tricot mainty toa sesritseriny ihany. Notolorany vilia misy karazana biskoty mamy mihosotra tantely I Ms.Jescina, ary variana aho nijery ilay vilia fa tena miisa folo angamba no sady ngeza tokoa ireo biskoty. Mila hitovy @ haben ny vilia iray ny haben ny biskoty iray ary misasaka eo ampovoany izy ireo. Ilay tantely mihosotra aminy dia betsaka ihany koa no toa mifotetaka ihany. Notolorany vilia hafa ihany koa ilay ranamana teo akaikiko ary farany aho dia nomeny ny vilia fanitelony. Hoy aho anakampo hoe: “tena be calories be koa izy izany sady toa mamy be ny fahita azy avy ety ivelany”. I Mr Dee moa dia faly tokoa fa anniversaire-ny hono androany ka mba faly izy mizara izany aminay. Nojereko ny vidin ny iray @ ireo vilia nomeny anay ka hitako fa 5400 Ar. Tsy naharitra teo anefa aho fa hoe tsy maintsy hanohy ny diako hono.
Toa avy eo ambohijatovo ambany indray no nisy ahy ka hoe hiakatra ny tohatra mankany ambohijatovo ambony iny. Nalalaka be tokoa ilay tohatra raha ny fahitako azy fa tsy tahaka ilay tohatra miendrika lalankely izay fahitako. Raha ny fijery azy dia indroa ny haben ny tohatohabaton Antaninarenina mihitsy angamba. Nony niakatra aho dia nahita fa nisy ihany koa tohatra hafa parallelle taminy tetsy ankaviako, ohatry ny tohatra vaovao ny fijeriko azy fa ilay simenitra-ny mbola tena volondavenona tanora tokoa no sady tsy maloto fa madio be. Nony niakatra kelikely anefa aho dia nisy fihodinana izany miendrika antsasaka noeud nampifanena ireo tohatra roa, hoy aho tany antsaiko t@ izay hoe: mba mi twist (miolakolaka, mifanolana) koa izany tohatra izany an.
Nony tafiakatra aho dia tonga teo @ lalana tsiombikibo. Tery ambanimbany ampitan ny ny “jeune afrique’ taloha iny, efa trano fivarotana akanjo izy izao. Nisy “skate board” mangamanga teo nitsingevaeva miala iray metatra miala @ tany teo ho eo angamba niandry ahy hitondra ahy any @ izay halehako hono. Tsy nisy kodiarana ilay izy. Nanandrana nitsangana aho saingy saika nianjera ka hany heriko dia nipetraka t@ ilay skate, tahaka ireny mipetraka @ banc ireny. Tadidiko fa tsy stable mihitsy ilay mitaingina azy fa tahaka ny hianjera izany foana, tahaka ny hoe misy manozongozona mihitsy angamba fa mba tsy mianjera fotsiny.
Farany aho tonga tao @ ilay trano tokony hiafaran ny diako ihany. Ary ny anadahiko no namoha ny trano. Hoy izy tamiko. Ary taiza ianao fa efa lasa daholo ny olona ?
dailynews | 23 Desambra, 2006 18:15
Misy fahamarinany tokoa fa tsy ao anaty baiboly ary tsy tena io no nahaterahan’i Jesoa saingy izao ihany koa no mila fantatra. Andro firavoravoana taty aoriana izay efa natokana ho an ny Tompo io ary hisaorana sy atolotra ho an ny Tompo. Rehefa hisaorana Azy dia izay no zava dehibe.
Koa raha misaotra ny Tompo noho io andro io aho dia ankasitrahany izany. Tafiditra @ Rom 14 rehetra ihany io. Koa na hankalaza aho na tsy hankalaza dia rehefa atokako ho an ny Tompo sy hisaorako Azy dia izay no zava dehibe. Aoka ny mankalaza tsy hitsara ny mankalaza ary aoka ny tsy mankalaza tsy hitsara ny mankalaza, rehefa samy hisaorana izany ary mahatoky ao @ Tompo ny antony hanaovana na tsy hanaovana dia izay no sitrapony.II Kor 2:16-17=>Kol 2:16-17 => koa aza avela hisy hitsara anareo na @ fihinanana na ny fisotro na andro firavoravoana na ny voalohambolana na ny sabata. Aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia Kristy.
Rom14:5-6=> ny anakiray manao ny andro iray ho mihoatra noho ny sasany ary ny anakiray manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hahatoky @ sainy avy. Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinnana ho an ny Tompo sy nitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra ihany koa izy.
MIRARY KRISIMASY SAMBATRA DAHOLO ARY :)
dailynews | 20 Desambra, 2006 18:27
Marihina aloha fa ity nofy ity dia tsy nofiko fa nofin ny vadiko. Saingy izaho sy ramose hono dia iray ihany ka nozarainy tamiko ilay nofy dia mba raketiko eto ihany koa.
Tany Chine hono izaho sy V. Niainga t@ tanana lehibebe iray hono izaho sy V( Vadiko) ho any @ izany tanany t@ izy mbola kely izany tany @ nisy ny dadabe sy bebeny( nofy marina). Nony teny andalana anefa dia nisy ny fisavana ny tomobilina rehetra izay mandalo satria nisy ny mpioko izay manohitra ny governemanta.
Ny olona rehetra izay nandalo dia nosavaina vetivety ihany fa izahay kosa toa mitady izay tsy handefasana anay ilay mpisava. Nasainy nivoaka ny tomobilina izahay ary nametrahany fanontaniana marobe I V.. Ilay ranamana nanontany moa dia tena hita fa nitady kendritohana fotsiny izao tsy handefasana anay. Mpiasan ny governemanta izy. Na inona na inona fanontaniana voavaly ara dalana sy marina dia mametraka hafa indray izy. Farany moa tafavoaka ihany saingy noho ilay fisavana sy noho ny nataon ilay ranamana dia nanapa kevitra I V.. fa haka ny toeran ny mpiandany t@ governemanta ihany koa. Izany hoe hanao revolisiona hono izany.
Noho izahay lasa mpioko dia voatery niaina ihany koa izahay t@ fiainana enjikenjika, lasa voatery niafina izahay satria dia nanomboka teo dia nenjehin ny governemanta fa mpandala ny revolisiona hono.
Nisy lalana avo izay teo antsisin ny farihy iray sy ny lalambe iray. Avo kokoa noho ilay farihy ilay lalana ary ny tao ambaniny dia tahaka ny tetezana, saingy tsy tetezana no tao fa “cave” ary maromaro ireo mpioko no niafina tao. Izahay anisany ihany koa.
Mba tongatonga saina I V..t@ fotoana nipetrahanay tao ka nahatsiaro ery izy hoe ny trondro anatin io farihy lehibe io izao hoy izy dia tena mba sambatra ery fa manana “freedom” ry zareo.
Tsitapitapitr izay anefa dia hoe tonga hono ny miaramila hisava ny cave nisy anay. Koa lasa nitsoaka daholo ny rehetra. Izhao sy V.. moa dia nisy tomobilina iray izay efa niandry tao ivelany nentin’ny namany atao hoe Yen. Nisy ihany koa mpifankatia niaraka nandositra taminay ary samy niditra tao anaty tomobilina izahay no sady nirifatra nitsoaka samy namonjy ny ainy.
Tao anaty tomobilina hono dia nitaraina t@ V.. aho fa nisisitisiska be izahay rehetra ary sorena tamiko izy hoe: ‘ianao mbola ny comfort- nao no jerenao anefa ny olona aza efa mitsoaka mamonjy aina.”
Nandalo lemaka izany izahay ary ny ilay roa dia feno vonikazo mena sy fotsy . Ny voninkazo ety aloha dia manopy mena fa ny eny aoriana dia fotsy ny lokony. Ary ny ery amin ny manodidina kosa dia ala. Tao antsain I V t@ izay hono dia hoe tena mba milamina koa ety izany an, tahaka ny adino ny olana rehetra.
Nony tafavoaka ilay sahamboninkazo anefa izahay dia maty ny tomobilina. Ny olana anefa dia tsy mba nanana zavatra hanamboarana azy izahay. Soa ihany anefa fa ny zanak I Yen izay 12 taona eo dia toa mahay zavatra tokoa ary mahitahita. Nahita antsy lava lela be izany izy izay mirefy roa metatra teo hatao tornevisy. Iray metara ny lelany ary iray metara ny fitazomana azy, moa va tsy tahaka ireny antsibe drizareo Japoney ireny.
Fa dia hainy tokoa ny nanamboatra ilay tomobilina ary dia tena kevoka ery ny dadany hoe mahay zavatra hono ny zanany.
Dia lasa indray izahay nanohy ny dianay hono …….
(nofy 12/20/06)
dailynews | 19 Desambra, 2006 20:03
Ny mpino vao teraka dia tokony hahafantatra fa tsy tonga dia hoe hisy tampoka ny fahagagana ka tsy hanota intsony mihitsy izy mandrakizay. Mbola manota tokoa izy satria mbola misy ilay toetra taloha izay tavela taminy anefa kosa dia mila hialany tsikelikely.
Mbola tian Atra foana izy, saingy kosa mila manadio ny tenany, mila mifona raha vao avy nanao izany. Aza mitondra fahotana eny ampandriana. Ary marihina eto fa izany no mahasamihafa ny tena krsitiana sy ny kristiana anarany(na tsy mpino).dailynews | 15 Desambra, 2006 18:15
Dia niverina tany antrano indray aho hoe niandry azy ireo hi tel indray hono izany, dia nony mbola tsy tonga ny tel n’izy roa vavy dia tonga ny maraina.
dailynews | 12 Desambra, 2006 01:22
Misy mantsy aoka tsorina fa dia olona nianatra teolojia dia nahavita fianarana dia nitondra fiangonana….ampy ve izay? Sao dia olona mbola tsy zanak Atra ary tsy voahosotry ny Fanahy masina akory no mitondra fiangonana??? ….sao dia izany no mahatonga ny fiangonana sasany ho tsy mety mahita mihitsy ny voninahitr’Atra fa dia isaky ny miditra ao dia tahaka ny nidirana tao ihany no hivoahana ao, ny mpiangona miha reraka ihany ary tsy dia mino loatra intsony na tsy mino akory aza fa Atra io anie ka mbola manasitrana h@ izao, mbola mamaly vavaka, ary ny fitorian any filazantsara anie ka miompana @ fitondrana olona ho any andanitra fa tsy fitondrana olona ho ao ampiangonana….??? Jereo raha tsy miresaka mihitsy ny atao hoe famonjena ny mpitondra fivavahana ary tsy mba misy mihitsy ny hoe olona manolotena ary tsy resahina akory izany. ..sao dia na ny mpitondra ilay fiangoanna aza tsy nanolo tena akory? Fa raha nanolo tena ho an Atra izy dia ho niresaka bebe kokoa ny maha zava dehibe ny hitondrana olona ho any andanitra, hiresaka bebe kokoa ny famonjena ny fanahy ihany koa. Raha tsy miresaka izany ny mpitondra fiangonana misy anao dia andana manampy sakafo any ivelany hanatanjahana ny fanahinao @ alalan ny fianarana baiboly. Ary rehefa mantanjaka dia ento ambavaka ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana misy anao ary fohazo ihany koa ny olona ao.
Efa maty ny havako ary entiko ambavaka ny fanahiny mba ho any andanitra izy(doctrine ny purgatoire na ny afo fandiovana) . Tonga any andanitra tokoa ve izy eny fa na dia tsy nandray an I Jesoa taty ambonin ny tany aza? Misy lalana hafa ve?
Ny fandraisana an I Jesoa ihany ve no hahatongavana any andanitra? Ahoana ny finoana hafa ankoatra ny finoana kristiana?
Ny finoana hindoisma dia mino fa ny finoana rehetra rehefa tena arahina @ fo sy ny saina manontolo dia mitondra ny olona iray any @ Atra.
Saingy hatrany, raha mino ny baiboly ny olona iray ary mino fa ilay Atra I Abrahama sy Jakoba ary Isaka no namorona izao tontolo izao izay nametraka ny anaran I Jesoa ho ambon ny ny anarana rehetra dia tokony hahafantatra fa diso izany hoe ny religions rehetra izany dia mitondra ho any andanitra. Laingan ny devoly izany. Fa mampiasa olona na religions karazany maro izy hanodikodinana ny saina sy ny fo ary ny fanahin ny olona mba tsy hahita ny fahamarinana ny olona iray. Mitondra lalana hafa mihitsy izany ny religions hafa eto ankoatra an I Jesoa. Averina ihany fa Jesoa irery ihany no lalana sy fahamarianna ary fiainana ary tsy misy mankany @ Ray raha tsy @ alalany.( Jao 14:6)
Izany no tsy hitiavan ny olona ny kristiana satria hoe tsy mba mi compromettre mihitsy fa ny azy ihany no heveriny ho marina. Mitandrema fa @ izao andro farany izao dia betsaka no ho voarebirebin ny fampianarana tahaka izany. Tsy ni compromettre mihitsy I Jesoa fa nazava ny zavatra nolazainy fa Izy ihany no lalana hidirana any andanitra.
Na fampianarana inona izany mitory fitiavana (izay tsy misy maharatsy azy mihitsy), mitory fandriapahalemana, mitory fandeferana, mitory fomba fiainana andavanandro tena raitra mihitsy ary tsy misy maharatsy azy.. anefa rehefa tsy I Jesoa no andrandrainy fa anaran olonkafa, na anaran olonkafa miampy an I Jesoa dia ialao. I Jesoa dia tsy nizara ny voninahiny t@ olona na andriamanitra hafa( Isa 42:8). Izy irery ihany no lalana.
Tsy ny mahatsara fanahy na maha olompirenena tena hendry sy maha mendrik’haja eo @ mpiaramonina no hidirana any andanitra,( izay tsara mihitsy ary tokony hotohizana) fa rehefa tsy nandray an I Jesoa ihany koa izany olona izany dia tsy manana anjara @ fanjakan Atra izy.
Efa nateraka indray ny olona iray. Ary efa voasoratra ao @ bokin ny fiainana ny anarany. Tsy maintsy ho tonga any andanitra ve io olona io na inona na inona fiainany taorian izany?
Ny fahaterahana indray na ny fandraisana an I Jesoa no lalana hidirana any andanitra. Anefa kosa raha io olona izay efa nateraka indray io na kristiana io no NINIA niverindalana ary nanda ny famonjena indray dia voafafa ao @ bokin’ ny fiainana ny anarany. Mila maharesy izany izy, midika izany fa misy ny ady (fakampanahy, fiainana andavanadro sns..) mandrapahatonga any andanitra, fa mila kosa maharesy.
=>Apok 3:5 Izay maharesy dia tsy ho voafafa avy ao anaty boky ny fiainana intsony ny anarany.
Jereo ilay zanaka adala na dia efa zanaka tao antrano aza izy dia mbola nisafidy indray ny hanao ny fomba ratsy rehetra. Raha toa izy ka tsy niverina dia tany anaty fahafatesana tany ihany nandritra ny androm piainany manontolo ary maty tsy teo akaikin ny rainy. Ilay rainy dia niandry azy hiverina ary niandry foana. Azy ny safidy na hiverina izy na tsy hiverina. Koa raha toa ka tsy niverina izy na dia efa zanaka tao antrano aza dia very tany @ nalehany tany. Soa ihany anefa izy fa niverina. Io tantara io dia tahaka ny zanak Atra ihany izay niverindalana ihany. Na dia efa zanaka ao antrano aza satria lasa zaza natsangana noho ny fandraisana an I Jesoa Kristy, anefa dia lasa indray niala ny lalan ny famonjena ka maty tao anatin izany karazampiainana izany fa tsy niverina t@ ilay Rainy, dia maty izany izy tanaty fahafatesana tsy teo akaiky ny Rainy fa izay no safidiny, nanda ny famonjena izy.
Misy ihany koa ireo olona izay t@ vao nandray an I Jesoa dia niredareda ny fitiavany Azy, saingy nony nandeha ny andro sy ny volana sy ny fotoana dia tsy tahaka iny fitiavany ny Tompo t@ voalohany iny intsony ny fitiavany fa niha nangatsiaka( ary rehefa mangatsiaka dia aloan ny vavan ny Tompo Apok 3; 15). Mila miverina @ fitiavana voalohany izy raha tsy izany dia halan I Jesoa ny jirony.
Apok 2:4-5=> kanefa mananteny aminao Aho, satria efa niala t@ fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao t@ tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovanjironao hiala @ fitoerany raha tsy mibebaka ianao.
Nisy ireo izany efa nanala demonia t@ anaran ny Tompo anefa noalazainy Tompo hoe tsy fantatro akory ianao taty aoriana. Inona no mahatonga izany? (Matio 7:22)
Ny olona izay efa voasoratra any andanitra ihany no mahavoaka demonia izany hoe ny olona izay efa nanolo tena ihany ka lasa zanak Atra ary vosoratra any andanitra ny anarany fa tsy ny olona rehetra. Tadidio ilay tantara hoe aza faly hoy I Jesoa fa niala ny demonia izay nalanareo fa mifalia kosa fa voasoratra any andanitra ny anaranareo.( Lio 10: 20) Anefa naninona eto no nolazain I Jesoa fa tsy fantany akory ireo olona ireo? Ny antony dia tsy nanao intsony ny sitrapon Atra izy ireo (Matio 7:21) no sady tsy naharitra h@ farany t@ fiarahana t@ Tompo. Izay maharitra h@ farany no ho vonjena. (Mar 13:13)
Marina loatra ny tenin ny Tompo milaza fa tsy misy maharombaka izay eo ampelatanany. Saingy io olona io kosa ve nijanona teo ampelatanany sa nisafidy ny niala teo ka nandeha irery ary nisafidy ny tsy hiverina?
Misy fomba hilazana azy maro. Nandray ny famonjena, nanolo tena ho an ny Tompo, converti, born again, nandray ny salvation, nandray ny salut, nandray ny famonjena, kristiana nibebaka, lasa zanak Atra, kristiana (ilay tena krsitiana araka ny baiboly fa tsy manaraka fombafomba fotsiny)
Ny teraka indray dia ny olona iray izay nateraky ny rano sy ny fanahy. Naterak Atra fa tsy nateraky ny nofo. ( Jao 1:13- Jao 3:5)
Vavaka tsotra nefa vavaka avy @ fo ary tononiko @ vava.
Rom 10: 9=> satria raha manaiky an I Jesoa Tompo @ vavanao ianao ary mino @ fonao fa Atra efa nanangana Azy t@ maty dia hovonjena ianao.
=> That if you confess with your mouth, Jesus is Lord, and believe that God raised Him from the dead, you will be saved.
Tsy haiko hoe maninona no tsy maintsy tononina @ vava fa raha izay no vosoratra dia ataovy, tsy sarotra angamba izany.
- Miaky fa mpanota ary mifona noho izany ary vonona ny hibebaka, izany hoe hiala @ ratsy fanaoko.( efa samy nanota daholo raha mbola olombelona ka tsy misy mendrika ny fanjakan Atra na iray aza fa mendrika fahafatesana daholo raha tsy teo Jesoa - Rom 6: 23, Rom 3:23)
- Miaky fa Jesoa dia maty sy nitsangana ka nisolo ahy t@ fahotako.
- Miaky fa manomboka androany ( tadidio ny daty) dia tsy izaho intsony no tompo ny fiainako fa I Jesoa, ary tsy izay tiako intsony no ataoko fa izay tiany.
- Manolotra ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko sy ny amiko rehetra ho an I Jesoa.
Farano @ anaran I Jesoa sy Amena ny vavaka.
Vavaka tsotra tokoa anefa dia vavaka manova ny eternite ny olona iray. Taloha izy nihazakazaka ho any @ afobe, izao kosa izy dia mizotra ho any andanitra.
Tsy hita maso izany saingy ny fotoana hanaovana izany vavaka izany no hahafaly ny anjely rehetra any andanitra ary hanoratany ny anaran ilay olona izay nanao fanapahankevitra tao @ bokin y fiainana. ( misy TA milaza io saingy tsy tadidiko hoe aiza)
Misy ny zaza taiza ary misy ny zanaka antrano izay zanaka ara biolojika.
Na samy tao antrano aza( tao ampiangonana) ny zaza taiza dia tsy handova raha tsy natsangana. Ny fotoana iray hanekeny ny fananganana azy ho tena zanaka no hanoratana ny anarany ao @ bokimpianakaviana. Ny fotoana iray ihany koa haneken ny olona iray an I Jesoa no hanoratana ny anarany ao @ bokin ny fiainana.
Ary rehefa lasa tena zanaka, vao afaka ny handova sy afaka ny hiantso malalaka hoe dada, aba Ray.
Tsy gaga ihany ve ianao indraindray mivavaka foana hoe Atra Ray o..mangataka aho ataovy izao ataovy izao sns..anefa tsy mety mivaly mihitsy ilay vavaka anefa Izy milaza fa mamaly vavaka?? Sao kosa ary io Atra natsoina hoe Ray io mbola tsy Rainao akory???
Tohiny manaraka dia ny hoe rehefa avy teraka indray inona no tokony hatao manaraka.
dailynews | 24 Novambra, 2006 02:52
Misy tokoa ny fiangonana izay mankasitraka io fomba fiainana io, ary tsy mahagaga izany satria efa aty @ andro farany isika. Tsy tokony hahavery hevitra ny kristiana izay mijoro anefa izany satria dia efa mazava be izao fa fampianarandiso ary tsy mifanaraka @ tenin Atra akory.
I Jesoa no lohan ny fiangonana donc Jesoa no jerena fa tsy ny mpitondra fiangonana na ny olona vitsivitsy izay nivadika t@ Atra ka namorona fiangonana izay mitovy fomba fihevitra amin izy ireo fa tsy mitovy fomba fihevitra amin ny soratra masina.Atra dia fitiavana ary mamindra fo tokoa, ary maro no manontany hoe fa maninona io ATra be famindram-po sy fitiavana io no mitsara sy mandringana( tahaka an I sodoma sy gomora, tahaka ny fisian ny afobe, tahaka ny resaka tondradrano sns…). Atryny fitiavana sy ny famindramo tokoa Izy, eny, saingy Izy ihany koa hoy ny soratra masina dia Atra MASINA sy MARINA. Ny fitiavany dia nasehony t@ nanomezany ny zanany lahy tokana ho faty hisolo ny fahotan ny olombelona. Fa raha kosa ny olombelona tsy manaiky izany fanomezany izany, tsy manaiky izany fitiavany izany noho ny fahotana tsy hifonana sy ny fahotana ankasitrahana isankarazany izay efa ampitandremany ombieny ombieny dia hianjera eo ambanin ny fitsaran Atra ny olona izay mandika izany noho ny maha masina sy marina Azy ihany koa.
Koa noho izany ny tolerance amin ny resaka homo dia tys azon ny kristiana iray atao noho ny maha masina an Atra.
Ny tolerance sy ny fitiavana dia mivavaka sy milaza izay diso ampitiavana ataony olona manana io fiainana io anefa kosa tsy milatsaka manaraka na mankasitraka izany fomba fiainana maloto eo anatrehan Atra izany.
dailynews | 22 Novambra, 2006 02:46
Nofiko fa tany Egypta aho. Niaraka t@ olona vitsivitsy tahaka ny mpitsangatsangana sa delegasiona angaha.
Tonga tany ambony rihan irony trano avo dia avo irony izahay , tany @ faha 40 ny rihana angamba. Niala teo @ ireo namako aho ary nijery ny teo ivelany avy amin ilay rindrina fitaratra. Nahatazana ny rehetra teny ampita aho t@ izany ary dia variana tokoa. Hitako fa nisy trano avo be ihany koa teo ampita ary tsaroako fa trano manao patte d’elephant ny endrik’ ilay izy( raha tsy diso aho toa misy trano tahaka izay eo anosy).
Hitako avy ety ambony fa nisy liona roa miloko varahina haingon tanana tetsy ambany. Raha jerena avy ety ambony avy eo @ nisy ahy ny haben ilay liona dia tahaka ny mitovy habe @ alika matory eo akaikiko kely eo. Anefa izany dia tena lavitra be ery ambany ery mihitsy… midika izany fa dia tena ngeza be tokoa ireo liona varahina roa no sady midadasika mameno ny tanana. Tahaka ny habeny ranon anosy angamba ny haben ilay liona iray.
Natopiko ihany koa ny masoko teo ankavanako ary ny lalana dia tahaka ireny @ digue ireny, misy rano etsy anila. Tadidiko fa miloko turquoise manopy maitso izany ny ilay rano.
Tetsy ambany kosa dia nisy olona namoaka biby buffalo maro be . Niakanjo mavo ilay rangahy ary nisatroka ihany koa. Tahak aireny akanjo fotsy ny miaramila rehefa manao fety ireny ny akanjony, misy bokotra efatra eo aloha. Nitana saina mena izy ary nisatroka mavo, moa va tsy tahaka ny satrok ireny mpanao majika ireny saingy mavo fotsiny ny lokony.
Nanokatra varavaran ilay trano mavo teo ankavanana izy ary nihazakazaka nivoaka ireo buffalo maro be. Ilay ranamana moa dia tahaka ireny torero ireny no fijery azy. Tsaroako fa ny iray t@ ireo buffalo dia nisy lefona nitsatoka teo amin ny lohany, mbola velona anefa izy ary nihazakazaka. Ireo buffalo namany kosa dia tsy voloina fa nalama dia nalama ny hodiny ary mainty manompy volondavenona ny hodiny, moa ve tsy tahaka ireny trondro tsy misy kirany ireny ( catfish indrindra indrindra).
Niala teo @ ilay rindrimpitaratra ary aho ary nandeha namonjy ireo namako tany anatiny. Indreo hitako fa nisy olona vitsivitsy niresaka teo . Nanatona ny rahavaviko aho satria teo ihany koa izy ary nipetraka teo akaikiny, ary tadidiko fa nahita vehivavy aho tetsy ampita nipetraka nanao zipo mavokely karokaro misy tsipika mainty manapaka, nanao solomaso ilay vehivavy ary tsaroako fa natevina tokoa izany solomasony izany. Dia hoy aho taminy: “ ianao angamba Malagasy o? toa tahaka ny Malagasy izany ianao.” Dia hoy ny navaliny hoe:” ie, malagasy aho ary miasa ato amin ny U.N (United Nations)
Nony tafavoaka tao ary aho dia nahita saka kely tany ivelany, mavo ny lokony; nandalo tao antsaiko t@ izay fa avo loatra ilay trano ary tsy tafiditra any anatiny izy na dia noana aza. Nalahelo ilay saka aho ka niantso azy: “ Miao, miao, miao ..” nihazakazaka hanantona ahy ilay saka anefa dia iny fa nisy kamiao ngeza be ( rigs) tokoa nanapaka. Mitovy amin ny lokon ilay rano ihany koa ny lokon ilay kamiao. Turquoise manopy maitso ihany koa Hitako fa nitsambikina teo @ par a choc ilay saka kely ka tsy naninona. Ouf….. nony avy eo dia hitako izy niala teo @ ilay par a choc ary nivadika testy anilan’ilay kamiao na dia mbola teo amin ilay kamiao ihany aza, ary nandehandeha teo…tsaroako anefa fa mbola nandeha ilay kamiao t@ izay.dailynews | 15 Novambra, 2006 00:58
Raha ny tantara n’i Sodoma sy Gomora dia efa nahitana sahady ny tsy fankasitrahan Atra ny resaka fifanambadiana na firaisan ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy, satria dia nofongariny tanteraka tokoa izany tanana izany noho ny fahotana mamoafady tao amin io tanana io. Manampy trotraka izany ihany koa ny teny izay voasoratra ao @ Romana 1: 26-27 “Izany no nanolonan’Atra azy ho amin ny filandratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ho amin ny izay tsy fanaony. Ary tahaka izany ihany koa ny lehilahy fa namela ny fanao t@ vehivavy izy ka maimay t@ fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany” ary raha jerena ny teny anglisy izay mbola manazava kokoa “ Because of this , God gave them over to shameful lusts. Even their women exchanged natural relations for unnatural ones. In the same way the men also abandoned natural relations with women and were inflamed with lust for one another. Men committed indecent acts with other men, and received in themselves the due penalty for their perversion”
Tsy ireo olona izay manao izany ihany fotsiny ihany koa anefa no tsy sitrak’Atra fa izay rehetra ihany koa mankasitraka izany. Midina Romana 1:32. “..dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen Atra fa izay manao izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa ny mankasitraka ny manao koa” adika indray “ Although they know God’s righteous decree that those who so such things deserve death, they not only continue to do these very things but also approve of those who practice them”
Ny amin io aloha izany dia tsy ampiako intsony hoe mety ve io karazana fitondrantena io sa tsy mety. Ny tenin Atra dia nahalaza azy.
Fa ny fanontaniana mipetraka tamiko dia hoe ahoana kosa ary ireo olona izay tsy nisafidy malalaka io lalampiainana io fa kosa efa teraka tao anatiny t@ izy mbola fahazaza ny fironana amin ny olona mitovy sexe aminy? Diso ary ve izy ireo? Tsy fanahy iniany anie.
Na dia fantatro tao ampoko aza fa fahotana ny manao izany na inona na inona no antony dia tsy haiko kosa ny valin’io fanontaniana eo ambony io. Ary nampanotany tena ahy hoe, mila voatsiary ve izany Atra no manontany zavatra avo loatra sy tsy takatra tahaka izany ho an ireo izay tsy manantsiny akory. Ahoana no maha fahotana azy raha toa ka efa natioraly anaty tena ilay izy?
Nieritreritra io fanontaniana io nandritra ny fotoana maro aho ary nihanazava tsikelikely tamiko ny valiny rehefa nivavaka aho hanokafan’Atra ny masoko momba an io.
Voalohany indrindra dia hoy Izy hoe “ Izy no Atra tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay”, koa raha tsy miova izy izany dia midika izany fa raha fahotana t@ 2000 taona lasa dia mbola fahotana izy androany. Dia mbola fahotana izany io na hiodinkavia aho na hiodinkavanana ary tsy afaka miady varotra hoe, tsy tokony fahotana intsony satria anie ny taona iainako izao efa moderina ary ny gazety, ny tele, ny horonantsary sy ny ankamaroan ny olon amanodidina ahy dia miaiky fa tsy maninona io fomba fiainana io fa tsy tokony hanao tery saina aho. Fa ny mila tadidiko dia hoy ny Tompo hoe Izy no tsy miova…., koa raha te hanaraka io Tompo io aho izany dia mila mitovy fijery aminy aho izany eo anatrehan io ihany koa , eny fa na dia ny manodidina rehetra mihitsy aza no manohitra izany. Mampahatsiahy ahy ny nolazain ny pasiteranay ahy,. Raha toa ianao hoy izy kristiana anefa ny fomba fijerinao mitovy amin ny fomba fijerin Izao tontolo izao ary tsy misy mahasamihafa azy mihitsy dia mila mandinintena ianao izay hoy izy fa misy zavatra hafahafa ao.
Faharoan izany dia nampahatsiahivin ny Tompo ahy ihany koa ilay teniko hoe tsy fanahy iniany anie e, dia misy ny teny ao amin ny Hosea 4:6 hoe “ Ringana ny oloko noho ny tsy fisian ny fahalalana”. Dia resy lahatra aho hoe, tena ny tsy fahalalana marina tokoa moa izany .
Fahatelon izany ihany koa dia nampatsiahivin ny Tompo ahy fa matoa Izy mitaky zavatra amiko hataoko, dia misy izany ny lalana ahazoako mivoaka io zavatra takiany io. Koa raha nitaky izy fa tsy masina ary fahotana ny resaka “homo” dia misy foana izany lalana ahazoana miala amin io toe piainana io na dia hoe heveriko hoe natoraly aza. Dia hoy aho hoe: “ ngeza loatra Tompo ilay lalana ???” dia hoy ny Tompo hoe: “raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo hoy Izy dia hataoko izany. Koa inona no sitrapon ny Tompo? ..koa hoy aho hoe..hmmm…raha sitrapon ny Tompo izany ny hialana amin ny toetra na fianana tahaka io na dia hoe efa tao anatin ny tena h@ mbola kely aza dia afaka alany izany ary afaka sitraniny. Tahaka ny aretina ihany, na dia teraka niaraka t@ aretina aza ny olona iray..dia tsy ho sitranina ve satria efa hoe teraka niaraka t@ io izy raha fantatra hoe tsy mety ilay izy??? Afaka sitranina izany saingy ilay olona mihitsy mila manaiky fa diso io fomba fiainana io ary mila manantona ny Tompo izy ary mitaraina ny hanasaitranana azy.
Tahaka ny aretina, Hoy ny Teny hoe “ Ny diankapoka taminy no nahasitranana antsika”( Isaiahy 53:5)..afaka manasitrana io izany ny Tompo matoa Izy nilaza fa tsy mety io. Dia na inona na inona fitranganjavatra dia afaka manao izany Izy raha nangataka ny olombelona hanao izany. Fa dia ny atao dia tsy ny mandeha irery kosa hialana amin’ilay fomba fiainana, satria dia mino aho fa tsy herin olombelona na saina tsy mahala amin izany. Raha matanja tsaina be ny olona iray ka hafa miala amin izany dia arahaba soa arahaba tsara. Saingy matetika ny tranga dia tsy izay satria dia mino ihany koa aho fa resaka fanahy maloto, izay hantsoindry zareo anglisy hoe “perverse spirit” ao antin ilay olona izay mila alana satria dia milentika hatrany amin ny maha izy azy any mihitsy. Koa mila miresaka amin ny pasiterany izany io olona io na ny mpiandry ao ampiangonany ary mitsotra hoe izao no manjo ahy sns…
Dia raha afohezina anaty teny fohy izany ny fahitako azy , dia afaka manasitrana io fomba fiainana io Atra matoa Izy nitaky izany. Misy ny lalana izay nomeny hivoahana na efa noheverina fa natioraly aza izy io, satria dia tahaka ny aretina ihany. Na tsy manantsiny aza ve izay tratran ny aretina dia avela eo fotsiny fa tsy ho tsaboina rehefa fantatra fa tsy mety ilay izy satria hoe efa natioraly teraka tanaty tena:??
Miala mahafantatra anefa ary mila miaky fa tsy mety io ary hanomboka hanaiky kosa ny Tompo hanao ny asany. Ary ny mahafaly dia hoy ny Tompo hoe: Ny zavatra rehetra dia hain Atra atao” Matio 19: 26. Raha tsy haiko sy tsy takatry ny saiko ny fomba hivoahana amin izany toe piainana tsy ankasitraha ny Tompo izany satria hoy aho hoe efa lalina be ilay fakany any anatin ilay olona, tsy tokony mesurer ko amin ny tsy fahaizako ny Tompo. Na tendrombohitra aza hoy izy azoko hafindra raha misy ny finoana. Koa na efa tahaka ny tendrobohitra be aza ny famakan io fomba fiainana maloto io anatin ny olona iray io dia
Mino aho izao fa misy ny lalana hivoahana amin izany ary tsy mila voatsiary Atra fa manome lalana hivoahana tsara raha ni exiger izany Izy.
Asa raha mazava ihany ny ambarako fa na tsy mazava aza dia ny Tenin Atra fotsiny alaina fa iny marina foana. Ny zavatra voalazako voafetra ihany.
dailynews | 14 Novambra, 2006 16:37
Voasoratra fa hiofo
II kor 3:11=> fa raha ny nihalevona aza (lalanan i mosesy io, lalana voasoratra t@ vato- vakio manontolo ny teny raha tsy mahazo) aza nisy voninahitra, maika fa ny mitoetra.
Ny fifanekena vaovao
Maharitra : II kor 3:11
Mitovy amin ny lalan’Atra:
I kor 9:21 (DIO)=> t@ ireo tsy mahalala ny lalan I mosesy dia nanao tahaka ireo mahalala io lalana io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin ny lalan Atra aho fa MANOA NY LALAN I KRISTY.
Mampiseho ny fitrakan olombelona (fa tsy fahalavoana)
Rom7: 6(DIO)=>ankehitriny kosa dia afaka amin ny lalana isika, fa maty tamin izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an Atra fa tsy fomba tranainy araka ny lalana voasoratra.
Rom 8:3-4 (DIO)=>satria izay vitan ny lalan I mosesy, noho ny lalana nolemen ny maha olona mpanota, dia nontontosain Atra. Voahelok Atra ny fahotana tao amin ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny zanany, izay naka ny endriky ny maha olombelona hanaisotra ny fahotana. Notontosain Atra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takin ny lalana amintsika, dia iska izay mizotra tsara tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.
Mifaka amin ny finoana
Gal 3:24 ( jereo etsy ambony ny soratra masina)
Rom 3:22 => (DIO) fa ny finoana niainanni JK no haneken Atra ny olombelona ho marina; ary mankamin ny mpino rehetra izany staria tsy misy fanavakavahana intsony.
Rom 5:1-2(DIO)=> noho ny finoana dia tonga olomasina eo anatrehan Atra isika sady efa mihavana amin Atra amin ny alalan I JK Tompontsika.
Voasoratra amin ny fon ‘olombelona (fa tsy vato)
Heb 8:10(DIO)=> fa izao no fanekempihavanana hatoko amin ny vahoaka israley rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo. Hataoko ao antsainy ny lalako, ary ho soratako ao ampony. Ary ho Atr ‘ireo aho ary izy ho vahoakako.
Voasoratra fa haharitra mandrakizay ny fanekena vaovao
II kor 3:11=>eny fa raha izay nihelina izay aza nisy voninahitra dia vao maika ho henimboninahitra kokoa izay maharitra mandrakizay
Ireo no anisan ny mahasamihafa ny lalana taloha izany sy ny fifanekena vaovao na ny lalan I Kristy. Koa raha mandray ny Tompo ny mpino iray dia vita ihany koa ny asa fanarahana ny lalana izay voasoratra tamin ny andron i Mosesy rehetra satria dia efa ao amin ny Tompo Jesoa izany ary kosa ilaina ny mandeha araka ny finoana izay tarihin ny Fanahiny Masina fa tsy tarihin ny fombafomba ivelany na fihezahana amin ny alalan ny fanajana lalana.
Rom 8:4=> notontosain Atra izany mba ho tanteraka amintsika ny zavatra rehetra takian ny lalana amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.
Gal 5:18=> fa raha tarihin ny Fanahy ianareo dia tsy ambanin ny lalana.
Rom 7:6 => fa ankehitriny dia efa afaka amin ny lalana isika satria maty ny amin izay nihazona antsika ka dia manompo amin ny havaozampanahy fa tsy amin ny fahefantsoratra.
Rom 6:14=> tsy hanakery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany lalana fa eo ambany ny fahefan ny fahasoavana.
Koa foana ary ve izany ny lalana sy ny didy folo satria nisy ny fanekena vaovao?
Nony tonga Jesoa dia nifarana ny lalan I mosesy izany hoe ilay fanekena taloha, koa ny mpino izany dia tsy voafatotry izany lalana izany intsony fa kosa eo ambanin ‘ ilay atao hoe fahasoavana indray. => Rom 10:4(DIO)=> eny lany andro ny lalana nony tamy I kristy hahatonga ny mpino rehetra hoe olo-marina eo anatrehan Atra sy Jer 31: 31, Rom 6:1, Rom 7:6, Rom 6:14
Nilaza ihany koa anefa Izy fa:
Mat 5: 17=> Aza ataoanareo fa tonga Aho handrava ny lalana na ny mpaminany; tsy tonga aho Aho handrava fa hanatanteraka.
Romana 13:10=> Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana.
Marihina fa ity andinin tsoratra masina ity dia mifameno amin ireo rehetra eo ambony. Noho izany ny fananana an I Jesoa Krsity ho Tompo sy mpamonjy no fahatanterahana ny lalana ao amiko. Tsy mila miezaka amin ny fanatanterahana amin ny lalanan’i mosesy intsony aho fa kosa efa tanteraky ny Tompo teo amim ny hazo fijaliana izany.
Koa raha efa tanteraka ao amin ny Tompo ny lalana dia tsy maninona intsony aho izany raha manota?
Tsia, nanome lalana vaovao kosa I Jesoa Krsisty dia ny lalanan ny fitiavana ary ny fahatanterahana izany lalan ny fitiavana izany no fahanatrerahan ny lalana taloha. Io lalanampitiavana io izany dia mahafoaka ny lalana rehetra nosoratana taminy fifanekena taloha na didy folo io na lalan I mosesy izay miiisa 600 mahery ho an ny zanak Israely izay efa voalaza fa tsy haharitra, ary ho levona. (Miverena etsy ambony raha tsy mazava)
Jao 15: 12 = > Izao ny didiko, dia ny mba hifankatiavanareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka tanterakany fifalianareo.
Gal 5:14=> Fa tanteraka amin ny teny iray ihany ny lalana dia izao: tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Matio 22:35- 40=> Ary ny anakiray tamin ireo izay mpahay lalana nanontany naka fanahy azy ka nanoa hoe: mpampianatra o inona ny didy lehibe ao @ lalana? Dia hoy JK taminy: tiava an’i Jehovah Atrao @ fonao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra, izany no didy voalohany. Ary ny faharoa dia tiava ny namanao tajhaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonanan ny LALANA REHETRA SY NY MPAMINANY.
Averina indray fa ny lalana rehetra sy ny mpaminany izany dia voafehin io. Inona marina anefa izany hoe tia an Atra sy tia ny namana?
Ny lalanan ny fitiavana dia ny fitiavana no mandeha mialoha fa tsy ny fisehoana avy ety ivelany, na noho ny lalana mipetraka.
Satria tia ny namako tahaka ny tenako aho dia tsy hangalatra ny vadiny.
Satria tia aho dia tsy hamono an i ranona.
Satria tia aho dia tsy hijoro vavolombelona mandainga hiampanga ny namako.
Satria tia an Atra aho dia tsy hanompo sampy na hivavaka amin ny zavatra hafa.
Satria tia an Atra aho dia hivavaka sy hiresaka amin’Atra isanandro.
Satria tia an Atra aho dia hanana fotoana iray manokana anaty herinandro hivavahako Aminy miaraka amin ireo mpino hafa
Ny sabata dia fitsaharana.
Gen 2:1-3=> Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan Atra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra Izy tamin ny andro fahafito.
Nitsahatra Atra t@ andro fahafito nony hitany fa tsara ny zavatra vitany.
Jesoa ihany koa rehefa avy nahavita ny asany, ny mission ny teto ambonin ny tany ny Tompo Jesoa dia nitsahatra Izy tamin io andro fahafito io ary nifoha ny andro voalohany t@ herinandro.
Manampy izany ihany ny dikan ny teny hoe sabata dia fitsaharana araka ny teny hebreo. Ny hoe fito sy ny hoe sabata ary ny fitsaharana dia miainga amin ny fototeny mitovy rehefa dinihina akaiky.
Sheva, sheba=> fito( dia fototeny mifandray amin ny teny hoe saba: feno ary ihany koa shaba: fanekena)
Sabbath=> fitsaharana
(Marihina aloha fa izaho manokana dia tsy mahay teny hebreo fa kosa nindrana ny hevitry ny olona vitsivitsy nandinika ireo teny ireo avy amin ny teny hebreo nankany amin ny teny anglisy ka dia nandika ny dikany tsotra ho amin ny teny gasy ary ihany koa namindra izany eto amin ny hevitra tsotra sy fohy. Io hevitra ambony momba ny dikanteny io izany dia hevitr'olononkafa fa tsy hevitro fa nindramiko kosa hanohanana izay nosoratako)
Noho izany rehetra izany ny fototra hiaingana ny teny hoe sabata dia fitsaharana, fitsaharan ny asa. Nahavita ny asany Atra ary nahavita ny asany JK ary nitsahatra.
Ny sabata izany dia aloky ny fitsaharan ny asa sy ny hezakezaka rehetra izay ataontsika hivavahana amin Atra. Rehefa manana ny Tompo aho dia tsy mila manezakezaka hanao ireo lalana ireo intsony mampitondra zioga ny tenako na ny hafa indray fa kosa efa vitany ny asa momba io. Ny ataoko dia mandray Azy sy ny fitsaharana izay omeny izay efa tanteraka ao aminy. Mandray an Io Jesoa io aho dia mandray ny sabata izay efa tanteraka ao aminy ihany koa.
Ny sary mba hitako amin io dia tahaka izao. Io Jesoa fa mibaby gony ary ny anaran ilay gony dia “zioga”, ary ny lalana rehetra t@ andron I Mosesy no ao anatin io gony io. Nony noraisiko izany io Jesosy io, dia efa tahaka ny nandray an ilay gony ihany koa aho nony nandray Azy. Koa noho izany dia tsy mila intsony aho miezaka manokana fa efa tahaka ny vitako ihany koa io lalana io noho ny fananako an I Jesoa.
Matio 11:28-30 Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho hanome anareo fitsaharana, fa mora ny ziogako ary tsy mavesatra ny entako.
Asa 15: 19 => koa nahoana ianareo no maka fanahy an Atra amin ny fametrahanareo zioga amin ny vozon ny mpianatra izay tsy zaka ny razantiska ho entina? => Efa nentin I Jesoa teo amin ny hazo fijaliana io zioga io koa tokony hifaly aho izany handray ny fitsaharana avy Aminy
Heb 4:11=> fa raha Josoa no nanome azy ny filazantsara dia tsy mba ho nilaza andro hafa izy taorian izany. Koa dia mbola nisy sabata fitsaharana ho an’ ny olon Atra. Fa izay niditra tao amin ny fitsaharany dia izy koa nitsahatra tamin ny asany, tahaka an Atra t@ Azy. Koa aoka isika hazoto hiditra amin izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin ny tsy finoana tahaka izany ihany koa.
Ny tena marina dia efa azony ilay fahafahana amin’ ireo lalana mipetraka ireo nony lasa amerikana izy…izy izany no mila mahafantatra ny zony. Fa tsy mifikitra foana amin ilay lalana mipetraka ho an ny olona tsy amerikana..dia toy izany koa isika eo anatrehan ny lalana.. rehefa manana an I Jesosy aho dia tanteraka ao amiko io lalana io fa efa ao anatin ny paquet ny fifanekena vaovao izany fa tsy mila hezakezahiko manokana intsony.
Ny Tompo ihany koa dia nilaza fa:
Mar 2:27-28(DIO)=> Ary hoy Jesoa t@ farisianina, ny sabata no natao ho an ny olona fa tsy ny olona no natao ho an ny sabata. Araka izany, na dia ny sabata aza dia ananan ny zanak’olona fahefana.
Ny fariseo dia sorena t@ Jesoa teto satria dia nanao izay tsy fanao t@ andro sabata hatrany izy izany hoe nandika azy mihitsy aza, nefa moa nanota ve ny Tompo raha nandika izany???Voasoratra fa izy ilay tsy nanota ary tsy nanankilema.
Raha araka ny lalanan’i mosesy dia tsy azo atao ny mandeha tongotra lavitra sy ny miasa na manao zavatra hafa rehefa andro sabata, teto anefa dia rehefa namaky tanimbary Jesosy dia nioty salohimbary teny ampandehanana satria reraky ny hanohanana Izy sy ny mpianany. Nisy ihany koa ny fotoana izay nansitranany taminy andro sabata ary nahazoany tsiny izany.
Jesosy no Tompon ny sabata, noho izany ny fananako an I Jesoa ato anatiko no fahatanterahan ny sabata ato anatiko=>Mat 12=> ny tantara ao amin ny matio faha 12 dia ahitana an I Jesoa nampiseho mazava fa tsy ilay fombafomba tsy azo atao mandritra ny sabata no zava dehibe fa kosa ny famindrampo, ny fitiavana.
Ny mpianatra teto dia noana ary nihinana ny salohimbary hitany, ary tezitra ny fariseo fa manao zavatra tsy mifanaraka amin ny lalanan’i mosesy izy ireo. Nampahatsiahivi n’i Jesoa aza fa na dia t@ andron I Davida aza dia nanao tahaka izany koa izy raha noana ireo mpianatra niaraka taminy. Nohanin izy ireo ny fanatitra atao sorona tao amin ny tempoly. Ary Jesoa anefa dia nilaza fa tsy nanota izy ireo. Namapahatsiahy ireo fariseo mazava Izy fa misy lehibe noho ny tempoly eto (izay tsy iza fa Jesoa) nolazainy fa ny famindrampo hoy izy no sitrako fa tsy ny fanatitra alatsa dra ary nilaza ihany koa izy fa ny zanak’olona no Tompon ny sabata (Mat 12:7-8)
Manambara ireo rehetra ireo izany fa izay mivoaka avy any anaty fo, intention, avy amin ny fitiavana no eken ny Tompo eo anatrehan izay mety ho lalana rehetra misy.
Raha araka ity voasoratra ity izany dia tsy ny andro sabata maha sabata azy intsony no jeren ny Tompo fa ny avy ao anaty fon ilay olona. Ahy hoy Izy ny sabata, ary io sabata io ihany koa dia tsy natao ho an ny olona fa ny sabata no natao ho an ny olona. Tsy ny sabata no manampahefana hametra ny zavatra tsara mety ataon ny olona amin ny sabata fa ny fifandraisan ny olona amin Atra no mamaritra ny mety ataony amin ny sabata.
Mar 2:27-28(DIO)=> ary hoy Jesoa t@ farisianina, ny sabata no natao ho an ny olona fa tsy ny olona no natao ho an ny sabata. Araka izany, na dia ny sabata aza dia ananan ny zanak’olona fahefana.
Mbola midika izany fa tsy tokony ho voafehin ny andro intsony ny mpino fa kosa hanao izay rehetra ataony avy amin ny fo. Raha mivavaka sy midera ny Tompo izany dia tsy ilay andro no zava dehibe fa ilay avy any anaty fo.
Tsy mahagaga izany raha hita ao amin ny Rom 14: 5-6=> misy ny anakiray manao ny andro anakiray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny anakiray kosa manao azy rehetra hitovy aoka samy hahatoky tsara ao amin ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo. ….
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Koa na andro inona aho izany na andro inona no hatokako ho an ny Tompo: rehefa avy ao ampoko no manaja io andro io dia izay no hankasitrahany, rehefa natokako ho an ny Tompo io dia izay no ankasitrahany. Ny sabata dia efa tanteraka ao Aminy satria Izy no Tompon’ ny sabata, ary raha manana io Tompo Jesoa io ihany koa aho dia efa ao amiko ihany koa izany ny sabata, tsy ny andro intsony no ilaiko hezakezahina ho tazomina fa kosa ny hidera Azy avy ao ampoko amin ny andro izay natokako manokana ho Azy.
Eto dia mazava fa tahaka ny Krisimasy ihany koa, betsaka no milaza fa tsy fety kristiana izy io satria fety n’ ny olona izay nivavaka t@ masoandro tany aloha be tany angaha, faharoa: tsy tena 25 Des no nahaterahan ilay mpamonjy. Raha ny fahitako azy dia tahaka ny sabata ihany koa izy io. Tsy ilay andro intsony no zava dehibe fa ilay fo te hitsaoka an I Jesoa manokana sy ho fisaorana azy noho ny nahatongavany teto ambonin ny tany. Raha izay no intention ko hoe hanajako ny krisimasy satria tiakoI Jesoa ka mba tiako hankalazaina manokana ity andro ity dia mino aho fa hahafaly azy izany. Raha kosa ny eritreritro milaza fa tiako I Jesoa fa tsy hankalaza azy aho satria tsy resy lahatra noho io andro io dia mino ihany koa aho fa hahafaly ny Tompo izany. Ary raha tena manahirana ahy ilay 25 Dec dia maninona ary raha ataoko manokana ho 10 May ohatra ny krisimasiko. Marihina hatrany izany fa tsy ny andro no zava dehibe fa ny fitiavan izay hiangany. Koa na hanao io fety io aza aho anefa tsy noho ny Tompo Jesoa no antony fa noho ny akanjo vaovao, na noho ny cadeaux na noho ny famirapiratany..dia ho zava poana ihany izany ary tsy hahazo sitraka akory aho avy amin ny Tompo.
Ny marina izany dia ny averina indray, tsy ilay andro intsony no zava dehibe fa ilay intention hanaovako azy, na andro firavoravoana io na andro hivavahana.
Kol 2: 16-17 => koa aza avela hisy hitsara anareo na @ fihinanana na ny fisotro na andro firavoravoana na ny voalohambolana na ny sabata. Aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia Kristy.
Rom14:5-6=> ny anakiray manao ny andro iray ho mihoatra noho ny sasany ary ny anakiray manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hahatoky @ sainy avy. Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinnana ho an ny Tompo sy nitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra ihany koa izy.
Koa raha fintinina izany io ambony io dia izao. Efa ao amin ny Tompo Jesoa ny sabata, koa ny fananako Azy dia efa hananako sahady ilay sabata. Aloky ny fitsaharana izay azoko avy Aminy izany sabata izany ka tsy tokony hampitondra zioga ny tenako na ny hafa intsony aho. Ny Tompo anefa dia faly tokoa raha manaja izany andro izany aho ho Azy manokana, ary nefa koa raha misy ny andro hafa izay hatokako manokana ho fanajako Azy dia ho faly ihany koa Izy ary tokony hataoko izany. Tsy ny andro intsony no zava dehibe amin ny fanekena vaovao fa ny fanajako ny tompon izany sabata izany dia tsy iza fa Jesoa Kristy.
Koa satria lalanan ny fitiavana no mamehy dia tsy hitsara ny namako aho raha toa ka manokana andro manokana izay tsy mitovy ny amiko izy. Ny fitiavana sy ny Fanahy Masina no tokony hitarika ahy hanomboka izao fa tsy ny lalana intsony.
=> Rom 10:4=>Fa Kristy no faran ny lalana ho fahamarinana izay rehetra mino.
Ary ny Fanahy masina no mitondra ahy manomboka izao fa tsy ny lalana intsony.
Gal 5:18=> Fa raha tarihin ny Fanahy ianareo dia tsy ambanin’ny lalana ary Fa izay tarihin y Fanahin Atra no zanak Atra (Rom 8:14)
Marihina manokana fa I Paoly raha nandeha tany amin ny synagoga t@ andro sabata dia noho izy nahafantatra fa izany no fomba hahazoany ny fon ireo olona izay mbola voafehy tao ambanin ny lalana raha te hampahery sy hifanena amin izy ireo izy, ny zava dehibe taminy dia ny hamonjena azy ireo tsirairay avy.
I Kor 9: 20-21=> Tamin ny jiosy dia tonga toy ny jiosy aho mba hahazoako ny jiosy. T@ izay ambanin ny lalana dia tonga toy izay ambanin ny lalana aho mba hahazoako ny ambany lalana ary tamin izay tsy manana ny lalana dia tonga tahaka ny tsy manana lalana aho mba hahazoako ny tsy manana lalana, kanefa tsy mba olona tsy manana ny lalan Atra aho fa ambanin ny lalana ni Kristy. ..Efa tonga ny zavatra rehetra aho mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
Araka ny efa nazavaiko ombieny ombieny teto dia ny resaka sakafo hohanina dia tafiditra tanteraka ihany koa tanaty ny lalana taloha izay miisa eninjato mahery. Koa raha te hanaraka izany ny olona iray ny amin ny fihianan na tsy fihinana dia ataoko fa tokony ihany koa izy hanaja ny lalana 600 mahery izay misy fa tsy ny iray na roa na ny telo ihany. Ho vita ve izany? Ny tenin Atra dia milaza fa navesatra taminireo zanak Israley taloha io koa nahoana aho no mbola ihany koa hampitondra zioga ny tenako na ny hafa hamerina indray io lalana io =>Rom 5: 19 => koa nahoana ianareo no maka fanahy an Atra amin ny fametrahanareo zioga amin ny vozon ny mpianatra izay tsy zaka ny razantsika ho entina?
Marihina aloha fa raha io resaka sakafo io dia hita betsaka ao anatin ny romana. Ny epistily ho an ny romana dia epistily izay nosoratan ny apostoly Paoly ho an ny mpino tao Roma. Ary mizara telo izy ireo. Ny fizarana voalohany (1-8) dia milaza ny Fahamarinan Atra sy ny famonjena; ny fizarana faharoa ( 9-11) dia mamintina ny fahamarinan Atra ary ny vahoaka Israely, fa ny fizarana fahatelo izay mianiga amin ny (12-16 no tena ho jerena akaiky eto) Io dia mamintina ny fahamarinan’Atra sy ihany koa ny fomba fiainana kristiana andavanandro. (Chapter by chapter Bible Commentary by Warren W. Wiersbe). Marihina izany fa raha nanoratra io epistily io I Paoly dia nosoratany manokana ho an ny mpino ao roma izany.
Rom 1-9=> Voalohany, misaotra an Atra aminy alalan I JK aho noho ny aminareo rehetra satria efa re eran izao tontolo izao ny lazan ny finoanareo.=> voalaza mazava eto izany fa mpino ireo hanoratany ireo. Mety misy ny malemy finoana sy ny matanja pinoana, fa ny hanoratany rehetra kosa dia mpino.
Tsarovy ny fa I JK dia nilaza t@ ilay kapiteny nanana zanaka narary tany antrano fa tsy mbola nahita lehilahy be finoana tahaka azy Izy. Tao ihany koa ny nitenenany hatrany ny mpiananyhoe ry kely finoana. Mazava izany eto fa misy ny hoe be finoana ary misy ny kely finoana ary tahaka izany ihany koa ny noresahin I Paoly eto, misy ny malemy finoana ary misy ny matankaja finoana…fa izy rehetra dia mpino na kristiana.
Rom 1-13=. Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy …..=>
Ary ny teny hoe rahalahy dia fomba fitenin ny mpino samy mpino anaty fivavahana iray mifampiantso. Koa averina indray fa ny romana dia epistily no soratan I Paoly ho an ny mpino fa tsy hoe ny tsy mpino
Resahiko manokana ny momba ny maha mpino ireto voalaza eto amin ny romana satria dia manana anjara lehibe eo amin ny fiainana kristiana ny hafatra izay azon izy ireo raha ny fiaianana andavanadro mihitsy no jerena manokana. Tsy ho an ireo vahoaka tao Roma ihany fa ihany koa hatramin isika amin izao vaninandro izao. Marina fa nisy tokoa ny tsy nino tao Roma ary betsaka ny fanompoantsampy nandritra io vaninadro io ary mety ho mpino vao teraka daholo ireo mpino ireo matoa mbola nalemy ny finoany. Nandritra io vaninadro I tokoa mantsy dia betsaka ireo sekta sy fivavahana samihafa izay nandala mafy mihitsy ny tsy fihinana sakafo manokana. Ary ny Jiosy ihany koa dia mba nanana ny azy ireo izay araka ny levitikosy. Tao ny fivavahana hoe Essenes, izay tena nasiaka tokoa tamin io resaka sakafo sy fomba fiakanjo io fa dia ny sakafon izy ireo dia tsy maintsy karakarain ny mpisorona vao hohaniny. Ny Pythagoreans ihany koa dia anisan ireo izay nanana ny fombany manokana sy ny sakafo izay nohaniny manokana.
Ary tao ampiangonana kristiana ihany koa dia nisy ihany koa ireo sarangan olona vitsivitsy izay nivoaka avy tamin ireo fivavahana ireo na fivavahana hafa ka mbola nitana ny fadiny sy nasiaka tokoa tamin izany. (The Letter To The Romans, William Barclay)
Koa noho izany dia mazava ho azy fa nisy ny kristiana izay mbola nalemy finoana kokoa ary nisy ireo nahery finoana. Izany no nahatonga ary an’i Paoly hanoratra ity Romana 14 ity hanazavana ireo mpino ny fianana Kristiana andavanandro izay tokony diavin izy ireo. Mety ho ireo olona ireono nanoratan I Paoly ity epistily ity anefa ihany koa ny tenin Atra dia nosoratana ho antsika rehetra izay mino azy ary hampandrosoana ny fianana ara panahy sy ny fianana maha kristiana antsika. Tsy adino koa anefa fa mankarena ny tenin Atra ka tsy tokony ferako ihany fotsiny hoe tsy ho ahy ny Rom 14 fa ho an ireo olona ireo ihany. Ary farany, tsy resaka sakafo ho an ny fanopoantsampy no resahina eto fa efa mazava tsara fa ny sakafo aterina ho an ny fanompoantsampy dia efa tsy azo hohanina. Noho izany tsy mila niadivan’i Paoly hevitra intsony hoe na hihinana io hena io sa tsy hihinana. Tsy any ilay olana no mipetraka
Asa 15: 28 => fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay no tsy hampitondra enta mavesatra ho anareo afa tsy ny zavatra tsy maintsy ho tandremana izao ihany dia ny hifadianreo ny hena aterina any amin ny sampy sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. Raha mahatandritena amin izany ianareo dia ho soa.
Ny tiako hambara dia izao: raha ny andinintsoratra masina ao amin io Romana 14 io ihany dia na tsy hazavaina aza dia ampy manazava fa tsy ny sakafo ihany koa no zava dehibe amin ny Tompo fa ny fihinanako izany aminy alalan ny fisaorako Azy. Averina indray fa tafiditra anatin ny lalana ny resaka momba ny sakafo hohanina na tsy ho hanina anaty ny fifanekena taloha. Ary nony tonga ny fifanekena vaovao izany lalana miisa 600 mahery kely izany izay tafiditra ao anatiny ny fihianana na tsy fihinana sakafo manokana dia niova ho lalana roa ihany dia ny lalana dia ny lalanan ny fitiavana an Atra sy ny lalanan ny fitiavana ny namana. Aoka tsy hametraka zioga ho an ny tenako aho na ho an ny hafa fa efa mazava ny lazain ny Tompo anaty ny fifanekena vaovao izay nosoratany betsaka tokoa anatin ny epistily ho an ny Romana.
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Romana 14:20 => ny iray manao ny andro iray tsara mihoatra noho ny andro sasany ny anakiray kosa manao ny andro rehetra mitovy. Aoka samy hahatoky tsara amin ny sainy avy izy.
Romana 14:2-3 = > NY anakiray Mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anakiray kosa malemy finoana ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana ary ny mihinana tsy hitsara ny tsy mihinana fa Atra no efa nandray azy.
Mat 15: 10=> Tsy izay miditra ny vava no mahaloto ny olona fa izay mivoaka avy amin ny vava.
I kor 8:8=> Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin Atra, fa na homana aza isika dia tsy matiantoka ary na dia homana aza dia tsy mahazo tombony.
Mark 7:15=>Fa tsy ny zavatra rehetra avy eo ivelany izay miditra ny olona no mahaloto azy fa izay mivoaka avy amin ny olona no mahaloto azy.
Romana 14: 6 => izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinana ho an ny Tompo, satria misaotra an Atra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an ny Tompo sy mitandrina ny andro ho an ny Tompo, sady misaotra an Atra koa izy.
Romana 14:17 => fa ny fanjakan Atra dia tsy avy amin ny fihinana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fiainana ao ami ny Fanahy Masina.
Romana 14:20=> Aza izay hanina no andravanao ny asan Atra, madio avokoa ny zavatra rehetra. Nefa tsara ho an ny olona no mihinana amin ny tsy fahatafitohina.
Asa 10:13-15(vakio ny tantaran I korneliosy)
Azon ny kristiana hohanina daholo ary ve izany ny zavatra rehetra entina amin ny fisaorana ?
Raha ny tenin Atra no jerena, tsy ny t@ lalan I mosesy fa tanatin ny fifanekena vaovao dia azo honanina ny zavatra rehetra rehefa entina amin ny fisaorana. Ny hany kosa anefa zavatra izay noraran ny Tompo hohanina dia ny ra (boudin ohatra), ny hena izay aterina ho an ny sampy, ary ny zavatra kendaina, izany hoe ny biby tsy nilatsadra. Tahaka ny hoe biby matin ny accident na ny toy izany.
Asa 15: 28 => fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay no tsy hampitondra enta mavesatra ho anareo afa tsy ny zavatra tsy maintsy ho tandremana izao ihany dia ny hifadianreo ny hena aterina any amin ny sampy sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. Raha mahatandritena amin izany ianareo dia ho soa.
Famaranana
Araka ny maha lalanan’ny fitiavana ny didy vaovao izay nomen Atra dia tokony hatrany aho hitsinjo ny mpino hafa izay mbola tsy matanjaka ara pinoana araka ny lazain ny tenin Atra fa tsy hijery irery ihany izay mahafinaritra ahy. Raha tsy zaka ny mpino iray ny fihinanako zavatra manokana dia tsy hataoko izany noho ny fitiavako azy mba handrosoany bebe kokoa amin ny fiaianan krsitiana. Ary raha misy andro iray heveriko ho manadanja kokoa noho ny iray ary ny namako tsy manao izany dia tsy hitsara ny namako aho fa samy efa manana izay isaoranay avy izahay.
Kol 2:16=> koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin ny fihinanana na ny fisotro na ny andro firavoravoana na ny volohambolana na ny sabata, aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an i Kristy.
Nomen Atra ihany kosa anefa isika saina afaka mieritreritra sy fahendrena ka angamba tsy hihinana totozy na ny toy izany.
Raha ny fijerin ny dokotera anefa no hita dia tsy dia mahasoa loatra ny mihinana henakisoa satria dia io hena io dia avo tokoa ny taux ny cholesterol ao aminy raha oharina amin ny hena hafa..... Izaho izay manoratra dia tsoriko fa mihinana henakisoa satria dia mino aho fa tsy ambanin ny lalana intsony (dia miverina amin ny resaka rehetra eo ambony), fa noho ny fahasalamana fa tsy noho ny resaka zioga napetraky ny lalana dia mahalana dia mahalana aho no mihinana azy.
Manantena aho fa mba nisy ihany ny zavatra azo noraisina teto.
Tsarovy ihany koa fa ny resaka lalana dia zavatra antsipirihany kely anatin ny fianana ksritiana fa ny zava dehibe izay tokony ho toriana hatrany dia Jesosy Kristy izay maty T@ hazo fijaliana ary nitsangana tamin ny maty ka nisolo ny fahotantsika ary te hanana firaisana ampanahy manokana sy isanandro amintsika. Indro efa mandondona izy ary miandry ny tsirairay hanokatra ny varavaran’ny fony.
dailynews | 27 Oktobra, 2006 16:34
Niaraka t@ fianakaviana lavitra sy nisakafo teo ambony latabatra aho ary tsaroako fa nisy ny resaka hoe fifidianan izay ho vadin I dadatoa? (hmm) nisy ilay ramatoa iray izay hoe efa nisaraka taminy angaha, ary nisy ilay vehivavy iray iray hoe miaraka aminy izao. Natao ary ny fifidianana ary tsaroako fa izaho dia nifidy ilay hoe efa nisaraka taminy satria iny no efa niaraka taminy ela h@ izay fa ity vaovao ity dia mpangalatra fitiavana fotsiny ihany. Tadidiko ary aho anisan ireo nanagatanana hifidy an I M.. satria izy no efa taaloha . Nampihomehy fa tadidiko ihany ko ny tanan Ilay hoe dadatoa fa nitsangana ary hitako hono ny sandriny ary t@ izaho nijery izany dia tahaka ny nahita ny sandrin I Kevin Spacey tao amin ny film American beauty aho t@ izy nanontany ilay vehivavy iray iny hoe “do you like muscles?”
Vita ary ny fifidianana ary tsaroako fa ilay efa ela niaraka taminy no nandresy ary hoe iny izany no mahazo vadiny sy miray fandriana aminy. Dia tsaroako izahay fa niala teo amin ny latabatra ary nisy seza lavabe teo akaiky teo tahaka ireny seza any amin ny seranampiaramanidina ireny ary tsaroako nipetrapetraka teo izahay.
Tapaka ny hevitray ary fa handeha hijery sinema, Tadidiko t@ izay fa ny cousine ko izay mbola tsy manana zanaka dia niaraka t@ zazavavikely vazaha tokony ho eo amin ny roa taona eo, manao akanjo voninkazo mavo kely sy maitso kely ary hoe zanany hono izy io. Anefa dia ny reniny maintimainty tsara. Vazaha angaha ny dadany?
Nony tonga tao amin ny fidirana anefa teo amin ilay sinema dia tadidiko fa efa nijery film sahady ireo niaraka tamiko sasany teo ami ny toerana fidirana sy fipetrapetrahana((lobby). Nipetraka t@ banc izay ry zareo teo anoloana television antintrantitra izay anefa dia ngeza tokoa ary nanasa ahy hipetraka. Hoy aho t@ izy ireo“eto ve no hijery cinema? Television ange io jerenareo io e, tsy aleoko mijery sinema any ambony!”
Tsy nisy nihetsika anefa ry zareo ka lasa aho niakatra tany ambony. Hitako ilay cousine ko sy ny zanany teo alohako teo ary niara niakatra izahay. Nony avy eo anefa dia hitako nipetraka teo amin ny ankavanana ny efitra hidirana ery ambony izy ireo ary nanasa ahy hipetraka , anefa ihany koa toa mbola nisy namako nipetraka tetsy ambany kelinay ka hoy aho hoe ho avy eny aho. Ary dia tsaroako fa tsy nandalo nihodidina ny seza intsony aho fa tonga dia nitsambikina avy teo amin ny seza ary tonga teo amin ny seza testy ambany nipetrahan izy ireo.
Tsaroako taorian io fa teny ambony terrasse indray izaho sy ilay cousine ko io ihany. Tahaka ny hoe eny ambonin ireo ny trano avo ireny eo amin ny 5e etage eo angamba ilay trano ary izahay eny antendrony. Ny teo ambaninay dia toerana filalaovana baolina tsy haiko na kitra na inona fa tadidiko fa nisy ny harato. Ary nisy tomobilina fanapahambozaka tao anatin ilay toerana. Niasa tsara tokoa ilay tomobilina mpanapa bozaka saingy nisy faritra iray tsy nenty tapaka mihitsy ilay bozaka fa dia lava tokoa ary azo hiafenana mihitsy raha ny fijery azy. Niezaka ilay fiara fa e, e, e…hitako ary taorian izany fa nanidina ilay fiara, ary nanao izay zakany hanalana ilay bozaka fa tsy nety niala mihitsy ilay izy. Ny manodidina rehetra dia maitso mavana daholo, hafa tsy ilay bozaka izay tsy mety miala dia efa mavo tahaka ireny bozaka lava be maina ireny. Variana ihany koa aneaf aho nijery ilay fiara ka hoy aho hoe: “hay ve efa manidina izao ny tomobilina e.”
Dia varian teo izaho sy ilay cousine ko, tsitapitapitrizay anefa dia nitomany izy, nifokofoko. Tsaroako aho nijery azy tsara t@ izay, nanao pataloha mena sy ambony mainty izy ary ny volony dia nafatony .
Nanontaniako ny anton izay hitomaniany izy ary nilaza fa tsy mamaly ny tts ny intsony ilay malalany. Efa h@ desambra hoy izy izy no tsy nanoratra. Tsaroako fa na dia vao omaly aza io nofy io dia tadidiko tanaty nofiko fa volana avrily izahay. Ka hoy aho taminy: efa volana avrily anie aky izao e, raha tsy namaly ny tts nao h@ desambra izy dia midika izany fa efa tsy te hiaraka aminao intsony izy izay. ……
dailynews | 19 Oktobra, 2006 17:03
Tao an efitra iray nisy ankizy vitsivitsy izay teo ampiandrasana ny RAD izy ireo ho tonga haka azy. Ny rindrina teo aloha dia fitaratra fotsiny ihany hany ka nampazava tokoa ny tara masoandro izay tafiditra tao an’efitra.
Tsaroako fa nisy ankizy vistivitsy teo anilako, ary tsaroako fa anisan izy ireo Isabella.
Nony nannontaniako anefa Isabella hoe iza no anaranao dia hoy izy tamiko hoe “ Annalla”. Nampakariko teo ampofoako izy ary ny zava tsaroako t@ izany dia niha navesatra ny lanjany. Zipo mainty kely sy t-shirt fotsy no nanaovany. Hitako fa efa niha lehibe izy ary hitako fa nahazo taona kokoa noho ny tamin ny hitako farany izy. Mihendrika ho zazavavy kely eo amin ny faha -7 taonany izy izao.
Tsaroako fa niandry ireo RAD ireo ankizy vitsivitsy ireo aho. Tsapako fa fantatro daholo ireo olona ireo na dia tsy hitako aza ny endriky izy ireo hafa tsy Isabella. Hitako ireo RAD sasany izay efa tao anatin’ilay efitra miendrika aloka manga atitra ary ny sasany aloka mainty fa ny tarehin izy ireo dia tsy misy hitako. Ny zavatra tsaroako dia tahaka ireny manao akanjo manga fanaovan ny mpanamboatra tomobilina ireny izy ireo.
Tsitapitapitr izay dia tafavoaka teny ivelany aho ary nahita an I Sarah izay nizotra nanatona ahy. Toa niresaka kely angaha izahay. Tsaroako ihany koa fa tery ampita dia nahita an I Shironda aho. Nanao akanjo mivolotany sy mitsipika mena izy. . Nampitandrina ahy izy fa “ spy” ( mpitsikilo ) hono I Sarah. Hitany hono izy nisava ny toerana fametrahan ny tsirairay entana androany ( locker room)
Tsaroako ihany koa fa handeha hody aho sa handeha amin ny toerana iray izay efa fantatro tsara. Nitondra tomobilina 4x4 fotsy efa antitra izany aho. Tsaroako nilahatra teo anoloako hazo telo izay nanamarika fa teo no hiviliana any antrano. Saingy nony nivily aho dia tsaroako fa diso lalana na dia fantatro mazava tsara aza ireo hazo ireo. Ny trano izya hitako dia tsy ny nomerao ny tranoko izay tokony halehako fa nomerao hafa mihitsy, ary tsy izany hany fa numerao karazany roa no teo amin ilay trano, ny iray 416 ary ny iray 202. Hoy aho anakampo iza amin izy ireo ary no tena izy?
Taorian izay dia tsaroako fa niaraka indray kosa t@ anadahiko aho hitady ny tranoko. Ny nahavariana ahy dia tunnel daholo ny lalana rehetra naleha , tunnel fotsy antitra mitovy ami ny lokon ilay 4x4. Tsaroako fa dia nazava tahaka ny fahazava ny masoandro tao amin ilay tunnel. Tahaka ny bus na train izany no nandehananay, ary ny lalana ihany koa dia toa sady lalana train no lalana tomobilina. Gaga aho fa nahita olona vitsivitsy handeha hiampita lalana ary hoy aho anakampo hoe hay tafiditra hatraty koa ny olona?
Niandry azy ireo hiampita ny anadahiko ary nilaza tamiko fa handeha ihany koa izy hanatsotsotra ny tongony fa reraka.
Nisy rano tanaty dobo izay lava no sady mahitsy zoro. Ary nisy toy ny tetezana vita amin ny hazo kely nanapaka ilay dobo. Hoy ny andahiko hoe handeha hisoty eo ambonin io rano io hono izy fa tsy handalo ilay tetezana. Ary variana aho fa nony nisoty izy dia nipaika kely tamin ilay rano ny tongony ilany anefa tsy nistoboka tao anaty rano akory dia ny tongony ilany kosa nihezaka hijanona tetsy ampita, tsy tratrany anefa izany ka dia nianjera testy ambany izy. Tsaroako fa mbola nisy rano ihany koa tetsy ambany ary tahaka ny dobo filomanosana ihany koa ilay izy ary marivo. Tsaroako fa taila fotsy antitra ny taila teo no sady misosa mandeha tahaka ny hoe renirano izany ny rano tao anatiny.
Gaga anefa aho fa hay ny akanjon ny vadiko no nanaovan ilay andahiko izay tsy tafihetsika tao anaty rano nony nianjera tao.
Toa safotra sa renoka natory ny fahitako azy. Hiondanany ny tanany ilany ary ny tongony ilany ihany koa dia miakatra anefa ny faladiany mipetraka aminny tany ihany. Tsy nahatsiaro tena izy t@ izay.
dailynews | 14 Oktobra, 2006 22:32
Mihevitra aho ny hampiasa ity blaogy ity handrakitra an-tahiry ireo nofiko maro dia maro isankalina izay tsy mitsahatra.
koa mba tsy hanadinoana izany intsony dia ho raketiko eto manomboka izao ireo tantara. Mety tsy hazava na amin iza na amin iza ireo nofy satria tsy ny hitantara tantara no antony fa kosa hiraketana ireo nofiko nandalo.
Koa raha misy olona mamaky eto ka tsy mahazo izay dikany na mahita fa tsy mitombonma ilay tantara dia aza gaga akory satria dia nofiko fotsiny ihany ireo no raketiko eto. Tsy azoko hovaina ary tsy azoko ampiana.
(tohiny)
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |